|
Auteur |
Fil de discussion: Fiavonan'ny gasy aty an-dafy (Lu 1341 fois)
|
|
Madatsara
Messages: 29
|
 |
Fiavonan'ny gasy aty an-dafy
« le: 12-01-2005 à 10:05:00 » |
Citation |
Misy resaka momba ny "FIAVONAN'NY GASY ATY AN-DAFY" ao amin'ny Takelaka namana JEG: http://jegasy.free.fr/
|
|
|
|
|
|
keni
Messages: 281
|
 |
RE: Fiavonan'ny gasy aty an-dafy
« Réponse #1 le: 13-01-2005 à 19:04:00 » |
Citation
|
Miarahaba anareo rehetra ato ny tenako ary miarahaba an'i Stefana koa, betsaka ny zavatra saronan'ny sujet-nao io ary samy misy sokajiny avy.
Eo @ resaka hoe miarahaba aloha aleo tsy hifanome tsiny satria raha tahaka ahy vehivavy , tena manhirana ahy ny hiarahaba lehilahy, ary koa tsy hoe aty an-tany lavitra akory dia hifampiarahaba satria any madagascar anie ka sty misy olona mifampiarahaba izany eny an-dalana raha tsy mifankafantatra, nandalo tany dago aho miditra tsena, miarahaba olona aho vao miditra ny magasin manao veloma , farany tonga saina aho fa ny olona tsy mamaly ahy, hay kay tsy fombantsika gasy ny mifamiarahaba raha vao miditra tsena, ny fisaorana moa dia aoka fotsiny gaga aho kay ny gasy tsy mba misaotra fa dia azony ny entana dia lasa izy, ny mpivarotra no hitako misaotra ny sasany fa ny mpividy dia sauvage. Avadika indray ny resaka, efa ela no nipetrahako eto paris, milaza ny olona fa ny gasy provinces mifampiarahaba daholo, ny zavtara tsapako dia raha vao misy gasy avy any @ provinces dia tonga dia fantatra @ bikabikany hoe avy any @ provinces izy izay no zavatra hitako, fantatro daholo ny fomba fisainan'ny gasy ny eto manodidina ahy no resahiko fa tsy ny any @ provinces. Ny gasy dia fetsifetsy ka izany angamba no mahatonga ny olona tsy miarahaba gasy instony rehefa mahita gasy, nanana namana gasy betsaka aho saingy ny ahy ny namana dia misy fitsapana izany hoe minamana azy aho dia tsapaiko sy jereko eny ny totrany dia rehefa hitako fa tsy lasa dia misintaka aho, ary tsy resahiko intsony ilay olona. Ny gasy dia mahay miresaka , tsara resaka raha misy zavatra ilainy any aminao dia hainy tsara ny mandokandokanao, rehefa lasa mpianamana tsara iny izahako sy ry zareo dia iny @ izay hampidiriny tsikelikely ny problèmes-ny dia ianao entin'ny fahatsorana dia manampy , problèmes tsotsotra dia avy eo mihalasa gràve be , ampio izahay, adin'ny mpivady, mindrana vola, andrasana ny zanany, tonga misakafo ato amiko foana, tena lasa mi colle be e! kanefa tsy misy retour mihitsy fa dia izahako foana, tsy francs ny gasy e! , be fialonana, ny zavatra teneniny hafa tsy mitovy ny ao am-pony, raha mba misy zavatra mety mahasoa anao izany tsy hiteny anao mihisty izy fa raha misy zavatra mety hahasoa azy avy any aminao ataony daholo izay hevitra hazahoana azy. Ka izao ataoko fa tsy tokony hanome tsiny ianao ry stefana raha miavona ny gasy satria mety mbola tsy voadona ianao, ny ahy dia nanovako tri mihitsy, vitako mihitsy ny tsy niresaka tonga dia niavonavonako ireo namako fetsifetsy dia nahita lesona tokoa ry zareo, aleo tsy manana toy izay manan-dratsy hoy ny fitenenana, hofaranako ny teniko hoe aza asiana olona raha miavona ny gasy eto an-dafy satria misy antony daholo matoa ny gasy miavona toy ireny, leo izy @ hafetsifetsen'ny gasy ka aleony atao ohatran'ny olona rehetra eny an-dalana eny ny gasy . Tsara ny mailo ry stefana fa raha tsy mbola nahita ianao dia mandehana mipetraka @ toerana be gasy dia ho hitanao izany.
Veloma daholo dia bonne année à tous
|
|
|
|
|
|
rakoto
Messages: 281
|
 |
RE: Fiavonan'ny gasy aty an-dafy
« Réponse #1 le: 17-01-2005 à 10:59:00 » |
Citation
|
manahoana!
tsy dia manana zavatra ambara betsaka aho fa miombokevitra sy misaotra an'i Keni fa dia vaozavanao tsara ny fandehan'ilay resaka.
Misaotra de any @ RNS Vichy mifankahita raha mankany ianao, izahya eto Clermont-Ferrand
|
|
|
|
|
|
mampionona
Messages: 281
|
 |
RE: Fiavonan'ny gasy aty an-dafy
« Réponse #1 le: 25-01-2005 à 16:21:00 » |
Citation
|
sali ra steph an,
za alou vao haingana no teto paris, tam sept ah no tong, tany dago foana za h@zay, fa zao marina alou oe, tena ze oul mandalo v zany d tena arabaina tsy hainao na iza iza na iza, any amtanana aza zay tena tsy nisy nanisy sirany, d oe tena aty amdezaka zany d mifampila ranony, aok'etsy;
samy mavita matoa tonga aty, za zao tena koziko amnao fza tena migal ah, fza tsy mangataka tambiny zany ah, au fond nge hitanao fa mivaingana iany reny e, ny ah lou ra resaka avonavona zany, tena tsy mivaky la tety amzany ah, miresaka bon, tsy mresaka bon, io kou nge manahirana io resaka io f atsy tokony hipetraka tsony e, samy mavita d samy miala,
ny blem manko d koboko amzay, oe aty andafy zany d oe oul tena nahitahita daol tonga aty, ka aona no mifampisolelaka, tsy zany io, fa tena za zao oe tena andranto fenarana no tna natogavako taty, d tena nipitsihanle tena garant-ko za, tsisy bedy, fatako fa afaka miexiger ianyz a, nefa azoko tsara ny antony d tena niezaka nanamafy ny relation no nataoko. zay fa tena b kôzy za zany, zay ry keni fa six ah, tena azon'ny bandy fatarina v ny tena adresinao eto amtanana sa aona.
za zao tam tena roa volana zay, nahita any artiste olombelona tao gare du nord en plein correspondance zao; tena narabaiko lery oe mba oul malza , tena tsy nasianlery sirany ah, d ozy ah oe, adalako ny niarahaba fa tonya za mandalo jere ty ataony, six d courage daol e
|
|
|
|
|
|
nainaRakotomalala
Messages: 281
|
 |
RE: Fiavonan'ny gasy aty an-dafy
« Réponse #1 le: 03-02-2005 à 12:02:00 » |
Citation
|
Salut!marina daholo izany fa na dia tsy hiresaka aza mba mampiseho endrika mirana tsy midika anao mihintsy io hoe gvt sa ahoana? eny é! samy manana ny reviny io ka revena manja eny foana na tsy manja aza ts'isy hifanomezan-tsiny fa dia sur sur daholo
|
|
|
|
|
|
kiki
Messages: 281
|
 |
RE: Fiavonan'ny gasy aty an-dafy
« Réponse #1 le: 08-02-2005 à 23:50:00 » |
Citation
|
Mba efa isika vitsy aty lavitra aty ve dia zay hiteny hoe manao ahoana dia ahafaty, na tsy mahazatra aza izany any dago. na dia vehivavy aza ianao ny miteny manao ahoana akory tsy hanambany anao. Misy ko anefa ireo vao jerena dia mody fanina ka aleo tsy jerena akory fa maharikoriko. Ny olona taloha ihany ko anie no tena namorona ity hoe gvt ity hany ka ny ankizy ankehitriny ko no lasa adala toy ireo antitra tsy misaina ireo, mba manome lesona nefa izy ireo no tena tokony homena lesona.
|
|
|
|
|
|
badra
Messages: 281
|
 |
RE: Fiavonan'ny gasy aty an-dafy
« Réponse #1 le: 10-08-2005 à 11:47:00 » |
Citation
|
aoka re azafady fa ny olona samy manana ny toe-tsainy e! ka aza sosotra amin'izany satria alaiko ohatra ,rehefa any dago ve ianao mba miharahaba gasy izay mandalo rehetra eo anilanao
|
|
|
|
|
|
|
|