Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Recherche sur MadatsaraRecherche


-

Votre Publicité sur MadatsaraPublicité

Articles sur Madagascar

Articles

RESY AHO

RESY AHO

Resy isika, resin’ny fiainana be hetraketraka

Ka nisara-toerana

Dia indro antso lavitra hira malefaka

No nanonerana

Ny akon’ny fo mitempo fitia

Efa nitia ary mbola ho doria

Resy aho, resin’ angola, nandalo niserana

Ka indro nandavaka

Hady mangitsoka lasa elanelana

Tsy nahay nanavaka

Fitiavana iray nitondra ny mafy

Efa nandalo ny mangirifiry

Fitiavana iray nanony , nanafy

Raha mbola eto antany tsy fahita firy

Resy aho , resin’ny haninairay tsy mangina

Toa hitan’ny masoko fa mangatsiaka

Ilay fandrianan-tsika

Toa hitan’ny masoko mitsiry aoriana

Ireo volo fikoloko

Ny omaly tontoloko

Raha tsy hianao, angamba dia goana

Ny lala-niarahana tsy nifandao

Izaho sy hianao

Ireo tebiteby , ireny niara-nangovitra

Tsy foiko ho rovitra

Fa ankehitriny tsy hiondrika ho resy

Fa ho olo-mitraka

Ny ady rehetra na dia hifanesy

Tsy hahazo laka

Ataoko fiadiana ireo hafatrao izay nanorotoro

Fa ny olo-mijoro

No tena fanilon’ny herim-pitiavana

Ka ny aizina ho lasa , miha-maintso mavana

assvoand 06/08/03


par assvoand - le 13-08-2003 commentaires (23) - Rubrique : Poeme - LU 2287 fois AddThis Social Bookmark Button



Commentaires

1 Le 14-08-2003 par assvoand

IZY FA TSY I.....Izy izay ilay orioryNo tsy ikipian’ny masokoMijaly tsy matoryVokatry ny ankasokoIzy ilay mahantraNo iantefan’ny saikoNy doboky ny tratraManempotra ny aikoTsy manana hoteneninaNandika ilay fitiavanaMitsotra sy maneninaMeloka aho rahavanaMoa ho azony fafànaNy andian-tononkaloNanaovako hadalànaNitiavako mpandalo?Niteniteny foanaNisangy tafahoatraTsy fantatro hoe nahoanaFa dia nahoana loatra?Izao no teniko aminyInoako fa ho maminy:“Raiso sy ekeo‘Zao fikasako izaoHijoro ka hisehoHo balisamanaoAtokako amin’izanyNy foko sy ny saikoRaha mbola eto antanyIanao no holalaiko”

2 Le 14-08-2003 par .....

Izay resy ka mitraka tsy ho very na oviana.ny hoe resy fa mijoro, tsy matahotra hangina..izay resy satria tia ,efa mpandresy hatry ny ela..f'ireo resy ka nihodina...nenina no mba tavela.,.Koa mahaiza ianao mandresy ..mahaiza ianao mijoro..fa any andro hifanesy..ilay herinao tsy toro.Riri.L'amour.

3 Le 15-08-2003 par assvoand

Izy ? tsy aiza akoryFa efa eto antratrakoMitosy sy matoryMitsabo koa ny ratrakoTsy misy hampitainaHo tatitra intsonyNy tiako holazaina Fa efa ao am-ponyNisy iray naratra?Indrisy atao ahoanaNy toaka diso fatraMiteraka hamamoanaMampirediredy sy mampibedibedyIaraha-mahalala fa mahalasa adala....Efa sambatr’izy, dia mbola hataoko sambatraNy hirahiranay efa ela no nitambatraIty no hira farany izay nibedesany ahy:“ DISO LALANA.Dia lasa ianao nitady, nitady fo irayHasolo ny ao an-tratraDrodroky ny ady natrehana hatrizay Nahatsiaro ho mahantraNy ratran’ny omaly, niezahanao nafeninaTsy hisy mpahalalaNihombo ka namitaka ny saina tia tsingerinaHitondra-tena adalaPitik’afo kely noentin’ny mpanjonoHamerivery ny hazaNanjary afobe handevina sy hamonoNisoko tsy nilazaNoheverinao ho izao no fanafana hanasitranaHampikombona ny feryKarazan-kilalao kitsapatsapa vintanaTsy hamonjy fa hameryDia tojo ianao ka tojo, tena tojo izay nirianaSy ny zava-notadiavinaNitsambiki-tsy mijery na ny aloha na ny aorianaTany tsy hay no hodiavinaNy mpanjono rahateo, sendra trondro mora mihinanaDia jonony fa tsy lavinyKankankely dia efa izy, fa tsy mila misahiranaDia mahazo ny ambongadinyTeny mamy nolaroina tononkalo adaladalaNo nataony fisarihanaVetivety dia nivadika “mon amour” sy malalaBabo teo ‘lay nofandrihanaDia nanjary tsy ampy intsony ny hafatra nifanoratanaFa lasa lalin’izy ityKa nipoitra indray ny hevitra hifankahita ara-batanaSy mifandray an-taribyDia teny mamy nolaroina nofinofy sesehenaTsy hariva tsy marainaNo tambavy notenehany tsy hatsiarovanao tena Nampalemy fo sy sainaTaty aoriana nihalalina ny ranombary nirobohanaDia nitodi-doha ianaoHay tokoa ka mody rariny raha ny helok’ibabohana“Diso aho fa avelao”Niaiky ianao ka nanazava, ny nataonareo rehetraLoharanon’ny tantaraKilalao, kivazivazy, sangisangy, etsetr’etsetraFa tsy niorim-paka tsaraIzaho moa tsy nanameloka, fa ny fo no misafidyIzay tiany hisarangotanaFa ny fitia tsy kilalao na entam-barotra amidyRaha mamàka mafy hongotana”

4 Le 15-08-2003 par Riri

Angamba izy ho sambatra..raha maheno izany ka ny hirany mitambatra, hanenika ny tanyhanako any ho anyilay hira nokaloinyilay vetso nimamoany..tsy ho faty intsony..satria izy ho sambatra..fa natolotrao tsy niambatrailay hany fiononany.....izy nefa aiza?...ianao no mahalalaizy 'lay adalaizy 'no malalanitia ,tena tiasaingy diso fatrak'indrisy fa naratra..ho lazaiko aminy ny teninao rehetraataoko fa ho maminysatria tsisy fetra...dia ho sambatra izy...Riri.L'Amour.

5 Le 16-08-2003 par grida

avotako kely indrAY ALOHA LERY.Ny vava no tsy atao be,ny todiny hono tsy lanyny resaka rehefa mandeha, mety mamatotra ihany..todim-paty tsy irianafa raha sendra fitia manodiava..lery ngamba mety hidonaka hoe hay 'ty rehefa tezitra vao tena raitratofoka vao tena mipoakaleo vao tena manjelatraavonavona ve sa haitraitra?no dia mihoraka mampiheri-bahoaka?kilanjalanja ny fiainanatafakatr'ianao anikeo,fa ny andro mbola tsy folakaka aza mampiakatra feo..adiadin'ny mpifankatia ve sa rovitsihin'ny tsy afa-manoatraam-bava matiko 'tyao am-po ...tohano aho ry naotra?eisy eh...ankaratra ve moa hangina fa tsiafajavona mba mahalefitra..na hidoboka mafy toa rianahankaiza amin'ito tany efitra..veloma masina eny ihany alamino ..toneo zato fo..izy avelao ho anyiano kosa sasao ny loha..Mbo mety ihany ve?Sendra nandalo.

6 Le 16-08-2003 par grida

bravo assvoand,ataovy @fanaovana azy fa za-dratsy eh.

7 Le 16-08-2003 par ??????

Gaga anao aho ry tsipolitra mora miantsampyManara-bahiny niseranaMpandalo niseran’ilàlana veDia amikirana hatrany antsikinanyNy saha naniriana ve hono no tolaSa tia vao ka tia andrakandranaKa te haniry eny antsahan’ny sasany?Olon-tsy fantatra akoryKa itadiavana aretin’andohaGaga anao aho ry vahy mananiky ny alaMiantsampy amin-kazo tsy fantatraMamikitra sarotr’esorinaTsy fantatrao akory ny haloaky ny ampitsoNa ho may ny hazo na hiongotraNa hataon’ny tompony fanakaNefa ianao sahy mivolon-ko tomponyGaga anao aho ry olon-tsy fantatraNahoana re no raiben’anatraKanefa tsy mahay mananatra ny tenany?Diniho sy fantaro izay hohaninaIzay vao manao teli-mokaMahavery fanahy mbola velonaMahafohy ny saina mandinikaRaha tsy rony tsy ventiny akory Ka “doria” no irediredenaNoheveriko ho vatolampy ampy handihizan’ny varatraKinanjo menak’omby nivaingana ihanyKa vao notarafin’ny masoandro marainaDia nitsonika tsy nisy horaisinaAngamba izany no efa fanaony?“Valala any an-danitra tsy asiana sira”ary raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy”

8 Le 16-08-2003 par .....

hay moa ka resa-toaka ny tantara rehetra teo?hitako ianao nitsoaka tsy sahy niteny hoe "leo"tano hatrany ny herinaoaza avela ho voadonafa ny adala toa azymora resy sy vonoina.avelao izy hangainaavelao hitaraina"ny fiainanao no tohizo"ny ratranao no tsaboyny "sangisanginy"(araka ny teninao?) Hadinoy.torohevitra adala no ambarako anaomihira hira vaofa ilay teo tena ratsyrako-pitaka sy fantsyaza miherika akoryfa ny lalanao no zoryangamba izy hitomanyangamba koa hitarainaaza atao mampiasa sainafa resaky ny mamolavatsisy fo fa basy vavaTsy aleonao...aoka ihany avelao izy ho anyizy angaha mahay manozonasatria ny fony voampoizinaefa mamon'ny fitia zay noheveriny ho doriaka nivonona handihy..kinanjo... iry....amoron-dranono miresaka @ trondroilay hany tsy nandaona tsy niteny kely akorynanala ireo sorisorymisaotra ihany hoy ny hafanyizay ao anatiny ao..tsy mba nambarany ahy (angamba fantatrao?).......L'A.

9 Le 16-08-2003 par .....

hay ka izany no fandehan'ny tantaranoheverinao mpanjono noheverinao mpandainga....asa moa ..'zay tokoa ve no tena tao am-ponysa...ireo hira nokaloinyno mba tiany hiaraha-mizarahanoratana tantara'rony tafa vao maraina'reo resaky ny alinatsy nataony sasa sainafa avy anaty tena marina..saingy hitany izao fa izy voatsara efa meloka "voasazy"ka tsy hila solo vavana hampiakatra hatraizafa hanomboka hanginasatria nolefonina-sakaizanoratrain'ilay tiana.......L'A.

10 Le 17-08-2003 par %

Ô Ragrida a:Ny tahotra tsy te hanan-tsinyNo ilazana ny tsy azoko ihoaranaAtao ahoana no fandray vahinyKanefa efa feno ny toerana?Tsy maika aza ve tena atamboRaha miaina ao anatin’ny fitaka Haniry tandroka hanao lava ramboAoka ihany! Aleo miparitaka!Fahatsorana no itenenanaIlazana ny zavatra marinaKa tsy ilaina ny fahatezeranaNy tsy mety tsy maintsy amboarina

11 Le 18-08-2003 par Tapitra

Sambatra ianao NdrematoaItoeran’ny faminanianaKa mahay mampitaha ny tsy hitaMahalala ny lokon’ny tsy fantatraTsy misalasala manamainty ny sasanyMahay manambolo avy lavitraKa manebaka ny hafa ho mamofonaMitompo tena ho mameroveroSady piso bonaika itokisanaFa ny hafa mpangalatra akohoTretrika ianao raha tretrikaFa “mahay sy miangaly mozika”Ka ny anao feon’antsiva igagànaSy hiran-drailovy hafa kelyFa ny anay “fatim-by mikarantsana”Sy “sahon-dreraka mibarareoka”Anay anefa ireny ka mamikoSitrako sady ankafiziko“Kilonjo” fa soa noho ny “rado”“Anosy” fa tiako ny fofony“Vato maniry”azoko antokahampisondrotra hanakatry ny avofa tsy “tany marina” mampiahiahyhandavo izay te hibolisatra…Ny anay tsy ala-nenina fa fiangavianaAok’izay irony antso manginaFa manjary mahakirikirianaNy sofin’ny fianakavianaAza miady hanolotra tànanaSatria samy hafa ny làlanaTeny kely natao hamaranana

12 Le 18-08-2003 par aoka hazava

Eny hoa ramanganohajainaeny hoa rasoanotiavinaleom-boananana omaly veka mampitovy ny fotsy sy mainty.?anosy ve no namofompofona ka tritriva avy no andosirana?Ny kary ve no naka ny hena ka ny saka no borian-drambo?Noderaiko ho tena mozikahay ka vy mikoritsana ihanynataoko ho lapan'ny soa hay vatan-drakitra loaka sy goanaNahita anay mavo ranjo angaha ka mandroaka anay mody masoandrosa ,naheno anay nalefam-pitenydia mivatravatra toa reniomby mahia..?ny tody hono tsy ifampiantsoana,ka lanjao ihany ry lahyny tafa sy dinika ambara..Nataoko ho kitro ifaharana hay ka hazo boboka ihanynoheveriko ho tompon'ny ranokanjo barareokan'ny sahona reraka!!!nodokafako ho tompon'ny dihyhay tsinjaky ny tsy misy atao!!pahin'ny dona omaly angahaka mampitovy kilonjy @ rado?Voadonan'ny vato naniry veka tany marina avy no angovitana?!tany Imamo ve no main'ny sakaydia aty Iarovo no minaonaona.....Ala nenina ihany ny anayny "tahak'izay "mantsy hono tsy laitraFa raha rano natao hivelomana no miompy voay mahafatyaleo hetahetam-piadananatoy izay hafaliana mety hamono.Izahay tsy mpisambo-balalaka hanonofy 'zay zatra manidinatolo-tanana ihany ny anayk'asakasak'izay te hanjolaizahay tsy mpivarotr'alika ka hanery ny efa tsy milamba sendra fo toa azo itokisanadia niroso hizara tafakanjo tebaka ho " mpanao ratsy"sy "zatra ny lalan-dririnina"no teny nitosaka avy any!Dia nitranga hatreo ilay nafeninahay tsy mba bongo misy rononofa fasana madio ivelanyka ilaozako malakolakofa saika nandoro 'ty lambakozarako aza izy nibetrokanahitako ny tena bikany..saika very aho ry foko malala..aoka itsy..aleo re mialasakamalao sy havozohanitra tsy mifandrindrak'aleo samy masina an-taniny.....L'A.

13 Le 19-08-2003 par llune

Bisous kely be dia be; Ny lanitra ho tafotrano

14 Le 20-08-2003 par grida

Fa ahoana mihitsy izy ityeh? tena fanina aho mitazana toa tena miady sy mifanasa vangy itero nareo mitsamy nefa avy ny iray mitoraka bisous kely be dia be! sa tena resaka ampiadiana fotsiny atao hampiesona any mpandalo...manja ihany aloha na izany aza eh.fa lery no tsy namaly ilay bisous, angamba tena leo.Ka raha izany dia mba jereo kely aho ry assvoand ah, tena ampireveko foana ianao eh.kozy eh.

15 Le 10-09-2003 par razafy

eh...! dia variana aho mahita anareo mitafa,sondriana mahatsiaro ny fahiny,ny andro ny hatanorana nitiavana "tonokalo sy hira"fony andro ny hatanorana, nanoratana tsiambaratelo,dia ny tsiambaratelompitiavana!

16 Le 06-04-2004 par RANDRIANASOLO B.M.

Faly koa faly .. ravo raha samy ravo.Izany hakanton'ny hain-teny Malagasy. Mba tiako hifandraisana akaiky amin'ny mail ianao ry ...L'A. Mba izaho lahy no nahay kanto toa anao. Sambatra ny teny Malagasy manana anao.

17 Le 09-04-2004 par vali

Itony zavakanto itony tompoko , indrindra ny gasy tanora dia tokony aely sy alefa boky mihintsy satria na ny tenako aza mamerina foana ny fifamaliana ato ary miaiky sy mankasitraka ireo mpandray anjara tamin'ny fifamaliana izay feno kanto no tena malagasy.Indrindra toa tantara miaina mihintsy

18 Le 01-06-2004 par narindra

tsara dia tsara ery ilay tonokalo! e! mahafinaritra !

19 Le 08-10-2004 par solofohery

Fisaorana ho an'ny mpamorona eh

20 Le 23-12-2004 par haingo rasolofomanana

mahavariana ny mamaky ny ventsom-po, sendra nandalo ny maso nefa nampierika sy nampisaina

21 Le 21-01-2005 par Biry

Misaotra anao mpanoratra mahafinaritra ny dia-peninao.Mazahoa tombony maro avy amin'ilay nahary anie ianareo rehetra mpanoratra

22 Le 27-02-2006 par andry

ireo andro nivalona no antsoina hoe lasana hodian tsy hita sy tsy tsaroanamametraka anio ireo nokinasatsy hofehezin'ny erana sy ny fotoanaireo voady natao ka tsy tanteraka tsy mahadiso fa maha olombelonaka tsy hahatofoka na hahaketrakafa manosika antsika indray hiherika na fahavaratra na andro merikahitsidika indray ireo fahinyireo loharano ;ireo kirihitr'alanialana hetaheta namenoana sinynadrehetana afo nialana fanalafa vain'afo tsy matin'ny ranomikotrika milamina nefa mandoroka na iza handrisika naiza handatsatsy ho vakintavilotra mihintsy ny lasafa na aiza na aiza toerana misyna akiky namana na lavitra havanana hihevi-tena ho toy ny tsy misytsy ho levona mandrakizay ny fitiavana vasiana

23 Le 27-02-2006 par andry

atolotro ho an'izay mahatsapa fa misy ny tena fitiavana:"fitiavana mitarehin'afo ka tsy hamela afatsy lavenona amin'izay nolalovany";fitiavana tena lalàna mifehy ny manan'aina tsy fehezin'ny erana sy ny fotoana ka mahatonga ny fo hitomany satria faly ; ioo tononkalo io!santatra ambavarano io!atolotro manokana an'i namana: assvoand !vasiana nompanoratra eh

Ajouter un commentaire







Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony
Conception et réalisation - Mentions légales -