Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Santé - Fahasalamana - Health
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: Avortement na fanalàna zaza  (Lu 269 fois)
Olombelona

Messages: 36


Avortement na fanalàna zaza
« le: 18-12-2007 à 19:11:13 »
Citer en réponseCitation

Nahita ilay lahatsoratr'i "Les Nouvelles" momba ny "avortement et pénalisation" tato amin'ny RSS n'i Madatsara aho dia mba te hiteny. Mampihorin-koditra tokoa izany hoe 40% n'ireo fahafatesana mpahazo ny vehivavy dia noho ny fanalàna zaza avokoa.
Asa raha fatatrareo ny lalàna momba izy ity, ho tateriko eto sao mahaliana antsika: «quiconque par aliments, breuvages, médicaments, manœuvres, violences ou par tout autre moyen, aura procuré ou tenté de procurer l’avortement d’une femme enceinte ou supposée enceinte, qu’elle y ait consenti ou non, sera puni d’un emprisonnement d’un à cinq ans et d’une amende de 360.000 à 10.800.000 ariary»: Article 317 du Code Pénal malgache.

Izy io moa zany raha azoko tsara dia voasazy daholo ireo vehivavy tratra manala zaza na inona na inona antony. Tsy olona miasa amin'ny lalàna aho akory, na hoe mpandinika ara-tsosialy fa mba mahatsikaritra ihany hoe rehefa gejain'ny lalàna loatra ny olona dia vao maika betsaka ny "dégats".Toy izany ny manala zaza tsy misy fanaraha-mason'ny dokotera.

Tsy ampy ihany koa angamba ny fampianarana momba ny toe-batan'ny vehivavy any ampianarana , na koa eo anivon'ny fanabeazan'ny ray aman-dreny. Ny tena mampatahotra ankoatry ny fahafatesana dia ny Sida ihany koa. Ny fitaizàna antsika Malagasy koa moa dia mbola ao anatin'ny fahatahorana manotany ny zokiolona momba ny firaisana ara-nofo, nefa izy ireo no mba afaka hanoro lalana ireo tanora.
Inona no hevitrareo, misy vahaolana ve azo vinavinaina?

Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony