ProVertSoritrasaVaovaoSeraseraEnglish

 

 

 

Tahirin-dahatsoratra

 

Mpiaramiasa

Ambasady Norveziana

eto

Madagasikara

 

 

Misiona Norveziana

Misiona Norveziana eto Madagasikara

 

SORITRASA

Sekoly Maitso Bara

 

SeFaFi Tombotsoa

SeFaFi Fihaonana

 

Pejy 1/2  ->  Pejy 2

 

 

 

Anne Karin Kristensen tao amin’ny birao ProVert

Ho fiatrehana ny fivoriana isan-taona miaraka amin’ny Masoivoho Norveziana eto madagasikara dia tonga teto ramatoa Anne Karin Kristensen, Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny NMS Norvezy, miandraikitra manokana ny ProVert. Nandritra izany dia nitsidika ny birao ProVert izy, nifanakalo hevitra tamin’ny mpiara-miasa ny fanohizana hatrany ny tanjona, ary nanome hery ny hanohizana hatrany ny asa hanatratrarana ny tanojla lehibe ara-panabeazan’ny ProVert.

Namangy ny sekoly Tombontsoa Antsirabe sy ny SFM Fandriana koa izy ka nifanakalo hevitra tamin’ny talen’izy ireo ny tena fiatrehana ny tanjona ProVert sy ny fanatsarana hatrany ny asa sahanin’izy ireo amin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaom-panabeazana.

Niara-nivory tamin’ny Komity Mpandrindra ProVert ihany koa izy, ka nanao tolokevitra ny hanatsarana hatrany ny asan’ny komity.

 

 

Tale vaovao ao amin’ny FOFAFA Tsarafototra

Voaray soa aman-tsara ny Tale vaovao ho an’ny FOFAFA Tsarafototra, Atoa Benjamin  R. Andriamampihatona. Antenaina fa hitondra fanatsarana hatrany amin’ny asan’ny sekoly ny fahatongavany.

 

 

 

Fandehanan’ny Misionera Norveziana

Vita soa aman-tsara ny andrikitr’ireo Misionera Norveziana sasantsasany miara-miasa amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy. Asongadina eto ireo miara-miasa akaiky amin’ny ProVert dia ny:

- Solontena Maharitry ny NMS eto Madagasikara, ny Pastora Bjorn Eddy Andersen, ka nosoloin’ny Pastora Arild M. Bakke izay Tonian’ny SHALOM teo aloha. Nahazo ny mari-boninahitra Chevalier de l’Ordre National Malagasy izy amin’izao handaozany an’i Madagasikara izany.

- Mpanolo-tsain’ny programa ProVert: Dr Klaus-Christian Küspert, manam-pahaizana manokana momba ny Pedagojia ary vy nahitana ny Programa Fanabeazana Maitso. Ho tonga hisolo azy kosa  Andriamatoa Nils Roumarheim, izay efa niasa tamin’ny UNICEF teto Madagasikara tany aloha.

- Tale lefitra amin’ny FOFAFA Tsarafototra, Atoa Lars Smeland mivady  sy ny zanany.

Tsara amafisina fa raha misy ny filana mpiara-miasa vahiny “consultant” amin’ny asa ProVert isaky ny soritrasa dia azo atao ny manao fangatahana ka aroso amin’ny Komity Mpandrindra ProVert ary atolotra ny Foibe FLM mialoha ny hangatahana azy amin’ny NMS. Ny fangatahana misionera maharitra dia tsy maintsy mandalo KMSL ny fankatoavana azy.

 

Fanofanana mpampianatra tany Fianarantsoa (13-17/05 /08)

Naharitra 5 andro ny fiofanan'ireo mpampianatra eny amin'ny Sekoly Loterana ao anatin'ny Synodam-Paritany Afovoany (SPAf)? Tao koa ireo Talem-paritra ny Sekoly Loterana avy amin'ny "faritra atsimo" (zone sud). Tao amin'ny Kolejy Loterana Masombahoaka Fianaratsoa no nanaovana ny fanofanana ny mpampianatra ary teo amin'ny enimpolo eo ny isan'ny mpiofana.

 

Mpampiofana avy amin'ny CISCO sy ny FoFaMa

  • anjarian-tsakafo niaraka tamin'ny ONN

  • Toeran'ny fanabeazana maitso ao antin'ny programam-pampianarana, niaraka tamin'ny ProVert sy ny CISCO Fandriana ary ny FoFaMA

  • Fanamafisana ny Français

 

 

 

Fiofanan'ny mpitandrina kilasimandry (06-07/05 /08)

 

Notontosaina tany amin'ny Sekoly Fambolena Fiompiana Fihaonana Vohipeno ny fanofanana nokarakarain'ny Programa Fanabeazana Maitso hoan'ireo mpitandrina kilasimandry, ireo tompon'andraikitra ara- tontolo iainana ary ireo tompon'andraikitra ara-pedagojia avy amin'ny soritrasa 7 ato anatin'ny ProVert :

 

 

Ireo mpitandrina kilasimandry niofana tany Vohipeno

Lohahevitra 5 no novelabelarina nandritra ny roa andro nihofanana :

Lohahevitra Mpampiofana

Ny fitiavan'Andriamanitra ao anatin'ny fitandremana kilasimandry

Pastora Mpitondra Fileovana Vohipeno RATSITONTANIRINA Gastrien

Ny sakafo ara-pahasalamana

Tale SeFaFi Fihaonana Vohipeno

RAMIHARIMANANA Felicité

"Psychologie des préadolescents"

Mpanolotsaina Pedagojika FFL

RAHERINIAINA Vololonoro

Fatana tany, arina tany ary ny termosim-bary

SeFaFi Fihaonana

Tale/ Moniteur

Fitandremana kilasimandry

Tale SeFaFi Fihaonana Vohipeno

RAMIHARIMANANA Felicité

Fifampizarana traikefa

Mpiofana/ Mpampiofana

 

Talen'ny SeFaFi Fihaonana mampianatra

 ny fanaovana termosim-bary

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Fatana tany miaraka amin'ny arina vita

amin'ny tany

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Fivoriana "matériel didactique" (14-15/04/08)

 

Nandritra ny 2 andro dia nivory tao amin'ny Sekoly Norveziana Antsirabe ireo soritrasa miasa amin'ny fanabeazana ambaratonga voalohany fototra eto anivon'ny Programa Fanabeazana maitso. Niarahana namolavola tamin'ny FFL ity fivoriana ity.

Ireo mpandray anjara amin'ny izany dia nahitana ny :

  • FFL

  • Fandraharahana ProVert

  • SFM

  • FoFaJa

  • FoFaMa

  • Sekoly Maitso Bara

  • Sekoly Maitso Sekoly Norveziana

Mpivory "matériel didactique"

Ny andro voalohan'ny fihofanana dia natokana ho fanehoana sy fampahafantarana ireo fitaovana hoenti-mampianatra noentin'ny soritrasa tsirairay. Ny andro faharoa kosa dia ny fijerena ny fampiasana ireny fitaovana ireny any an-tsekoly.

Tao amin'ny Sekoly Loterana Farimbona Antsirabe no nanomboana ny fampiarana ny fampiasana "Matériel Didactique" tao an-dakilasy. ireo mpiofana ho mpampianatra tao amin'ny SFM- Fandriana no nanao ny fampianarana.

  • y CP2 izay nanaovana lesona Fanazarana hiteny mikasika ny tanàna eny ambanivohitra

  • Kilasy CE izay nanaovana lesona "SVT" mikasika ny Akoho

  • Ary ny Kilasy CM1 izay nanaovana lesona "SVT" ihany koa fa mikasika ny Tantely indray kosa.

Naharitra ora iray ny fampianarana miaraka amin'ny fampiasana "matériel didactique" tao amin'ny sekoly Farimbona Antsirabe. Rehefa avy eo dia tany amin'ny Sekoly Fanabeazana Jamba tao Fanilosoa Antsirabe ao amin'ny Foibeazana ny Jamba (FoFaJa) no nanohizana ny fanehoana ny fampiasana ny "matériel didactique".

Naharitra ora 1 ihany koa ny fampianarana tany Fanilosoa. Rehefa izany dia nankany amin'ny Sekoly Fanabeazana ny Marenina teny amin'ny Foibe Fanabeazana ny Marenina (FoFaMa) ny mpivory ka nanatrika fampianara tao amin'ny "classe débutant" ny mpivory izany hoe kilasy manokana hoan'ny marenina, natao ianarana ny baikon'ny marenina.

Naharitra ora iray ihany koa ny fanatrehana ny fampianarana tany amin'ny FoFaMa.

 

Ny tapak'andro hariva dia nandray anjara ny talen'ny sekoly avy eto amin'ny Sekoly Norveziana, nizara traikefa mikasika ny fampianara no nataony tamin'ny izany.

Tao haorian'ny izay dia niroso tamin'ny fanaovana tombana mikasika ny fampianara hita tamin'ny tapak'andro maraina ny mpivory.

Tamin'ny famaranana ny fivoriana dia samy nahatsapa ny maha-zavadehibe ny fifanakalozana traikefa mikasika ny "matériel didactique" ny tsirairay ka niombon-tsaina hiara hikarakara famokarana sy fanaparitahana "materiel didactique " hoan'ny ankizy malagasy rehetra ny mpivory.

 

Fandaharam-potoana

 
  • 02- 03 jona 2008 : Fivoriana fikarakarana "Matériel didactique" ihombonana. Toerana FoFaMa Antsirabe
  • 06 jona 2008 : Fanolorana ny fanaka (birao FANILO sy ProVert) hoan'ny fiangonana. Toerana SALFA Andohalo

  • 10- 11 jona 2008 : Biannual Meeting. Toerana FoFaMa

  • 13 jona 2008 : Fivoriana fiomanana fiatrehana audit. Toerana FoFaMa Antsirabe

  • 10- 11- 12 jona 2008 : Green Week. Toerana FoFaJa Antsirabe

 

 

Pejy 1/2  ->  Pejy 2

 
ProVertSoritrasaVaovaoSeraseraEnglish << Previous

     Next >>

Last update: