Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Actualités - Politique - Economie
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: DIASPORA MIFIDY  (Lu 775 fois)
mandrikana

Messages: 4


DIASPORA MIFIDY
« le: 02-02-2005 à 15:27:00 »
Citer en réponseCitation

Ny tanjona : DIAPORA mifidy @ 2007

Izao ary ny hetsika efa nambarako omaly :

Ny antony :

Efa manantona ihany ity ny fotoana ny fifidianana 2007.Maniry dia maniry tokoa isika diaspora rehetra ivelan’i Gasikara ny mba handray anjara @ ny fifidianana ary hanao ny adidy @ raharaha-pirenena.
Mahatsapa isika fa miraviravy tànana ary misy tsy ampy eo @ fanatotosana ny adidy na efa manao izay tokony hatao ihany isika @ fianakaviana sy @ firenena raha tsy manana zo hifidy .Mino aho fa afaka hiroso kokoa hisika @ fandraisana andraikitra @ fampandrosoana ny firenena raha mandray anjara @ fifidianana.

Ny tanjona izany dia ny hikarakaran’ny fitondrana sy ny masoivo rehetra ny fifidianan’ny diaspora @ 2007.

Mila ny fiaraha-miasantsika rehetra ny hatanteraka izany tanjona izany.Manantena ny fandraisanareo rehetra anjara , isika diaspora rehetra no hisantatra azy ny fifidianana@ 2007.

Ny ftaovana entintsika hanatanterahana izany :

Handefa mail isika an’ireto olona noheveriko fa mahatanteraka izany faniriantsika izany.Mandefa mail isika izany isan’andro isan’andro raha azo hatao ary tsy hitsahatra raha tsy efa mahazo valiny an-taratasy isika sy ho tanteraka ny fikasantsika .
Ny tsirairay koa dia hanamparitaka izao hevitra izao @ havana sy namana rehetra


Ny handefasana mail :

-ny Filoha,
-ny Praiministra,
-ny lehiben’ny assemblée,
-ny lehiben’ny sénat,
-ny masoivon’ny firenena rehetra

Etsy ambany ny adiresy mail ka hahamora ny copier-coller dia hatao mitambatra

Handefasana koa ny média-presse rehetra,ny site Gasy sy ny forum rehetra ary ny association diaspora.
Homena anareo ny mail mba hanamora ny fandefasana sy moteur de recherche

Ny lahatsoratra :


Tompoko, (Soloina fomba fanajana afa rehefa izy 5 eo ambany na ambassade ohatra:Andriamatoa Filoham-pirenena Malagasy)

Mahatsiaro misy lesoka ny tenanay mpila-ravinahitra fa tsy nahavita ny adidy ao @ firenena raha tsy mba mandray anjara @ fifidianana .
Ho tonga ity ny fifidianana @ 2007,ary mba maniry sy mangataka izahay ny handray anjara ary hanefa ny adidinay @io fotoana io.Efa noresahana ihany mantsy izy ity ka mbola tsy misy tokotaniny atramin’izao nefa ny fotoana mandeha ihany.
Ny fandraisanay anjara @ny fifidianana dia efa làlana iray hampirisika anay hiroboka kokoa @fampandrosoana ny firenena.
Tsy ho zanaky ny kala afa intsony fa zanak’i Gasikara ary zava-dehibe aminay izany.
Mahatoky izahay fa ho raisinareo sy ho tanterahanareo io fanirinay sy fangatahanay io.
Ary hisantatra sy hanokatra ny fifidianan’ny filohan’Madagasikara izahay aty ivelan’ny nosy.
Misaotra anareo @ ny fikarakarana rehetra mba hanantanterahan izany fanirianay izany.

Raiso ,Tompoko (afa raha izy 5 na ambassade),ny haja sy ny voninahitra atolotro ho anao (Ity fehezan-teny farany ity dia tsy ilaina @ rehetra fa @ sasany ihany)

Handefa io fangatahana io foana isika isan’andro ary hatao feno an’io fangatahana io ny adiresy izay voalaza etsy ambony.
Tsy hijanona isika raha tsy efa misy valiny mazava ny faniriantsika ary manomboka ny fikarakarana izany fifidianana izany ka misy didy avy @ fitondrana fa ekena sy ampiarina izy io,ary afaka mifidy @ 2007.

Ity hetsika ity dia ho antsika rehetra tsy an-kanavaka Ny tombotsoa dia hikambanana ka hifarimbonana ity asa ity.Ny fitaovana mail no hitako mety indrindra satria tsy dia mandany andro no tsy handoavam-bola..



Adiresy mail :

Presidence : presidence@dts.mg (hamarinina kely io adiresy io)
Premier ministre : secdc@wanadoo.mg
Senat : senat@dts.mg
Assemblée nationale : calvin@assemblée-nationale.mg
HCC : hcc@simicro.mg

Ho an”izy ireo dia halefa tsirairy ny mail ary hasiana fomba fanajana,torak’izany koa ny ambassade fa azo hatao miaraka ny mail

Ambassades :France,Allemagne,Sénégal,Chine,Maurice,EU,Canada,Italie,Japon,Ethiopie,Belgique,ONU,ONU Suisse,UNESCO,
Consuls : Afrique du Sud,Marseille,Le Havre,Amiens,Lyon,Moulins,Californie

ambamadparis@tiscali.fr , Madagaskar-Botschaft@t-online.de , ambamad@sentoo.sn , ambapek@yahoo.com , madmail@intnet.mu , repermad@ren.com , ambamadott@on.aibn.com , ammad@hotmail.com , ambtyomd@mb.kcom.ne.jp , Amba.mad.addis@telecom.net.et , info@ambassademadagascar.be , repermad@ren.com , ambamadsuisse@bluewin.ch , depemadu@wanadoo.fr ,
consul@infodoor.co.za , Madulat2@wanadoo.fr , info@consulatmadagascar-havre.fr.st , madagascar.consulat.amiens@wanadoo.fr , consmadalyon@wanadoo.fr , consulatmad@libertysurf.fr , info@madagascar-consulate.org ,


Midi Madagasikara, Madagascar Tribune , Express Mada,Les Nouvelles,LGI,Madonline,Madagasacar online,MATV,dmd,Wanadoo mg,l’annuaie de Lanto et Seheno,Mdagasacar magazine,Sobika,

midi@midi-madagasikara.mg , tribune@bow.dts.mg , lexpress@malagasy.com , administration@les-nouvelles.com , administration@lagazette-dgi.com , redac@madonline.com , contact@madagascar-online.com , matvonline@matvonline.tv , dmd@wanadoo.mg , webmaster@wanadoo.mg , rakotonandrasana@masombahiny.com , madmag2@wanadoo.fr , sobika@noos.fr ,

Ireto koa hangalana adresse mail :
-Diaspora : http://www.mylinea.com/masombahiny/diaspora_malagasy/
-Associations : http://www.mylinea.com/masombahiny/diaspora_malagasy/
-Institutions : http://www.mylinea.com/masombahiny/institutions_et_organismes/representation/
-Actualités et médias :
http://www.mylinea.com/masombahiny/actualites_et_medias/
-Moteur de recherches iray : http://www.afriqueindex.com/Pays/Madagascar/commu_mad.htm

Ankoatr’izay efa voatonina ery ambony.Mety misy adiresy afa fa tsy voatanisa,anjaranareo ny mameno azy ary milaza izany eto.


Teny farany :

Mba hatomombana sy hanatatanterahana ny fikasantsika soa aman-tsara dia raisina ny hevitra rehetra.
Ity hetsika ity dia hanomboka eto @site TIM fa hiparitaka any @forum rehetra,satria fiaraha-miasa no tadiavina ary ny asa tsy vita tsy hifanokonana.
Soa hikambanantsika rehetra izy ity.
Manantena ny fiaraha-miasa ny rehetra ary dia manomboka androany izany ity hetsika ity.
Ny tanjona dia hifidy ny Diaspora rehetra n’aiza n’aiza misy azy @ Fifidianana Filoha 2007
Misaotra anareo rehetra. mandrikana

Signaler au modérateur   Journalisée
RAKOTO Soa
Messages: 281


RE: DIASPORA MIFIDY
« Réponse #1 le: 08-03-2005 à 14:03:00 »
Citer en réponseCitation

MBA JEREVO ILAY GASY MAHANTRA EH!

AZA DIA TIA TENA FA EFA BE ZAY AZO ZAY EH!
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony