

Publicité
Derniers Clips gasyAraka ny nolazain‘i Kourosh Ziabari dia naverin'ny Yahoo mail ao amin'ny lisitry ny firenena ao amin'ny takelaka fisoratana anarany i Iran rehefa nalany tao nandritra ny volana maromaro.
Very olo-manga teo amin'ny lafiny kolotsaina telo be izao ny tontolo Arabo tao anatin'ny iray volana ; dia i Dr Abdel Wahab El Miseiri, filozofy sy ilay mpamokatra sarimihetsika Youssef Chahine samy avy ao Ejypta - ary ny poeta palestiniana Mahmood Darwish. Izay no resahin'i ElGharep, na The Stranger, mpitoraka blaogy avy any Ejypta ato amin'ity lahatsoratra ity [Ar]. ?? ???? ???...
Na dia kely aza ny fandraisana anjaran'ireo Libaney amin'ny lalao Olympika any Beijing, dia tsara marihina fa in-dray mandeha ihany no tsy nanana solo-tena tamin'ny lalao Olympika i Libanona hatramin'ny 1948. Ny fandraisan'anjaran'i Libanona amin'ity lalao ity no resahin'i Ajnabiya ao amin'ny lahatsorany farany.
Nanao tatitra ny nolazain'ireo filazam-baovao iraisam-pirenena taorian'ny fialan'ny filoha Pakistaney Musharraf i Kamla Bhatt.
Tamin'ny faha-15 Aogositra lasa teo no nanao fihanihanana i Fernando Lugo, Eveka Katolika taloha ary lasa filoham-pirenena ao Paragoay. Nampientana ny vahoaka paragoaiana, na ny any an-toerana na ireo monina any ivelany izao fandraisan'ny filoha ny toerany izao. Misy sary ao amin'ny flickr ho an'ireo tsy afaka nanotrona ny lanonana tany Asuncion. Tamin'ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra...
Nizara sarin'ireo mpanao fanatanjahan-tena tamin'ny lalao Olympika izay manao Hijab ny blaogy anglisy Hijab Style. Hita ao amin'ny sary i Ruqaya al Ghasara avy ao Bahrain sy Waseelah Fadhl Saad avy ao Yemen.
Nangingina ny resaka politika teo anivon'ireo mpitoraka blaogy avy any Kazakhstana noho ny lalao Olympika. Mahasorena an'i Alim Atenbek ny fanamiana nanaovan'ny ekipa avy ao Kazakhstana [ru]: Officials always want to make a buck on everything, and the Olympiad is not an exclusion. The government allocated 68 milion tenge for 226 kits - or 2,500 US dollars for each - but eventually the...
Namoaka horonan-tsary hampielezana ny fifaninanana amin'ny filazam-baovao avy amin'ny firairay ny sampana Citizen News ao amin'ny You Tube. Horonan-tsary amin'ny teny Anglisy, latsaka ny 3 minitra ny faharetany, ary mikasika olona iray eo amin'ny fiaraha-monina izay heverina fa tokony ho fantatry izao tontolo izao ny momba azy no ho raisin'izy ireo amin'izany. Amin'ny...
Araka ny kajikajy nataon'i Margarete, avy ao amin'ny The foreigner's guide to living in Slovakia dia fahafolo i Slovakia amin'ny isan'ny medaly isan'olona tamin'ny lalao Olympika, raha i Slovenia no voalohany.
Nisy nanokatra blaogy vaovao : Bronze Brasil 2008 ho fananihaniana ny vokatra azon'ireo atleta Braziliana tamin'ny lalao Olympika ao Beijin. “Toa rava tanteraka ny nofinofintsika handresy ny record amin'ny lalao Olympika noho izao fahazoantsika ny medaly alimo faha-5 izao. Medaly alimo 5. Andro 6 no nilalaovana. Mety ho tanteraka ny nofinofy. Antsika ny alimo”.