Recherche

Publicité
Derniers Clips gasyMisy any amin?ny firenen-drehetra ny asa an-tsitrapo, saingy ny antony mandrisika ny mpirotsaka an-tsitrapo no miovaova be ihany. Mpitoraka blaogy iray avy ao Bahreïn, mandranto fianarana any Royaume-Uni amin?izao fotoana izao, no manao fampitahàna ny antony mandrisika ireo mpirotsaka an-tsitrapo any amin?ny fireneny sy ny any amin?ny firenena tandrefana. Atombok?i Sayed Mahmood Alaali[arabo] amin?ny...
Ampoky ny fifaliana izahay, vahoakan'i Afrika Atsimo, fa naverin'ny zanak'olombelona ho amin'ny fivelaranay, izahay, izay noheverina ho dahalo fotoana vitsy lasa izay, no nomena tombondahiny naiditra ho ao anatin'ny fiaraha-monina iraisam-pirenena eto amin'ny taninay manokana. ? teny avy amin'i Nelson Mandela's nandritra ny fitokanana azy ho Filoham-pirenen'i Afrika...
Stuff Armos Like, mijery tsy misorona ny fahazaran(-dratsy) Arimeniana, no miteny fa raha mahazo vahana fatratra any amin'ny faritra maro hafa ny vondrom-panerena hanoherana ny fifohana sigara, dia azo heverina ho mamaka lalina amin'ny zavamisy Arimeniana kosa ny sigara. Vazivazian'ny bolongana moa fa na ho voarara any amin'ny firenenkafa rehetra aza ny fifohana sigara, dia mbola...
Hélio Paz [pt] no miantso ny rehetra handray anjara amin'ny filaharambe ampilaminana hitakiana ny hanadihadiana ny filohan'ny Fitsarana Tampony Atoa Gilmar Mendes ahiahiana ho nanao kolikoly . ?Hataontsika ho faharoa tafiditra amin'ny tantara taorian'ny fihetsiketseha-mpanoherna tao Porto Alegre ity raha ity?. Hanomboka amin'ny folo maraina ao Brique da Redenção ity famoriam-bahoaka...
Ampangaina noho ny fanendrikendrehana famonoana olona ilay mpamaham-bolongana Malaysiana malaza Raja Petra Kamarudin. I Benstakes no mampahafantatra antsika ny fifandraisan'io fiampangana io amin'ny “fanendrikendrehan'ny ” mpamaham-bolongana ny vadin'ny Praiminisitra ho tafiditra tamin'ny famonoana ilay mpilatro Môngôla.
Jayne Taylor Gaubatz, mpanolotena ao amin'ny Vondron'ny mpitandro fandriampahalemana ( Corps de la Paix) mpamaham-bolongana ao atsimon'ny tanànan'i Fianarantsoa, no mitantara ny fiantraikan'ny afisy miresaka ny fandrindra-mpiterahana tsara soritra iray, ny maha-zava-dehibe ny fandanjana ny zaza ary ny nanatrehany hira-na chorale indray mandeha [en].
Mialy, mpamaham-bolongana avy eto Antananarivo, no mamelabelatra ny fahoriana mianjady amin'ny zazavavy manambady [fr] any ambanivohitra noho ny olana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana vokatry ny fanambadiana aloha loatra. Azavainy ary fa ny fistule (fahasimban'ny taova toy ny lalanjaza), vokatry ny fiterahana aloha loatra, ka miteraka tsy fahatazonana fivalanandrano (tsy matatanty poritra)...
Toy ny rano atapoka sosoa indroa misesy ny filazalazana entina iarovana ny zon'ny mpamorona, tsy misy mpamaham-bolongana mahazo mametraka sary na mandefa lahatsary mikasika ny lalao olaimpika amin'ny bolongany. Ankoatra izany, maro ihany koa ny fepetra noraisina hiarovana ny mpanohana ny lalao Olaimpika, hosakanana mandritra ny fanatontosana ny lalao olaimpika ny dokambarotra sasany ( hafa)...
Tom Terry no mampahafantatra ny mpamaky fa nosivanin'ny vaomiera maharitry ny mpanao lalàna ao amin'ny Antenimiera ny TV-mpirenena Mongoliana (MNTV) noho ny tsy fahasahiany nanao ny asa maha-manao gazety azy tamim-pahaleovantena nandritra ny rotaka (ilay fandorana ny foiben'ny antoko komonista teo aloha) teo sy ny nanarahany ny fametrahan'ny filoha ny firenena ho latsaka an-katerena...
Noresahin'i Théophile Kouamouo [Fr] ny hetsika manokana iadiana amin'ny kolikoly baikon'ny filoha Laurent Gbagbo tany Cote d'Ivoire. Hoy ny sorany: ?Hotsaraina ny Oloben'ny orinasan-kafe sy Cacao. Fa tsy hiresaka betsaka momba ny fahadiovan'ireo mitsara azy isika. Marefo tahaka ny mpanao politika Ivoariana ihany ny Fitsarana[?] Mila fiovan'ny toe-tsaina marina tokoa isika,...