Raha te ahita revy milay ianareo dia aza adino @ 14 izao ao @ espace Chevreul ao Nanterre fa i Rossy no hampirevy ao.
Ho an'i Rossy ilay Akamako.
Tapolaka tena izy
Tsy misy mahay hafa tsy izy
Io le namako iray
Tena mahay mampirevy anay
Raha hitsinjaka ianao
Dia tongava raha hilalao
Raha hitsikilo koa anefa
Dia tongava k'aza milefa
Tsy maintsy milalao izay tonga ao
Na gasy na vazaha na fotsy na mainty ianao
Fa ny mozikany anie ka tsy misy lokony
Satria ny fahaizany dia tena misy fotony
Raha toa ianao te ho tonga lafatra
Tongava ho namanay sy handray ny hafatra
Raha toa ka tsy mahatoky tena
Mandrosoa avy hatrany f'aza mihenahena
Ao tokoa no ahitanao ny namany
izay rehetra mankafy ny adalanay
Adalana misy fetrany satria milalao
Milalao ilay mozika izay hankafizinao.
I Rossy anie ry zalahy ka tena milay
Satria mahavita mampihetsika ny Vatanay
Tsy avelany hipetraka na hiato ny fandihizana
Satria io no porofon'ny fankafizanao ny mozikany.
Io rahalahiko no azoko hambara ny momba ny fahazizanao, kely fohy nefa milaza zavatra, fa dia amin'io 14 io izany isika mifankahita ê !!!!
Flux RSS

Citation
Journalisée