Miresaka ady @ risoriso foana ny eto Gasikara.
Misy zavatra mba manahirana kely ny saiko anefa.Mingavy aho,aza tsaraina,aza omena tsiny fa fomba fijery fotsiny ihany ity.
Isan'itony atao hoe ao amin'ny "Hauts emplois de l'Etat" itony aho,efa sivy taona izao,io izany dia isan'ny be karama indrindra @ Mpiasam-Panjakana,nefa,hatramin'izao dia mbola tsy manana izany hatao hoe tahiry izany mihintsy,mahatody faran'ny volana tsara aloha ny karamako fa dia tapitra eo,telo ny zanako,iray ny vadiko,tsy mba be revy aho,ary tsy misy tia haingo izahay ato an-trano.Ka hoy aho ahoe:ahoana ny ataon-dry zalahy (be dia be) mahavita trano be sy villa ireny?Fanambinana manokana daholo ve?Kitapo latsaka?Sa izaho mihintsy no tena tsy alehany fa tsy mahay mitantana?Satria dia vitsy dia vitsy no henoko tratra na migadra,na voaraoka noho ny risoriso,sa dia efa "programme national" koa izy ity?
Dia tapitra eo ny redirediko!
Flux RSS

Citation
Journalisée
