Recherche
Publicité
Derniers Clips gasyAndro vitsy lasa izay, drugoi, iray amin?ireo mpitoraka blaogy rosiana isan?ny be mpahalala sy malaky misandrahaka indrindra, dia nandefa tamin?ny LiveJournal, izay fampiasany, sary 17 maneho tangoron-trano iray ao Mosko, niorina fony vaninandro Khrouchtchev ( fiantso azy ireny mahazatra ny hoe khrouchtchevki, na pyati etajki, rihana dimy, na koa hoe khrouchtchoby, izay azo adika tsotra hoe trano...
Araka ny nolazain'i Danwei dia namoaka lalanan'ny fifamoivoizana vaovao ny ao Beijing izay ampiharina mandritra ny lalao Olympika. Ankoatra ny fepetra hafa, dia ny fiara mitondra laharana miafara amin'ny isa tsy an-kasa ihany no afaka miriaria manomboka ny faha-20 Jolay hatramin'ny faha-20 Septambra 2008. Araka ny vinavinan'ireo tompon'andraikitra moa dia hihena any amin'ny...
Tamin'ny Alarobia teo dia nanaiky ny parlemanta iraniana ny hiadiana hevitra mikasika ny volavolan-dalana izay “hanamafy kokoa ny sazy ho an'izay manohitohina ny filaminan-tsaina eo amin'ny fiaraha-monina”. Araka io volavolan-dalana io moa dia ho atao isan'ireo heloka mety hampiarana ny fanamelohana ho faty ny “fanaovana tranokala na blaogy manindraindra ny kolikoly,...
Noho ny fidangan?ny vidin-tsolika, maro ireo firenena avy any Azia Atsimo-Atsinanana no nanamafy ny ezaka ho fitrandràhana loharanon?angovo hafa ho fanolo. Eny fa na dia ireo firenena mpamokatra solitany toa an?i Malezia, Indonezia sy Brunei aza dia samy mampiasa vola hitrandraka angovo azo avaozina avokoa. Tena andrandraina sy ilaina ny fampiasàna angovo fanolo. Niteraka hetsi-panoherana goavana...
Mizara ny tantara mahatsiravina nahazo azy i Tunisianbelle, ny nisavana azy sy ny nandrovitana ny akanjony, ary niafara tamin'ny fahatarany tamin'ny fiara-madinina novonjeny … izany rehetra izany noho ny fomba fiakanjony fotsiny.
Niara-niravoravo tamin'ny vahoaka Kôlômbiana ny faritry Amerika Atsimo [Latina] iray manontolo raha vao nahare ny vaovao fa Rtoa Ingrid Betancourt sy olona 14 hafa izay nalaina sy notazonina an-keriny no avotra. Rtoa Betancourt, teratany Amerikana 3 sy miaramila Kôlômbiana 11 no indray afaka taorian'ny andram-panavotana nampitondraina ny anarana teti-panorona hoe ?Jaque.? Mpiblaogy avy amin'ny...
Sary marobe, lahatsoratra ary hafatra maro mikasika ny tohin'ny dian'i Michael J. Totten's any Albanìa, sy Montenegrô ary Kôsôvô. [Ity dia mbola tohin?ilay lahatsoratra efa notaterina teto ihany : Michael J. Totten mpizahatany]
Tienen Huevo mankalaza ny fanafahana an-dRamatoa Ingrid Betancourt izay nalain'ny Mpiady anaty akatan'ny FARC ary notazoniny an-keriny [nandritra ny 2318 andro] any Kôlòmbia : Bienvenida Ingrid… Estamos a la espera de recuperar el tiempo perdido… ?Tongasoa Ingrid… Tsy andrinay ny hanonerana izay fotoana very izay… ? [FANAMPIM-PANAZAVANA : kandida ho filoham-pirenena,...
Patrick Frost no manapariaka ao amin'ny Central Asia [Ivon'i Azia] mikasika ny toe-draharaha politika izay toa mihotrakotraka any Tadzikistana : Tajikistan, already one of the world?s poorest nations, has suffered much this year with a harsh winter, continuing health concerns, and with rising food prices. But the worse could be yet to come as its President Rahmon?s rule appears to be showing...
Shalom Rav no manala sarona ao amin'ny Jewschool [sekoly Jiosy] fa Israely hono no firenena fatra-pihinana voanjo indrindra eran-tany, misy anefa tatitra nivoaka vao tsy ela manambara fa mety ho fanondranana voanjo an-tsokosoko avy any Iran no foto-pamatsiana voalohany izany tsena goavana any Israely izany : Anyone with even a passing knowledge of Israeli snacking habits will attest that Israel...