

Publicité
Derniers Clips gasyMpamaham-bolongana Aositraliana Ange, avy ao amin'ny Hegab-Rehab, no manoratra momba ny saribakoly vitsivitsy voangona avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao, misy saribakoly Miozolomana amin'izy ireo ary ny hafa kosa mifototra amin'ny fiaviana (foko) tsotra fotsiny.
Raha 'somary nampiaiky azy kely ihany ny kabarin'i Palin (kandidà repobilikana miray lisitra amin'i McCain) halina' ny mpamaham-bolongana Kiobana ampielezana Babalu, Ilay mpamaham-bolongana Barbadiana ampielezana Jdid kosa niteny hoe: ?Niezaka ny hitsikera an'i Obama amin-javatra tsy dia misy dikany efa nitsikerana azy taloha izy, tsy namaky lay tamin-javatra hafa izy ary amin'ny...
Ny volana masin?ny Ramadany, nanomboka ny Alatsinainy teo, dia manana ny tsirony manokana any Azypta, ka noravàhana hifanaraka amin?izany ny lalàm-be rehetra.Mpitoraka blaogy iray no maneho ny lokony sy mitondra antsika eo anivon?izany fankalazàna izany Vehivavy ezyptiana iray mpitoraka blaogy SaSa no mitanisa ao amin?ny blaoginy Stories from the Past (Ny tantaran?ny Lasa) [amin?ny teny Arabo] , nivoaka...
Ny mpandika tenin'ny Global Voices Lingua izao dia mamoaka ity tranonkala ity amin'ny teny dimy ambiny folo isankarazany (18 raha isaina koa ny tranonkala vaovao Swahili, Rosiana ary Serbiana) mamela ny olona eran-tany tsy miteny anglisy mba handray anjara koa ao amin'ny fifanakalozana hevitra. Nandray mpandika teny manome miasa maimaim-poana fitopolo avy amin'ny tany miisa fara faharatsiny...
Vao manomboka ny volan'ny Ramadany izao ary ireo mpijery fahitalavitra miteny arabo dia samy efa tsindrian-daona miandry izay fandaharana haroson'ny fahitalavitra voaomana ho amin'izany ny hariva. Ireo mpitoraka blaogy jordaniana, saodiana sy ny avy any Barheïn dia mifanpizara ny fomba fijeriny manodidina ireo fandaharana be mpanaraka mandritry ny Ramadany. Avy any Barheïn, zendana i Sami...
Gazety Avylavitra no namoaka sary vitsivitsy ny nisamborana mpitarika mpanohitra iray nosamborina ampahibemaso indrindra dia Atoa Henri Lecacheur tao amin'ny toerana misy ny tsena (taloha) ny zoma maraina (8/29/008) ary polisy misarontava no nisambotra azy (mg).
Hafaliana no nitsenan'ny palestiniana ny famotsorana ireo voafonja 199 tany Israely. Tamin'ny Alatsinainy no nambara ny famotsorana azy ireo, ary mety nokendrena hifanindry amin'ny fahatongavan‘i Condoleezza Rice any Israely. Efa imbetsaka moa no nahemotry ny mpanatanteraka Israeliana ity famotsorana ireo voafonja ity ary nanao fifidianana telo izy ireo mikasika ity raharaha ity....
Androany no hatao ny fitsarana an'i Yang Jia, rehefa nahemotra noho ny lalao olympika. Niditra tao amin'ny tobin'ny mpitandro filaminana ao Shangai izy tamin'ny volana iny, ary namono mpitandro filaminana 6. Araka ny voalaza dia noho ny tsy fahamarinana nataon'ireo mpitandro filaminana sy ny herisetra nataon'izy ireo tamin'ny Yang Jia no nahatonga azy nanao izao fihetsika...
Namoaka lahatsoratra mitsikera ny governemanta any Iran ao amin'ny blaoginy i Ali Akbar Javanfekr, mpanolotsainan'ny filoham-pirenena any an-toerana. Tranga iray tsy mahazatra ao Iran izao.
Nampiasa orana vitan'olombelona ny governemanta ao Beijing tamin'ny lalao olympika mba hahatsara ny andro tamin'ny lanonam-panokafana sy famaranana ny lalao. Tokony nilaza mialoha tamin'ny mponina ny governemanta, hoy i Lui Li rehetra nanana hevitra hanova ny toetr'andro tahaka izany.