|
Auteur |
Fil de discussion: Ny tena Gasy, ny teny Gasy, ny tany Gasikara (Lu 413 fois)
|
|
Jean Marline
Messages: 1
|
 |
Ny tena Gasy, ny teny Gasy, ny tany Gasikara
« le: 06-03-2005 à 10:37:00 » |
Citation |
Ny tena gasy, ny teny gasy, ny tany Gasikara
Dia ho maty sa ho tsara ?
Ny tena gasy, ny teny gasy dia ho maty
Ny tany Gasikara dia ho lo sy hamarara
Raha sanatria tsy tsara vatsy ireo zanaka amam-para
Raha tsy lalim-paka anatiny ireo fomba izay fandala
Fihavanana, fifanomezan-tanana ary koa fifanajana
Adidin'iza ny mampita ny maha-malagasy antsika ?
|
|
|
|
|
|
Arisoa
Messages: 281
|
 |
RE: Ny tena Gasy, ny teny Gasy, ny tany Gasikara
« Réponse #1 le: 07-03-2005 à 04:09:00 » |
Citation
|
Fa na izaho na ianao dia samy mahalala
Fa adidintsika rehetra ny mampita
Fa Gasy isika ary Gasikara no tanindrazantsika
Koa aoka hifanampy ary tsy hifankahala
fa ny hazo tokana hono tsy mba ala
|
|
|
|
|
|
EFJR
Messages: 281
|
 |
Re: Ny tena Gasy, ny teny Gasy, ny tany Gasikara
« Réponse #1 le: 11-04-2005 à 13:40:00 » |
Citation
|
Miarahaba anao am-panajana aho,
Tena poety ianao ity ! Misaotra betsaka tamin'ny tononkalo fa tsara. Efa nahasoratra tononkalo maro ve ianao ? Mahaliana anao ve ny hiditra ato amin'ny Union des Poètes et Ecrivains Malgaches section France ? Raha mety mahaliana anao, manasa anao aho amin'ny Asabotsy 30 Avrily 2005 amin'ny 20h (valo ora alina) ho tonga ao amin'ny
FIAP - Jean Monnet
30, rue Cabanis
75014 - PARIS
Fanokana ofisialy io fotoana io fa mijoro ny fikambanana voatoniko etsy ambony io.
Mirary soa,
Ny Filoha lefitra,
EFJR
|
|
|
|
|
|
ollie
Messages: 281
|
 |
RE: Ny tena Gasy, ny teny Gasy, ny tany Gasikara
« Réponse #1 le: 30-07-2005 à 22:10:00 » |
Citation
|
Ny mampalahelo anefa
dia maro ireo Gasy ny miantefa
Amin'ny fanadinoana ny niaviny
Sy manadino fiteniny
|
|
|
|
|
|
ollie
Messages: 281
|
 |
RE: Ny tena Gasy, ny teny Gasy, ny tany Gasikara
« Réponse #1 le: 30-07-2005 à 22:11:00 » |
Citation
|
Ny mampalahelo anefa
dia maro ireo Gasy ny miantefa
Amin'ny fanadinoana ny niaviny
Sy manadino fiteniny
|
|
|
|
|
|
|
|