Articles
tsy mbola nisy Minisitra nandray ilay 26 tapitrisa
Mandraka ity androany voalohan’ny volana septambra 2004, efa niova sy nisy fanamboarana in-telo ny Governemanta Jacques Sylla, izany hoe roa taona taorian’ny nilazan’ny Filoha Ravalomanana tany Ambatondrazaka ny hanomezana tambi-karama ho an’ireo Minisitra mendrika, tsy mbola nisy na dia iray aza Minisitra nahazo sy nomena an’ilay 26 tapitrisa.
Nazava rahateo ny nambaran’ny Lehiben’ny Governemanta tamin’izany fotoana raha nihaona tamin’ny mpiasam-panjakana tao amin’ny Hotel Sofia Fianarantsoa ny tenany, ka nanazava ity resaka enina ambiroapolo tapitrisa ity. Nolazainy tamin’ireo mpiasam-panjakana niatrika azy tamin’izany fotoana fa ambara ampahibemaso ho fantatry ny rehetra ireo Minisitra mahazo ity fankasitrahana 26 tapitrisa ity noho ny vokatra tsara sy asa mendrika nataony. Roa taona lasa izay, mandraka ity anefa ny androany, na tamin’ireo Minisitra teo aloha nifandimby, na amin’izao fotana izao, tsy mbola nisy filazana ny fisian’iray amin’izy ireo nandray ilay volabe enina ambiniroapolo tapitrisa iraimbilanja. Araka izany, dia mety tsy nahafa-po loatra ny mpitondra fanjakana ny asan’ireo Minisitra, ka tsy mbola nanomezana ilay fankasitrahana 26 tapitrisa. Etsy ankilany koa anefa, tsy ferana ny hoe mety natsahatry ny Filoha Ravalomanana ny amin’ity fanomezana fankasitrahana 26 tapitrisa ity, fa mety nataony ho 7 tapitrisa na 5 tapitrisa izany, noho ny fahasahiranan’ny firenena hatramin’izao sy ny vavam-bahoaka izay diso nanakiana azy loatra. Hatramin’izao rahateo, tsy mbola nisy fanazavana ôfisaly ny amin’izay hanomezana na tsy hanomezana intsony io fankasitrahana nampanantenaina ny Minisitra mendrika io. Iza koa anefa no mahita na mety mbola ao ihany ny vola 26 tapitrisa, fa izay Minisitra mendrika ny omena an’izany mihitsy no tsy misy. Roa taona lasa no nandrenesana an’izay, saingy roa taona zary resabe fotsiny. Andriambelomasina

par © - Gazetiko -
le 01-09-2004
-
Rubrique : Politique -
LU 372 fois
Commentaires
Aucun commentaire posté.
Ajouter un commentaire