Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Votre Publicité sur MadatsaraPublicité

Photo Madagascar sur MadatsaraMême rubrique

Articles sur Madagascar

Articles

VITA-GASY, SAIN-GASY, FOTOAN-GASY !!!!

"Vita gasy" hono, "fotoan-gasy" hono, "sain-gasy" hono. Fiteny maneso anefa misy antony matoa tenenina. Dia mipetraka ny baraingo:
Fa rehefa gasy ve dia ratsy foana e?
Inona hoy ianareo no antony mahatonga ny gasy samy gasy hifaneso na tsy hitia ny "vita gasy" na ny Gasy toa azy ihany? "vita gasy":fiteny mifono fahadisoam-panantenana na tsy fahafaham-po t@ vokatra na zavatra nifanaovana t@ olona io amiko. Toe-tsaina "angamba" no fototr'izany,sa ahoana hoy ianareo?
Fa maninona koa isika no sodoka ery mifandrombaka ny "vita vazaha"? (nefa koa anie ry zareo izao may ery mitady ny vita gasy e!) Satria ny azy misy fifaninanana aloha, izay mitaky ny tsara sy ny kanto indrindra avy @ tsirairay mba hitiavan'ny olona na ny mpanjifa ny vokatra vokariny. Ka tsy miankina @ tsirairay ihany ve io hoy ianareo?
Amiko rehefa samy miezaka ny andaniny sy ny ankilany manatsara, manandratra, ary mitia ny "vita gasy", rehefa samy mahatsapa isika fa mila fivoarana ny toe-tsaina ary rehefa samy te hanana ny tsara sy ny kanto isika Malagasy ka vonona sy manana finiavana hanova ny toe-tsaina dia mety ho lasa lavitra ihany ity Gasikarasoantsika ity.
Asa aloha e! Asakasakareo izay "kamo be tenda" io ka hanao "valalan'amboa ka na ny tompony aza tsy tia".
© - RIJA.

NDLR: tsara misaotra betsaka an'i Rija. misimisia ny toy izao.


par RIJA - le 09-09-2004 commentaires (15) - Rubrique : Malagasy - LU 1214 fois AddThis Social Bookmark Button



Commentaires

1 Le 15-09-2004 par mimi

Amiko ny mahatonga ny olona hoe tsy tia ny vita gasy dia zavatra iray ihany! tsy hoe ratsy ny vita gasy fa eo @ faharetany sy ny "finition" no tsy itiavan'ny olona azy. Ny asa gasy mantsy matetika zara fa vita, manenjika isa fotsiny fa tsy mba mitsinjo ny atsarany sy ny faharetany. Ohatra ny kapa oditra gasy izao tsara ery fa refa hanaovana indray fotsiny dia miendaka daholo ny sisiny. Ny fahitako azy dia hoe tsy mahay fitantanana ve no filaza azy sa hoe tia kely? satria colle mora be no ampiasaina, mazavaho azy raha mora miala! ary raha ampiana fantsika kely angmaba vao maika mety nefa tsy hanao izany ilay mpanamboatra satria lasa kely tsy araky ny eritreretiny ny tombony.

2 Le 22-09-2004 par fijo

mba ahitana ny tsara vitantsika dia ampitahao amin'ny vita sinoa e.amin'izao fotoana izao mantsy dia efa manomboka mitodika amin'ny vita gasy ny gasy satria mahita fa kay ny vita sinoa koa dia mbola mora simba noho ny vitany.ka dia samia mihezaka ny hitia ny azy e.

3 Le 05-10-2004 par Ileva

Tsapako izao aloha fa misy zvt tsara ao amintsika. Fa mila miasa isika hamoahana ilay gasy tsara.

4 Le 18-10-2004 par lylas

bjr ! sarotra ny mandainga fa matetika ny vita gasy tsy misy ilaivana azy, kanefa isika anie iriny ny olon'e maninona no tsy miray loha fa io anie no mahatafita dry zalahy vozongo é, isika mahay zavatra na dia sarotra aza vian-tsika foana fa raha adinoina ny fialonana sy ny esoeso dia efa ela isika no lasa lavitra ( mifankatiava ihany raha mbola miray monina) courage !!!!!!!!!!!!!

5 Le 28-10-2004 par miiiah

Il est evident que nous les malgaches nous ne sachons pas notre vrai valeur. Du coup, tous ce que l'on considère comme référence est péjoratif. N'est il pas de notre devoir nous en tant que jeune de changer les choses???????

6 Le 03-12-2004 par Saholy Ravao

Izaho dia anisan'ny tena tia ny zavatra rehetra vita gasy, ary an'isan'ny mitady fitaovana kojakojantokantrano vita gasy (sotrobe, vilany...)Nefa tena marina ny tenin'i Rija ho an'izay diso fanantenana, na voadona n'isika samy gasy. Ka aleo aloha hifanaja isika samy isika dia manaraka ho azy ny mety rehetra.

7 Le 21-01-2005 par Biry

Misaotra an'i Rija mahazoa fanambinana betsaka avy amin'andriamanitra dia ambarao tsara foana ny hevitrao fa mahafinaritra.Mikasa ny hamoaka soratra mitovy lenta amin'ianao ano fa miandry fotoana.Mazotoa

8 Le 19-03-2005 par menja

Ny gasy raha manao zavatra dia ny hahavita azy fotsiny . maika vola hividianana sakafo. Tsy mitsinjo ny ampitso fa ny androany ihany aloha. Isika gasy mi vivre lejour le jour ny ankapombehiny.

9 Le 19-03-2005 par menja

Ny gasy raha manao zavatra dia ny hahavita azy fotsiny . maika vola hividianana sakafo. Tsy mitsinjo ny ampitso fa ny androany ihany aloha. Isika gasy mi vivre lejour le jour ny ankapombehiny.

10 Le 01-07-2005 par Ndranto

Tena miombon-kevitra aminao aho rahalahy raha ny amin' izay hevitrao izay, fa izy ity marina moa ve re olona rehefa hoe vita Malagasy dia midika fa tsy tsara sy ratsy ary koa tsy manjary e?Raha ny hevitro manokana dia izao: isika dia malaky mitsara ivelany loatra ny vitan' ny hafa ka manjary lasa tsy manana ny maha-izy azy ny vitan' ny Malagasy, ny tiako hambara dia izao, aza variana @ endrika ivelany re raolona fa mba diniho ihany e, ekeko fa misy ny ratsy ary misy koa ny tsara, n' aiza n' aiza dia samy misy an' izay avokoa fa tsy mbola nahita aho hoe tena zavatra tsara sady tomombana sy mahafam-po daholo ny zava-bitany raha mbola eto an-tany.Ny tena marina dia izao e, matikambo loatra isika ka manjary mifaninaninam-poana amin' ny zavatra tsy hampandroso ny Firenena. Tany amboalohany ny Malagasy dia nanana ny fahendreny, ny fahalalany, indrindra indrindra ny fahaizany ara-javan-kanto, ahoana moa ko, raha isika aza manaratsy ny vitan-tsika, ataon' ny sasany ahoana no hanatsara izany indray. Gasy aho ary Gasy no niandohako ka sanatria miko rahay ny ahy indray no haratsiako, marina mihintsy ny tenin' ny rahalahy hoe fa nga izy ty valalanam-boa ka na dia ny tompony aza tsy tia azy.

11 Le 08-07-2005 par Ndranto

Izay tsy mahay ny hain' ny hafa dia aza manaratsy ny vitany fa mba manaova raha manan-kambo, ary aza atao amin' ny olona izay zavatra tsy tianao ataon' ny olona aminao ary koa tsarao ny tenanao vao mitsara ny hafa ianao.Natao izao mba hisainan' ireo mpanaratsy kanefa tsy mahay rà.

12 Le 23-07-2005 par rija

Misaotra ireo izay mahatsapa fa tsara ny vita Malagasy e!

13 Le 15-11-2005 par kerena

ny tena ihany hono ny tsy tia ,dia ny olona hafa foana tsiriritina. na gasy io na vaza

14 Le 21-12-2005 par Njava

Ny tenako kosa mahatsikaritra ankehitriny fa mihabetsaka ny olona mankafy ny zvtr vita gasy.Ary matetika lé zvtr tena tsara(kalitao) fa misy kosa nefa ratsy fa iza koa moa no vendrana ho tian' izay ratsy. Tsy adala ny gasy mahalala ny zvtr tiany fa mitaky ezaka avy @ ireo mpamorona, ireo mpamokatra vita gasy mba hiezaka hahatsara ny zvtr ataony.Ny hevitra sasany indray dia toa mampatahotra ahy ihany satria sao dia lasa ho "nationalisme" be fahatany fotsiny! Ny fototry ny kolotsaintsika mantsy no efa tsy misy intsony izany no mahatonga ny tanora ankehitriny hisiditsidina misambotra etsy sy eroa ka mirongatra any @ vita vaza sy ny kolotsainy!! Averina sy tadiavina aloha ny kolotsaina gasy, refa hita ny fotony dia mazava eo anatrehan'ny tanora sy ny gasy vaza rehetra ka hanana heviny mari-pototra sy ho latsa-paka ao aminy ireo hasin'ny mahamalagasy na foto-pisainana na ny zava-bokariny satria misy fotony sy heviny ka misy hasina fa tsy hoe terena tiavina be fahatany.Anjaran'ny tsirairay no mandinika sy mandray izay tandrify azy

15 Le 03-04-2006 par vaviroa dominique

miarahaba mialoha amiko manokana tena faly be maha malagasy zaho

Ajouter un commentaire







Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony
Conception et réalisation - Mentions légales -