Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Votre Publicité sur MadatsaraPublicité

Photo Madagascar sur MadatsaraMême rubrique

Articles sur Madagascar

Articles

Ny nahatonga ny anarana hoe : Antananarivo

Maro ny Malagasy no tsy mahalala ny nahatonga ny anaran’ Antanananarivo.

Antananarivo renivohitry Madagasikara dia niova anarana in-3 vao tonga amin’ny hoe Antananarivo, izay iantsoana azy amin’izao fotoana izao.

Analamanga Tamin’ny andron’ny Vazimba, izay mponina voalohany teto dia Analamanga no niantsona azy. Analamanga dia tendrombohitra, rakotra ala avokoa ny tanàna tamin’izany fotoana izany. Izay indrindra no nahatonga ny anaran-tanàna sasany toy ny Ampamaho izay midika ho alan’ny hazo atao hoe Famaho; io dia toerana tsy dia lavitra loatra ny Rovan’i Manjakamiadana. Misy ihany koa ny hoe Ankazotokana, na alan’ny ny hazo tokana sy ny Ambandrika, na alan’ny hazo antsoina hoe Vandrika...

Antaninarivo Rehefa lasan’ny Hova ny fanjakana ka noraisin’Andrianjaka ny fitondrana dia novainy hoe Antaninarivo ny anaran’ny renivohitr’i Gasikara. Nametraka mponina miisa arivo tao mantsy izy ka izay no nahatonga io anarana io, izay midika hoe tany an’ny arivo. Tsimilefa no nataony anaran’ireo mponina tao Antaninarivo ireo. Andrianjaka izay Mpanjaka hova voalohany no nampanapaka ny ala tao an-tampon’ny tendrombohitra ary nanorina ny Rova dia ny Rovan’i Manjakamiadana izany. Izy no Mpanjaka voalohany nilevina tao amin’ireo fasan’andriana antsoina hoe Fitomiandalana ao Manjakamiadana  Mampalahelo fa voadoro ireo fasan’andriana ireo tamin’ny fahamaizan’ny Rova ny taona 1995 , ary nafindra daholo ny razana tao.

Mbola Antaninarivo ihany Ny taona 1794 kosa dia lasan’ Andrianampoinimerina ny fitondrana ary nataony ho renivohitry ny fanjakany i Antaninarivo. Nesoriny ireo Tsimilefa arivo nipetraka tao, ary nosoloiny olona arivo hafa avy any Avaradrano, izay andriana ny sasany tamin’ireo dia ny Tsimahafotsy sy ny tsimiamboholahy ary ny Mandiavato. Nomeny ny anarana hoe Voromahery ireo mponina ireo.

Antananarivo Ny taona 1810-1829, dia nanjaka indray Radama I ka novainy ny hoe Antananarivo. Nanomboka teo no naha Antananarivo an’Antananarivo izay midika hoe tanàna an’ny arivo . Rehefa nanjaka indray Ranavalona III ny taona 1863-1883, dia nohatsarainy ny tanànan’Antananarivo. Nofonosiny vato ho mafy ny lapan’i Manjakamiadana izay hazo teo aloha, ary nasiany tilikambo tsirairay avy ny sisiny efatra. Ilay Anglisy atao hoe Cameron no tompomarika tamin’ny fanamboarana izany. Tamin’ny androny ihany koa no nananganana ny tranovato fiangonana Anatirova, ary ilay teratany Anglisy Pool no tompon’andraikitra tamin’izany. Ny tranon’ny Praiministra Rainilaiarivony izay mbola hitantsika ao Andafiavaratra dia tamin’ny andron-dRanavalona III no nananganana azy; ary marihina fa nisy fahamaizana izy io ny taona 1976, mbola Atoa Pool ihany no tompon-draharaha tamin’ny fanamboarana azy. Maro ny trano fiangonana niorina tamin’ny andron-dRanavalona III: isan’ireny ny tranovato fiangonana ao Ambohipotsy sy Ambatonakanga ary Faravohitra. Ilay Anglisy antsoina hoe Sibree no niahy ny fanamboarana ireo fiangonana ireo.

Tananarive Ny 30 Septambra 1895 dia azon’ny fanjakana Frantsay indray i Antananarivo ary nomeny ny anarana hoe Tananarive. Ny 30 Septambra 1895 tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany hariva no najoro tao Manjakamiadana ny saina fotsy izay midika faharesena, ho solon’ny fanevam-panjakana malagasy fotsy sy mena tamin’izany fotoana izany. Ny 7 Aogositra 1896 no nosoniavin’i Faure Felix Filoha tany Frantsa ny maha zanatany Frantsay an’i Madagasikara. Ny saina frantsay indray no nihofaho tamin’izany . Ny alin’ny 28 Febroary 1897 dia nesorin’ny vazaha hiala tao an-dRovan’i Manjakamiadana ny Mpanjaka Ranavalona III ary nalefany tany La Réunion, vao nafindrany tany Algérie.

Niverina ho Antananarivo indray Rehefa nahazo ny fahaleovantena i Madagasikara ny taona 1960, dia naverina ho Antananarivo ny anaran’ny renivohitry Madagasikara. Ny lokon’ny saina fanevam-pirenena mena sy fotsy tamin’ny andro faha-mpanjaka dia natao maitso, fotsy, mena, izay mbola hitantsika amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i Nanouh R. © - MBS


par Madatsara - le 01-08-2003 commentaires (2) - Rubrique : Malagasy - LU 1204 fois AddThis Social Bookmark Button



Commentaires

1 Le 14-12-2003 par rosonydia

Mba tiako ho fantatra tompoko ny fipetrak'ireo loko mena sy fotsin'ny faneva teo antampon'i Manjakamiadana.Ny frantsay ve tsy nitahiry ny mombamomba azy?

2 Le 22-02-2004 par Jean Luc

Je cherche des information sur la reine Ranavalona II en français si possible Merci

Ajouter un commentaire







Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony
Conception et réalisation - Mentions légales -