|
Auteur |
Fil de discussion: Fimailo, Kapôty (Lu 590 fois)
|
|
Madatsara
Messages: 36
|
 |
Fimailo, Kapôty
« le: 30-09-2004 à 15:12:00 » |
Citation |
Nogasiana hoe "fimailo" hono ny "kapôty" satria mankarary sofina ny "maro" ny mandre ity farany.
Fa mankarary sofina ahoana? Ary firy isan-jato @ olona eto Gasikara izany "maro" @-ry zareo izany? Mba tiako ho fantatra, ho an'izay mahalala, izay ivon-toerana nanao izany fanadihadiana izany ka nahafahana niteny hoe "maro" no marary sofina.Matoa mantsy izy sahy mamoaka io antony io dia satria mari-pototra tsara ny fanadihadiana nataony ary koa mahasolotena ny mponina eto Gasikara (farafaharatsiny ny 50% ny olona nanaovana fanadihadiana).
Tsy voatery gasiana anie izao teny vazaha rehtra izao e! Ekena fa ilaina ny mampitombo ny voambolana malagasy fa izany "kapôty" izany angaha teto @tsika no nipoirany? Maninona raha avela @ io teny efa nomena azy teo aloha io ihany (kapôty) ilay izy. Hatramin'izay tsy naninona ka dia izao ve vao hankarary sofina? Sady tsy vao t@ ity taona 2004 ity anie ny "kapôty" no nampidirina teto e!
Mba saino kely ary ity: manomboka izao izany rehefa hiteny isika dia hanao hoe: "mba hanaovy fimailo iray!", "Izaho tsy hanao raha tsisy fimailo
an!!", "Dadabe a! io @ tany io misy fimailo efa niasa!!!" Ka tsy isaky ny miteny hoe fimailo ary ve ny olona iray, tsy ny dikany teo aloha hoe "kapôty" ihany ve no mitamberina ao an-dohan'ny olona hiantefan'ilay teny? Tokony hitandrina anie izany isika satria mety tsy ny sifna intsony indray no marary fa ny saina sartia ny saina tsinona no manao dikan-teny manao hoe : "kapôty" koh!
Amim-pahatsorana, iza @nareo no sahy hiteny fa tsy mba maneno ao an-dohany ao ny teny hoe "kapôty" isaky ny mandre hoe "fimailo" izy? Fantaro fa ny fanovana dikan-teny anie ka tsy ilaozan'ny izay fijerena ilay teny niandohany e!(kapôty) Ny dikan'izany tsy maintsy "marary" foana ny sofina na ho "fimailo" io na ho "fijanga" io. Sady io fahamenarantsika (fady, "tabou") io foana no tsy hampivoatra antsika. Isika te hitovy @ izao tontolo izao nefa ny toe-tsaina aza tsy mivelatra. Tsy afa-miala @ fanatontolona isika ka ny manaraka ny onjany no fanafodiny. Izany akory tsy midika indray hoe avelao ny fahendrena nolovaina t@ razambe. Fa tazony re izay mamy ary tadiavo izay mety hahasoa e!
Ka ataovy amim-piheverana sy am-pisainana re izy ity fa tsy entin'ny fo na ny fahamenarana fotsiny e!
© - RIJA
|
|
|
|
|
|
Tsiferanarija
Messages: 281
|
 |
RE: Fimailo, Kapôty
« Réponse #1 le: 11-10-2004 à 13:17:00 » |
Citation
|
Raha izaho indray aloha dia tsy dia hitako loatra izay olana na kapôty na fimailo no iantsoana io fitaovana iray io. Vao mainka aza tsara satria mampitombo ny voambolana malagasy izany. Hita amin'izay koa fa maharaka ny fivoarana ny teny malagasy, fa tsy sanatria ho teny maty (langue morte) akory. Ho an'dranamana etsy ambony ary ve izany tsy tsara ny hananana teny malagasy ilazana zavatra iray na tsy na dia tsy teto Madagasikara aza ny namoronana ilay zavatra???? Dia ahoana ny fiteny hoe "fiarakodia", "fiaramanidina", "fahitalavitra", sns.... ???? Izay fa lava ny resaka ê!
|
|
|
|
|
|
ras_h
Messages: 281
|
 |
RE: Fimailo, Kapôty
« Réponse #1 le: 23-12-2004 à 13:48:00 » |
Citation
|
izaho aty madagasikara, anisan'ny mpanao fanadihadiana toy ireny ary fantatro ny nanao ireo fanadihadiana io fa ny tena mahamentra dia izao, tsy ao ilay déontologie, misy karazany mot 4 na 5 dia anontaniana hoe iza no tsara de izay. Tsy misy akory hoe tokony hosoloina ve na hoe inona ny sosokevitrareo fa tonga de misafidy iray @ izay omeny fotsiny. Iny izany ilay 'tsy fidiny' satria mety misy mot hafa any, na mety tsy tiany soloina akory!!! tsy aleo ve protector ihany? iny ange efa générique aty au lieu de hiteny hoe kapoty e, raha hoe tena manelingelinaz aok'izany ilay izy
|
|
|
|
|
|
|
|