Publicité
RubriquesLasa 'ty ! Ary am-pilaminanana mahatoky tanteraka !
Tonga ity ny volana febroary. Toa tsy henoheno intsony ny mikasika ireo olona mipetrapetraka etsy amin'ny sisin-dalamby etsy Ampefiloha Antananarivo. Ao amin'ilay hoe "La Réunion kely", mifanila sy manaraka ampahan'ny lalan-masinina. Dia mbola fampanantenana pokaty indray ve ?
* Safidy efatra
Tsia avy hatrany ny valiny fa tena miasa ny tompon'andraikitra rehetra. Ary dia samy mifanaraka, samy manana ny andraikiny. Tsy iza ireo fa ny ministeran'ny Mponina, ny Kaominin'Antananarivo renivohitra ary ireo vondrona ao amin'ny sehatra tsy miankina (orinasa, fikambanana, fiangonanana... Ilay hoe "société civile". Omaly ary dia tontosa ny fandehanan'ny ampahan'olona nonina tao amin'io toerana voatondro etsy ambony. Efa bisy nefa ny nandeha. Aiza ho aiza ary ity fandehanana "fifindra-monina vaovao ity". Tamin'ny volana novambra 2002 no efa nantenana ireo olona ireo. Ary ny fomba nentin'ny kaominina izao tarihin'i Patrick Ramiaramanana dia tena ao anatin'ny fanajana no maha-olona mihitsy. Satria mantsy nomena safidy ireo olona ireo mikasika ny toerana tiany aleha. Misy efatra izy ireo. 1. Ny toerana manokana misahana olona sahirana (centre spéciaux) toa ny "Appel Détresse" sy ny Mompera Pedro Opeka. 2. Ny fodiana any an-tanindrazana ka ireto avy ny faritra niavian'ny olona sasany ao amin'i La Réunion kely : RN7 hatrany Ampanihy, RN4 hatrany Manaratsandry, RN2 hatrany Toamasina ary RN1 hatrany Tsiroanomandidy. 3. Ny toerana manodidina ny renivohitra (centre péri-urbain izay sahanin'ny Ong ary 4. Ny any ambanivohitra eo amban'ny elatry ny fikambanana manokana sy ny fiangonana. Tamin'ny volana desambra dia fianakaviana miisa 325 no tao amin'io toerana io, izay manome isa 1.192 vatan'olona.
* Lasa tokoa ity...
Ny 8 janoary 2003 no nanomboka ny fifindraha-monina ary nitohy ny 23 janoary, ka 77 mianaka no lasa eny amin'i Mompera Pedro ary 24 kosa any amin'ny "Appel Détresse". Omaly kosa ny "fandehana" faha-telo ka fianakaviana 22 no lasa nody any aminy. Tsy nisy noterana mihitsy ireo olona ireo fa nandeha an-tsitrapo. Satria resy lahatra izy ireo ary koa tena ary fomba ny fiara-miasan'ny tompon'andraikitra. Dia : ny kaominina izay miantoka ny fitaterana, ny minisiteran'ny Mponina izay manome fitaovana famokarana sy fanaovana tao-trano (angady, lapela, marito, voan'ananana...) ary ny sehatra tsy miankina izay manome vatsim-piainana (sakafo, lamba fitafy sy firakotra). Marihina fa natao haharitra iray volana ireo vatsy ireo. Ary avy eo ? Hisy ny fanaraha-maso sy ny fanampiana. Ny "fandehanana" manaraka dia miankina an'ireo taratasy resahina etsy ambany
* Olona "madio"
NY tanjona moa dia ny tsy fisian'izany olona mipetrapetraka eny an-dalambe izany intsony. Tsapa fa rizareo samy zareo no mifandresy lahatra. Misy aza olona nialoka teny amin'ny boriboritany eto an-drenivohitra lasa mamonjy eny "La Réunion kely" mba ho isan'ireo halefa... Koa ny laharam-pamehana voalohany hataon'ireo tompon'andraikitra dia ny mikasika ny taratasin'ireo olona ireo (kopia, kara-panondro...). Satria tsy maintsy olona "madio" no halefa. Izany no natao noho ny tsao miely hoe "filafian'ny jiolahy isan-karazany io toerana io". Tsy misy azo halefa mamonjy ireo toerana nofinidy raha tsy ara-dalàna ny taratasy rehetra.
Koa raha izao no mitohy, mino ny rehetra fa any amin'ny faran'ny volana marsa any dia tsy hisy olona hipetraka intsony eny amin'ny sisin'iny lalam-by iny ary amin'ny volana aprily dia hanomboka ny fanarenana azy io. Mikasika ny renivohitra manontolo moa dia iriana fa amin'ny volana novambra 2003 dia tsy hisy intsony izany olona mipetrapetraka eny an-dalambe izany. Koa ny hisaorana voalohany dia ireo olona efa tonga saina mba hitaona ny namany. Faharoa dia ny fiaraha-miasan'ny sehatra miankina sy ny tsy miankina. Indrindra moa, amin'izao fotoana izao dia ny fikambanana LCER (Lutte contre l'exode rural), ny FTMM (Fivondronan'ny Tanora Mifampitaiza sy Mifanoro) ny Akany Fifampandrosoana FFPM, Famonjena... ankoatra an'i Mompera Pedro sy "Appel Détresse". Tsy ampy anefa ireo. Izany no mahatonga an'ny Kaominin'Antananarivo Renivohitra manao antso avo dia avo eto ho an'ireo fikambanana rehetra sahy sy vonona hanafaona ity fipetrapetrahana eny an-dalambe sy ambany tetezana.
Jeannot RAMAMBAZAFY.
Commentaires
1 Le 22-02-2003 par fiovana
2 Le 31-07-2003 par sitraka
3 Le 16-07-2005 par didier Tsarairaka
Ajouter un commentaire