Articles
Dika-teny tsy mamely !
Isan’ny ampiova zavatra betsaka eo amin’ny fiainan’ny malagasy ny fialan’ny haba sy hetra samihafa amin’ny antsoina hoe fitaovana » informatique «.
Efa manomboka mampiasa ilay dika-teny » tsy mamely « koa ny ankamaroan’ny olona. Dikan-teny tsy mamely satria ahoana moa no anekena fa » solo-saina « ny ordinateur ?
Raha tsisy saina ve izany dia manan-tsaina tampoka rehefa mampiasa an’io fitaovana io ?
Afaka mampiasa azy io tokoa ve ny tsisy saina ?
Asa, mba iza loatra no namorona an’io dika-teny io, fa ny rehetra koa dia mitady ho roboka tsy am-piheverana mampiasa azy. Inona no mety mahadika azy kokoa ? Raha raisina ny famariparitan’ny mpandalina serasera ikoizana toa an’I Marshal Mc Luhan dia izao no ilazàny ny “medias” amin’ny ankapobeny : les prolongements technologiques de l’homme.
Raha io no raisina dia “tovan-tsaina”izany no marimarina kokoa mandra-pahita dika-teny tsara noho izay.
Sarobidy loatra ny teny ary maha te hidera no sady ankaherezina ny ezaka rehetra mba ahavelona hatrany ny tenintsika.
Mivoatra ny teny rehetra ary dia tsy maintsy mizotra amin’izany koa ny tenintsika Malagasy. Izany anefa tsy manome alalana hanao dika-teny tsy am-piheverana satria sady tsy mandresy lahatra ny olona no manimba ilay harena sarobidy.
Mizara.
par Mizara -
le 27-08-2003
-
Rubrique : Malagasy -
LU 2010 fois
Commentaires
1 Le 30-08-2003 par tsiky_dia_ampy
2 Le 30-08-2003 par Daniel
3 Le 04-09-2003 par Gasikely
4 Le 09-09-2003 par Balita
5 Le 13-09-2003 par Dia ny taigna ro mainatra
6 Le 15-09-2003 par Bitika
7 Le 15-09-2003 par Kalatonaka
8 Le 16-09-2003 par Sahondra
9 Le 19-10-2003 par Fanjaniaina Razafimbelo
10 Le 11-11-2003 par razanaparany
11 Le 21-11-2003 par rakoto
12 Le 08-12-2003 par Doc Strange
13 Le 21-01-2004 par reena
14 Le 13-02-2004 par RASOA
15 Le 29-02-2004 par niry
16 Le 29-02-2004 par nirina
17 Le 06-04-2004 par RANDRIANASOLO B.M.
18 Le 15-04-2004 par Andrianjaka Mamitiana
19 Le 30-04-2004 par RANDRIANASOLO B:M:
20 Le 02-05-2004 par raharison eric
21 Le 19-06-2004 par Nina
22 Le 22-07-2004 par Rija
23 Le 16-07-2005 par didier Tsarairaka
24 Le 13-10-2005 par Angely
Ajouter un commentaire