Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Culture
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: Rakotomananjanahary Hare Pare  (Lu 389 fois)
Andy zafikely

Messages: 36


Rakotomananjanahary Hare Pare
« le: 07-03-2007 à 20:59:00 »
Citer en réponseCitation

(Ity dia hira Klasika anisan'ny Malaza
Hita ao amin'ny K7 vol. 1 an'ny Antoko Mpihira EZRAHITA)

Mihobia ho an'i Jehovah
Ry tany rehetra
Velomy ny hoby ka mihirà

Mankalazà an'i Jehovah
Dia amin'ny lokanga
Sy ny feo fihirana

Dia amin'ny trompetra
Sy ny fitsofana ny anjomara

Ka mihobia eo anatrehan'i Jehovah
Jehovah Mpanjaka

Aoka hirohondrohona ny ranomasina
Sy izay rehetra eo aminy
Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy
Mihobia an'i Jehovah Mpanjaka

Aoka hiteha-tanana ny riaka
Aoka hiara-hihoby koa ny tendrombohitra
Anatrehan'i Jehovah
Hitsara ny tany izy
Hitsara izao rehetra izao amin'ny fahamarinana izy
Hitsara amin'ny fahitsiana.

(Dr Rakotomananjanahary Hare Pare)
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony
Feedback Form