Recherche
Publicité
Derniers Clips gasyEfa vonona ny soritr'asa fampitohizana amin'ny alalan'ny fiaran-dalamby haingam-pandeha ny tanànan'i Buenos Aires sy Rosario ary Córdboa izay mitentina 4 miliara dollars ety ampanombohana. Manolotra lisitra lavabe ny antony ilazany fa hevitra tsy masaka io soritr'asa io ary hanimba vondron'olona maro isan-kazarany. [es]
?Teny an-dalana mankany amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen'i Beirota no nitenenan'ny mpikamban'ny ‘Fivondronan'ny Sembana' sy ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana tamin'ny mpanao politika, tompondakan'ny ady (Seigneurs de la guerre), ny be fihetsiketsehana sy ny akamany ny tsy hiverenenany any an-toerana mihitsy raha mbola tsy milamina...
Manangona ny vaovao nandritra ny herinandro i Ny Mpandinika Armeniana (The Armenian Observer) ary milazalaza ny heviny ihany koa. Efa nampoizina ihany ny lohahevitra nibahana tamin'ny fampahalalam-baovao fa ny toe-draharaha taorian'ny fifidianana, ny tena nifantohan-dresaka tamin'ny vaovao tao an-toerana moa dia nirona tamin'ny adin'izy mirahalahy nitondra voalohany ny firenena...
Niteny i Anthony Lowenstein fa ?eo ampakana hevitra? hahazoana mitory ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad ankehitriny ny lehiben'ny fampanoavana Robert McClelland,ao Aostralia, noho ny resany mikasika ny ?fandravana? an'Isiraely. Mizara ny heviny mikasika izany tantara izany i Anthony.
Lulu izay mpiblaogy Jordaniana monina any Amerika no manapariaka ao amin'ny memoirs of Lulu [ireo tahirin'i Lulu] mikasika ny fasana ambanin'ny ranomasina hoan'ireo izay tia ny ranomasina fahavelony any Florida, Amerika : The Neptune Memorial Reef as a uniques resting spot for people who loved the sea. It is also a heaven for divers : About 14 metres beneath the ocean's surface...
Araky ny tatitra voaray dia manamboninahitry ny tafika sy mpitarika ny antoko mpanohitra maromaro no nosamborina tany Malawi noho ny fiheverana azy ireo ho ?nanomana fanonganam-panjakana.? Kondwani Munthali izay sady mpanao gazety no mpiblaogy Malawiana dia mihevitra fa mandalo vanim-potoana mahaliana ary madiva hangotraka ny rano [ilomanozan'ny] pôlitika any Malawi. Avy any Lilongwe izay itoerany...
Traveler [mpizahatany] no manapariaka ao amin'ny blaogy Stepping Stones [mitsambikina ambony harambato] andiantsary trano miravaka loko marevaka nalaina tany Tirana, any Albania : Can you imagine what it is like to live in a city with buildings this fantastic???? It's been a grey, overcast day and I thought it was time for some cheery colour! Enjoy! ?Asa raha azonareo an-tsaina hoe manakory...
Boni Dulani no manapariaka ny fijeriny izay heveriny ho sarintsarina ?fanomana fanonganam-panjakana? any Malawi : Call me naïve, but some things do not add up to this alleged new ?coup plot? against the Mutharika presidency. Instead, it gives me a sense of déjà-vu: taking us back to the dark days of the Banda presidency. ?Tsy maninona fa ataovy hoe izaho no ?Zefa? [dondrona] fa misy zavatra tsy mazavazava...
Cryton Chikoko no mitatitra ao amin'ny blaogy Stories on Malawi [tantara mikasika an'i Malawi] fa misy olona maro hafa izay nosamborina noho ny fiampangana azy ireo ho ?nanomana fanonganam-panjakana? tany Malawi : Malawi has arrested two senior army officers for plotting to overthrow the government, police said on Wednesday, a day after the arrest of two opposition leaders on the same charges. ?Manamboninahitry...
Vao tsy ela izay, no nanatanterahan'ny antoko [eo amin'ny fitondrana] UDF [United Democratic Front ] ny fihaonambeny sy ny nifidianany ny filoha taloha Bakili Muluzi ho kandidan-dry zareo amin'ny fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahaina amin'ny taona ho avy any Malawi [2009]. Ny filoha lefitry Malawi, ny Dr Cassim Chilumpha izay ambany fiampangana ho mpamadika no mba mpifaninana...