Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Malagasy
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: TAOM-BAOVAO MALAGASY 2008  (Lu 230 fois)
Soahanitra

Messages: 1


TAOM-BAOVAO MALAGASY 2008
« le: 09-04-2008 à 19:21:58 »
Citer en réponseCitation

NY TAOM-BAOVAO MALAGASY 2008 dia hankalazaina ny volana Marsa-Aprily, toy ny fanao hatramin' ny tany gasy. Lanonana maro no karakaraina amin' izany fotoan-dehibe izany. Efa nanomboka nankalaza izany ny mpitia kolotsaina sy fomba tao amin' ny Tahala Rarihasina, tamin' ny 08 Marsa teo.

Eny Alasora indray, toerana nipoiran' ny Mpanjaka Rafohy sy Andrianamponga II ary Andriamanelo (Taonjato faha-16), no hifamotoana ny mpanaja ny kolotsaina sy mpandala ny fomba malagasy, miaraka amin' ny Terak'Imerimanjaka sy Alasora ary ny Trano Koltoraly malagasy, hankalaza izany Taom-Baovao Malagasy izany amin' ny Asabotsy 06 sy Alahady 07 Avril 2008 ho avy izao.

Ry zareo eny Ampandrana, tendrombohitra somary atsimon'Anosizato, toerana loharanon' ny Mpanjaka Rafrandrana, Ramasindohafandrana, Rafandrandava ary Rafandrampohy (tamin' ny Taonjato faha-15), miaraka amin' ny Fikambana Solofon'Ampandrana, dia hankalaza izany ihany koa ny Asabotsy 06 sy Alahady 07 Avrily izao, ary manasa ny vahoaka rehetra.

Ary mbola hifamotoana eny amin' ny La Résidence, Ankerana, indray ny besinimaro, hanohy ny fankalazana izany Taom-Baovao izany, ny Asabotsy 12 APRILY sy Alahady 13 APRILY 2008, miaraka amin' ny Fikambana Mamelomaso, Trano koltoraly Malagasy, Fikambanan' ny mpikabary, ORTANA, Mpihira gasy sy Vako-drazana ary ny Kalon' ny Fahiny, ary ireo mpandraharaha ara-toekarena, ara-kolotsaina, ara-fizahantany, ara-panabeazana, hampiseho ny hakanton' ny Kolotsaina malagasy, ary mbola manasa ny besinimaro ihany koa.

Azo lazaina fa manomboka miverina indray ny fanandratana sy fanomezan-danja ny maha-gasy ny GASY, ary maniry tokoa ny hankalazan' ny rehetra izany TAOM-BAOVAO MALAGASY izany!
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony