

Publicité
Derniers Clips gasyHafaliana no nitsenan'ny palestiniana ny famotsorana ireo voafonja 199 tany Israely. Tamin'ny Alatsinainy no nambara ny famotsorana azy ireo, ary mety nokendrena hifanindry amin'ny fahatongavan‘i Condoleezza Rice any Israely. Efa imbetsaka moa no nahemotry ny mpanatanteraka Israeliana ity famotsorana ireo voafonja ity ary nanao fifidianana telo izy ireo mikasika ity raharaha ity....
Androany no hatao ny fitsarana an'i Yang Jia, rehefa nahemotra noho ny lalao olympika. Niditra tao amin'ny tobin'ny mpitandro filaminana ao Shangai izy tamin'ny volana iny, ary namono mpitandro filaminana 6. Araka ny voalaza dia noho ny tsy fahamarinana nataon'ireo mpitandro filaminana sy ny herisetra nataon'izy ireo tamin'ny Yang Jia no nahatonga azy nanao izao fihetsika...
Namoaka lahatsoratra mitsikera ny governemanta any Iran ao amin'ny blaoginy i Ali Akbar Javanfekr, mpanolotsainan'ny filoham-pirenena any an-toerana. Tranga iray tsy mahazatra ao Iran izao.
Nampiasa orana vitan'olombelona ny governemanta ao Beijing tamin'ny lalao olympika mba hahatsara ny andro tamin'ny lanonam-panokafana sy famaranana ny lalao. Tokony nilaza mialoha tamin'ny mponina ny governemanta, hoy i Lui Li rehetra nanana hevitra hanova ny toetr'andro tahaka izany.
Mitokona ny mpianatra ao amin'ny Oniversite any Dakara, Senegal noho tsy ny nandohavan'ny fanjakana ny vatsim-pianarana. “Raha miady mafy any Beijing ireo atleta avy amin'izao tontolo izao mba handresy ny zava-bita tsara indrindra eo amin'ny fanatanjahan-tena, dia miezaka kosa ireo mpianatra ao amin'ny Oniversite Cheikh Anta Diop ho tompon-daka amin'ny fitoraham-bato”,...
Nambaran'i Pablo Flores fa ho avy ny andiany faharoa amin'ny fihaonan'ny Ceibal ao Montevideo, any Orogoay [es]. Fihanonana, tsy ofisialy, ataon'ireo mpahay informatika moa izy ity mba hamoronana rindrankajy “open-source” ho amin'ny solosaina XO.
Mampihomehy sady mahavery hevitra ny fahitan'ny mponina ny nandevonan'ny afo ny trano tao amin'ny antenimiera androany. Tsy mampino, fa tena misy mihitsy nefa ireo faly noho ny nandevonan'ny afo ilay trano. Resahin'i Zeinobia ato ny fihetse-pon'ny mponina : They are happy seriously happy in a way you can?t imagine , of course today the fire of the Shura Council is still the...
“Mila ny fanampian'ny ICT board ve ireo mpikirakira rindrankajy eto an-toerana ? ” hoy i Al Kags raha miresaka ny famokarana rindrankajy ao Kenya.
Hatairana ny an'ireo mpitoraka blaogy avy ao Ejypta noho ny firehetan‘ny tranon'ny antenimiera any an-toerana androany maraina. Na dia mbola eo ampiandrasana ny filazana izay antony nampirehitra ity tranobe nahorina tamin'ny taon-jato faha-19 ity aza ireo mpitoraka blaogy dia maresaka aoka izany … ary manao ny fanamarihan'izy ireo. Nitantara amin'ny antsipirihany ny...
Araka ny nolazain‘i Kourosh Ziabari dia naverin'ny Yahoo mail ao amin'ny lisitry ny firenena ao amin'ny takelaka fisoratana anarany i Iran rehefa nalany tao nandritra ny volana maromaro.