Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Global Voices Malagasy

sur GVM - le Thu, 21 Aug 2008 22:58:01 +0000

Nambaran'i Pablo Flores fa ho avy ny andiany faharoa amin'ny fihaonan'ny Ceibal ao Montevideo, any Orogoay [es]. Fihanonana, tsy ofisialy, ataon'ireo mpahay informatika moa izy ity mba hamoronana rindrankajy “open-source” ho amin'ny solosaina XO.


Ejypta : Taorian'ny afo tao amin'ny antenimiera

sur GVM - le Thu, 21 Aug 2008 22:46:43 +0000

Mampihomehy sady mahavery hevitra ny fahitan'ny mponina ny nandevonan'ny afo ny trano tao amin'ny antenimiera androany. Tsy mampino, fa tena misy mihitsy nefa ireo faly noho ny nandevonan'ny afo ilay trano. Resahin'i Zeinobia ato ny fihetse-pon'ny mponina : They are happy seriously happy in a way you can?t imagine , of course today the fire of the Shura Council is still the...


Keny : Mila ny fanampian'ny ICT board ve ireo mpikirakira rindrankajy ?

sur GVM - le Thu, 21 Aug 2008 20:04:02 +0000

“Mila ny fanampian'ny ICT board ve ireo mpikirakira rindrankajy eto an-toerana ? ” hoy i Al Kags raha miresaka ny famokarana rindrankajy ao Kenya.


Ejypta : Nirehitra ny tranon'ny antenimiera

sur GVM - le Thu, 21 Aug 2008 10:12:56 +0000

Hatairana ny an'ireo mpitoraka blaogy avy ao Ejypta noho ny firehetan‘ny tranon'ny antenimiera any an-toerana androany maraina. Na dia mbola eo ampiandrasana ny filazana izay antony nampirehitra ity tranobe nahorina tamin'ny taon-jato faha-19 ity aza ireo mpitoraka blaogy dia maresaka aoka izany … ary manao ny fanamarihan'izy ireo. Nitantara amin'ny antsipirihany ny...


Iran : Ao amin'ny Yahoo ihany ny anaran'i Iran

sur GVM - le Wed, 20 Aug 2008 11:06:20 +0000

Araka ny nolazain‘i Kourosh Ziabari dia naverin'ny Yahoo mail ao amin'ny lisitry ny firenena ao amin'ny takelaka fisoratana anarany i Iran rehefa nalany tao nandritra ny volana maromaro.


Ejypta : Olo-manga arabo telo no nodimandry

sur GVM - le Wed, 20 Aug 2008 10:53:44 +0000

Very olo-manga teo amin'ny lafiny kolotsaina telo be izao ny tontolo Arabo tao anatin'ny iray volana ; dia i Dr Abdel Wahab El Miseiri, filozofy sy ilay mpamokatra sarimihetsika Youssef Chahine samy avy ao Ejypta - ary ny poeta palestiniana Mahmood Darwish. Izay no resahin'i ElGharep, na The Stranger, mpitoraka blaogy avy any Ejypta ato amin'ity lahatsoratra ity [Ar]. ?? ???? ???...


Libanona : Ny lalao olympika ao Beijing

sur GVM - le Tue, 19 Aug 2008 23:03:48 +0000

Na dia kely aza ny fandraisana anjaran'ireo Libaney amin'ny lalao Olympika any Beijing, dia tsara marihina fa in-dray mandeha ihany no tsy nanana solo-tena tamin'ny lalao Olympika i Libanona hatramin'ny 1948. Ny fandraisan'anjaran'i Libanona amin'ity lalao ity no resahin'i Ajnabiya ao amin'ny lahatsorany farany.


Pakistana : Inona indray no hitranga aorian'i Musharraf ?

sur GVM - le Tue, 19 Aug 2008 22:57:12 +0000

Nanao tatitra ny nolazain'ireo filazam-baovao iraisam-pirenena taorian'ny fialan'ny filoha Pakistaney Musharraf i Kamla Bhatt.


Paragoay : Sary tamin'ny fandraisan'ny filoha ny fahefana ao amin'ny Flickr

sur GVM - le Tue, 19 Aug 2008 12:39:52 +0000

Tamin'ny faha-15 Aogositra lasa teo no nanao fihanihanana i Fernando Lugo, Eveka Katolika taloha ary lasa filoham-pirenena ao Paragoay. Nampientana ny vahoaka paragoaiana, na ny any an-toerana na ireo monina any ivelany izao fandraisan'ny filoha ny toerany izao. Misy sary ao amin'ny flickr ho an'ireo tsy afaka nanotrona ny lanonana tany Asuncion. Tamin'ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra...


Fanamiana Hijab amin'ny Olympika

sur GVM - le Tue, 19 Aug 2008 12:08:10 +0000

Nizara sarin'ireo mpanao fanatanjahan-tena tamin'ny lalao Olympika izay manao Hijab ny blaogy anglisy Hijab Style. Hita ao amin'ny sary i Ruqaya al Ghasara avy ao Bahrain sy Waseelah Fadhl Saad avy ao Yemen.




Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony