Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Global Voices Malagasy

Iràka: 150 isan'andro ny fiezahana hipiraty ny bolongany

sur GVM - le Sat, 06 Sep 2008 20:52:41 +0000

?Nihoatra ny 50 ny fikasana hipiraty azy tao anatin'ny 30 mn, nihoatra ny 50 ny fikasana hipiraty ity bolongana ity. Izany no nitranga tao anatin'ny 4 andro izay raha nanodidina ny 3 isan'andro teo ho eo. Izany hoe mahatratra 150 ny fiezahana hipiraty azy isan'andro. Hmmmm?.Te-hahafantatra izay antony aho,? hoy ny fanontaniana'ilay mpamaham-bolongana Irakiana Layla Anwar.


Taiwan: Fitotonganan'ny tsenam-petra-bola ifampiraharahana

sur GVM - le Sat, 06 Sep 2008 20:52:40 +0000

Ny bolongan'i Michael Turton no miresaka ny fiantraikany amin'ny sehatra politika ny fihenan-danjan'ny tapakilam-pifampivarotam-petra-bola any Taiwan.


Angola: Fifidianana an-tsary maro

sur GVM - le Sat, 06 Sep 2008 20:15:22 +0000

Andro manokana ho an'i Angola ny andron'ny zoma 05 Septambra. Nazoto hifidy ireo mpikambana vaovao ao amin'ny Parilemanta tao anatin'ny 16 taona izao ny vahoaka taorian'ny fampielezan-kevitra mafotaka iny. Ity moa no fotoana voalohany ho an'ny maro hanararaotany mampiasa ny zony hifidy. Namonjy ny biraom-pifidianana mahatratra 12 000 eo ho eo ampilaminana ny maro, saingy mbola...


Kiobà: zato taona ny namorona ny hira ?Guantanamera?

sur GVM - le Sat, 06 Sep 2008 20:15:00 +0000

Teraka 100 taona katroka izay ilay namorona ny hira Kiobana malaza indrindra ?Guantanamera? nosoratan'i  Joseíto Fernández, ary nanoratra ny hira nandritra ny faha-20 ny taonany, hoy ny nosoratan'i VivirLatino.


Saribakoly avy amin'izao tontolo izao

sur GVM - le Fri, 05 Sep 2008 06:36:57 +0000

Mpamaham-bolongana Aositraliana  Ange, avy ao amin'ny Hegab-Rehab, no manoratra momba ny saribakoly vitsivitsy voangona avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao, misy saribakoly Miozolomana amin'izy ireo ary ny hafa kosa mifototra amin'ny fiaviana (foko) tsotra fotsiny.


Kiobà, Barbada, Etazonia: Ny kabarin'i Palin

sur GVM - le Fri, 05 Sep 2008 06:17:31 +0000

Raha 'somary nampiaiky azy kely ihany ny kabarin'i Palin (kandidà repobilikana miray lisitra amin'i McCain) halina' ny mpamaham-bolongana Kiobana ampielezana Babalu, Ilay mpamaham-bolongana Barbadiana ampielezana Jdid kosa niteny hoe: ?Niezaka ny hitsikera an'i Obama amin-javatra tsy dia misy dikany efa nitsikerana azy taloha izy, tsy namaky lay tamin-javatra hafa izy ary amin'ny...


Ezypta : Miarahaba tonga soa ny volana masin?ny Ramadany

sur GVM - le Fri, 05 Sep 2008 04:15:07 +0000

Ny volana masin?ny Ramadany, nanomboka ny Alatsinainy teo, dia manana ny tsirony manokana any Azypta, ka noravàhana hifanaraka amin?izany ny lalàm-be rehetra.Mpitoraka blaogy iray no maneho ny lokony sy mitondra antsika eo anivon?izany fankalazàna izany Vehivavy ezyptiana iray mpitoraka blaogy SaSa no mitanisa ao amin?ny blaoginy Stories from the Past (Ny tantaran?ny Lasa) [amin?ny teny Arabo] , nivoaka...


Fa aiza mihitsy ary no mipetraka ny mpandika tenin' ny Global Voices?

sur GVM - le Wed, 03 Sep 2008 13:57:28 +0000

Ny mpandika tenin'ny Global Voices Lingua izao dia mamoaka ity tranonkala ity amin'ny teny dimy ambiny folo isankarazany (18 raha isaina koa ny tranonkala vaovao Swahili, Rosiana ary Serbiana) mamela ny olona eran-tany tsy miteny anglisy mba handray anjara koa ao amin'ny fifanakalozana hevitra. Nandray mpandika teny manome miasa maimaim-poana fitopolo avy amin'ny tany miisa fara faharatsiny...


Moyen-Orient : Momba sy manohitra ny fandaharana amin'ny fahitalavitra mandritry ny Ramadany

sur GVM - le Wed, 03 Sep 2008 12:14:28 +0000

Vao manomboka ny volan'ny Ramadany izao ary ireo mpijery fahitalavitra miteny arabo dia samy efa tsindrian-daona miandry izay fandaharana haroson'ny fahitalavitra voaomana ho amin'izany ny hariva. Ireo mpitoraka blaogy jordaniana, saodiana sy ny avy any Barheïn dia mifanpizara ny fomba fijeriny manodidina ireo fandaharana be mpanaraka mandritry ny Ramadany. Avy any Barheïn, zendana i Sami...


Madagasikara: Mpanao politika mpanohitra nosamborina

sur GVM - le Tue, 02 Sep 2008 11:53:23 +0000

Gazety Avylavitra no namoaka sary vitsivitsy ny nisamborana mpitarika mpanohitra iray nosamborina ampahibemaso indrindra dia Atoa Henri Lecacheur tao amin'ny toerana misy ny tsena (taloha) ny zoma maraina (8/29/008) ary polisy misarontava no nisambotra azy (mg).




Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony