|
EFJR
Messages: 281
|
 |
Re: ny fitiavana
« Réponse #1 le: 03-10-2005 à 20:35:00 » |
Citation
|
Miarahaba anao, tompoko
Traikefa hita maso sy niainana hatramin'izay dia nampihaihary tokoa fa mahery ny fitiavana ary ambony sy masina. Inoako tanteraka fa ny zavatra atao am-pitiavana no mampisosa ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy mampirindra ny fifandraisantsika eo amin'ny fiaraha-monina. Ny zavatra atao am-pisainana feno fitiavana no maharitra sy mitondra fahombiazana fa ny zavatra atao am-pisainana tsisy fitiavana dia matetika tsy lasa lavitra sy tsy maharitra. Minoa ahy ianao ! Na dia betsaka ny olona tsy manam-pitiavana eto an-tany dia afaka miteny aho fa mbola betsaka kokoa ny manam-pitiavana matoa mbola tahaka izao isika olombelona. Ny fitiavana dia ao Andriamanitra. Izay tsy miaraka amin'Andriamanitra dia azo lazaina ho tsy manam-pitiavana. Andriamanitra ihany no mahery na rahoviana na rahoviana. Manasa anao aho hamaky ilay boky nosoratan'i Michel QUOIST mitondra ny lohateny hoe : REUSSIR. Ao anatin'io boky io dia voalazan'i Michel QUOIST fa ny fahombiazana (réussite) noheverin'ny olona dia ny vola aman-karena sy ny fananana toerana ambony eo amin'ny asa sy ny fiaraha-monina. Ny fahombiazana dia ny fananana laza tsara amin'izao fiainana izao. Tsy izany anefa no tena fahombiazana, hoy i Michel Quoist, fa Andriamanitra. Ny fananana an'Andriamanitra no fahombiazana. Ny fanananao an'Andriamanitra no fahombiazanao tanteraka eo amin'ny fiainanana. Raha te hamaly ahy ianao dia ity no e-mail-ko : efjr@wanadoo.fr
Mirary soa indrindra, tompoko
EFJR
efjr@wanadoo.fr
|