Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Malagasy
Pages: [1 2 3 ]
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: GASY TE HO VAZAHA  (Lu 2141 fois)
malagasy
Messages: 281


Re : GASY TE HO VAZAHA
« Réponse #1 le: 12-12-2007 à 20:27:23 »
Citer en réponseCitation

Mahavariana tokoa ity resaka ity! Mahatsikaritra tokoa ny tenako fa betsaka ny malagasy miteny vary amin'anana. Misy amin'izy ireo no mipetraka lavitry ny tanindrazana, misy koa anefa no any an-tanindrazany. Ho an'ireo any lavitra moa dia voatery mianatra ny fiteny vahiny amin'ny fiainana andavan'andro, ka rehefa tena ela nipetrahana tany ve dia manadino ny "teny" na hoe "mots" sasany? Sarotra tokoa ange ny miteny gasy rano iray, fa dia ny miezaka manatanteraka an'izany no tanjona!
Iza aminareo ireo no mbola tsy nampiasa teny vary amin'anana na in-dray mandeha monja aza?
Ny mampalahelo nefa dia ireo gasy mihevitra fa mahamenatra ny teniny, ary mbola mihevitra fa ny an'ny vahiny no manan-kasina. Ireo ankizy beazina amin'izany no tena mampalahelo satria tsy mahay ny tenin-drazany akory! Ireo mipetraka ao Frantsa moa no tena betsaka manana izany fisainana izany, fa ireo any Belgique fotsiny ohatra dia latsain'ny mpampianatra ireto zaza gasy tsy miteny gasy! Ireto frantsay aza moa mba te hiteny anglisy mafy ka ny teniny aza ataony vary amin'anana...
Ho an'ireo metisy izay nampianarin'ny ray sy reniny teny gasy dia faly avokoa ny ankabeazany rehefa lehibe ka mahatsapa izany harenany izany. Ny tsy mahay miteny moa dia mitsaotsaoka ny malagasy rehefa mifanena.
Inona no mety ho tohiny?
Signaler au modérateur   Journalisée
Pages: [1 2 3 ]
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony