Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Global Voices Malagasy

Goyana Frantsay: Fitokonambe tsy misy milaza

sur GVM - le Wed, 03 Dec 2008 20:09:13 +0000

Nisafotofoto ny toe-draharaha any amin'ny faritry Goyana Frantsay efa herinandro mahery izay. Manohitra ny fiakaran'ny vidin'ny lasantsy amin'ny alalan'ny fametrahana barazy manerana ny lalana, fanakatonana ny sekoly sy orinasa ny mponina amin'izao fotoana izao. Amin'izao fotoana izao dia  ?1,77 isaky ny litatra ny vidin'ny lasantsy (US$ 2,25), izay mifandaka amin'ny...


Ezipta: Very Bolongana Ry Ezipsiana mpamahana azy

sur GVM - le Wed, 03 Dec 2008 20:08:49 +0000

Maro amin'ny mpamaham-bolongana Ezipsiana no very bolongana… Moa ve niniana naaton'ny mpampiatrano vohikala ireny bolongana ireny sa misy tanana tsy hita maso milalao any ambadiky ny sehatra? Tsy hitan'ilay Ezipsiana vavy Epitaph ny bolongany tamin'ny volana oktobra. Andro vitsy taorian'izay dia nanao izao fangatahana manaraka izao tany amin'ny Blogger mpampiatrano vohikala...


RDC: Sariitatra politika Kôngôley

sur GVM - le Wed, 03 Dec 2008 09:51:01 +0000

Vao iray volanaizay ny filoha Kôngôley no nanendry ny mpikambana ny governemanta vaovao mba hampitonena ny tsikera mihatra aminy noho ny tsy fahafehazany ny herisetra ataon'ny mpioko any amin'ny ilany atsinanan'ny firenena, ka maroamin'ny mpamaham-bolongana no matro-pijery amin'ny hoavin'ny firenena. Maro moa no manoratra ny tsy filaminana manjaka any Kôngô (jereo ny lahatsoratry...


Shina : Fitokonan?ny mpamily fiarakaretsaka, sendikà ary demaokrasia an-dalambe

sur GVM - le Wed, 03 Dec 2008 09:18:18 +0000

Nitokona nanditra ny iray volana ny mpamily fiarakaretsaka nanerana ny firenena. Tany Chongqin no nitranga ny fitokonana voalohany tamin?ny 3 Novambra teo, niitatra tany Hainan, Gansu, Yunnan, Shandong, Qingdao, Jinan, Fujian, Shantou, Wubei, Shaanxi ary tanàna hafa maro koa izany. Tahaka ny hoe nisy fitokonan?ny mpamily fiarakaretsaka ny 1 Desambra teo tany Guangzhou (efa fotoana lasa manko ka izay...


Amerika afovoany: ny vehivavy, ny haitao, ny fanabeazana.

sur GVM - le Tue, 02 Dec 2008 09:13:17 +0000

Sarim-panajana handraisana ny Tao Misy fanentanana iray antsoina hoe Take Back the Tech (Raiso an-tanana ny Haitao) izay mikendry ny hampiasa ny ?haitaon'ny fampahafantarana sy ny Fifandraisana (TIC) hampitsaharana ny herisetra Atao Amin'ny Vehivavy,? tahaka ny fanohizana ny ady amin'ny SIDA. Itony no iray amin'ny tetikasa maro manerantany izay mampirisika ny vehivavy tsy hatahotra...


Korea Avaratra any amin'ny bolongana

sur GVM - le Tue, 02 Dec 2008 07:41:40 +0000

Nanoratra ny fitsidihana nataony tany amin'ny tanànan'i Kaesong tany Korea Avaratra i Stray Blog . Iray tamin'ny fitsidihana farany azo natao tany Korea Avaratra ny diany mialoha ny nampiatoan'ny mpitondra ny fizahantany mihoatra sisintany. Nosoratan'i Stray Blog moa fa ny Korena tavaratra ihany no matiantoka amin'izao fanaaka-keviny izao. My visit to Kaesong City, North...


Nahoana no hamaham-bolongana ho an'i Afrika

sur GVM - le Tue, 02 Dec 2008 05:41:56 +0000

Andro vitsivitsy lasa izay dia nitagy ny mpamaham-bolongana namany i Théophile Kouamouo [Fr], mpamaham-bolongana mipetraka any Abidjan (Côte d'Ivoire), hilazalaza ny eritreriny tsirairay avy amin'ny antony hamahanam-bolongana momba an'i Afrika: Bloguons nous pour la diaspora et le vaste monde, coupé de nos contemporains sur le continent ? Blogue-t-on sur l'Afrique comme on blogue sur...


Madagasikara: Ady amin'ny fanamoramorana mandritra ny andro manerantany iadiana amin'ny SIDA

sur GVM - le Mon, 01 Dec 2008 19:54:05 +0000

Mampahatsiahy ny mpamaky azy ny mpamaham-bolongana mandritra ity andro manerantany iadiana amin'ny SIDA ity fa na dia eo aza ny fandrosoana misy eo amin'ny fisorohana ny VIH sy ny fitsaboana ny SIDA ity, dia tsy tokony ho moramorainy amin'ny fisorohana azy ny tsirairay. Nandritra “Ny tenin'ny Filoham-pirenena” fanaon'ny filoha Marc Ravalomanana no nampahatsiahiany...


Andro iadiana amin'ny SIDA manerantany: Ireo mitondra ny tsimok'aretina

sur GVM - le Sun, 30 Nov 2008 22:19:02 +0000

Ity taona ity no manamarika ny faha-20 taona ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA izay tanterahina isaky ny voalohany volana Desambra. Na dia tsapan'ny olona anarivoarivony amin'ny ankapobeny isan'andro aza ny fiantraikan'ny VIH sy ny SIDA dia ity kosa ny andro manokana hamphafantarana bebe kokoa ny amin'ity aretina ity. Ny lohahevitra raisin'ny andro iadiana amin'ny...


Karajia (Tchat) mivantana momba ny VIH/SIDA amin'ny 3 desambra

sur GVM - le Sun, 30 Nov 2008 19:57:10 +0000

Manomana karajia (Tchat) mivantana ho an'ny mpamaham-bolongana sy ny mpikatroka ny Rising Voices sy ny Global Voices amin'ny 3 Desambra 2008 ho avy izao (3 ota tolakandro ora ao Nairobi sy eto Madagasikara koa) ka ny lohahevitra amin'izany dia mikasika ny fomba ampiasana ny “media citoyen” na ny azon'ny olo-tsotra tia mampahalala vaovao atao amin'ny fanentanana  sy...




Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony
Feedback Form