|
Auteur |
Fil de discussion: Malagasy miavona, 2ème partie (Lu 1401 fois)
|
|
Gasikala
Messages: 1
|
 |
Malagasy miavona, 2ème partie
« le: 23-12-2003 à 18:11:00 » |
Citation |
Tena marina tsy misy azo kianina ireo voalazanareo ireo, tena mahagaga sy mampalahelo.
Nt tenako dia mpianatra tany FRance, tany Paris no tena marimarina kokoa, tsorina aminareo fa tena sarotra be ny fiaraha-monina samy eo @ malagasy any France, miavona sy be fialonana be ny gasy.
Nefa jereo ireny afrikana sy ireny arabo ireny, tena misy solidarité be mihitsiny.
Ny loza dia izao, maro ireo chefs d'entreprise mahalala tsara fa tsy mifankatia ny malagasy, ka izany no nahatonga ilay fiteny hoe: "il ne faut jamais mettre 2 malgaches dans votre affaire".
Efa tany afrika koa aho, tany Côte d'Ivoire, ny any vao mainka tena loza, tena tsy mampino, nefany anie dia olona tsy dia mankaiza ry zareo any eh, azafady fa sao dia ... ny sasany eo aho.
Ny tena loza any Côte d'Ivoire dia ireto gasy mifanimba sy mifandoto, efa maro hono ny procès eo @ samy gasy eny @ tribunal, loza eh !
Ny haine tribale sy ny racisme mô de tena reccord raz-malagasy.
Izay ary alô fa @ manaraka indray.
N.B: étudiante taloha tao @ département Economie ny tenako.
|
|
|
|
|
|
bozy
Messages: 281
|
 |
RE: Malagasy miavona, 2ème partie
« Réponse #1 le: 12-02-2004 à 02:39:00 » |
Citation
|
Mba sambanyaho nijery ny forum amin'ity tranokala ity.
Mahavariana tokoa ilay resaka fifandraisana samy malagasy aty dilam-bato. Toa tena poizina ny mifandray amina malagasy. Nefa anie malagasy tia fihavanana fa tsy mahay miaraka. Mahita ireto mpiavy hafa firenena ny tenako dia gaga fa mifanampy ry zareo fa isika kosa indrisy, mifanatsatoka antsy am-bavafo ka tsy mahate-hiherika akory aza raha mandre hoe misy gasy atsy.Ny zavatra fantatra dia tsy mora ny miaina aty an-tanin'olona ary misy foana fotoana mandalo ady mafy amin'ny fiainana. Mila fifanampiana. Io matetika miteraka fifanaratsiana, misy manampy sady mamely kobay moa misy ny avy hatrany dia mamely sady tsy manampy. hany herin'ilay mila vonjy manantona olombelona avy amin'ny firenena hafa mba misy fanahy. Osssy e ra malagasy be fivoarana , tsara haingo tsara anarana.......
|
|
|
|
|
|
Andriatsiarafa
Messages: 281
|
 |
RE: Malagasy miavona, 2ème partie
« Réponse #1 le: 19-02-2004 à 15:47:00 » |
Citation
|
Manahoana daholo ry malagasy havana! hiezaka hanoratra amin'ny teny gasy ranoray ny tenako na dia somary henjana kely aza izany;
ny tena marina dia ny tsy fizakantsaina izay toetran'ny vahoaka malagasy amin'ny ankapobeny no sakana lehibe mahatonga ny fahatahorana ny fifaneraserana amin'ny hafa ary rehefa tsy afaka mitsikera ny fiainan'ny hafa vondronolona anakiray dia ao anatin'ny vondrona misy azy izy no manampatra;
efa ho 108 taona izao no nalentika tao antsainy malagasy ny fiasamihafana eo amin'ny samy ponin'i Madagascar, nalentika tao antsainy fa ny fifangaroana amin'ny hafa dia makana ny fivoarana; ohatra ny malagasy mahantra tsy mifangaro amin'ny manana, ny afovoantany tsi mifangaro amin'ny tanindrana, kanefa rehefa tonga aty an-dafy dia tsy mitombona intsony izay rafitra izay; nohon'ny toe-javatra misy dia, ny malagasy, sady tsy tafiditra anao anatin'ny mpanana no tsatiditra ao anatin'ny faribolana vazaha no sady tsy te hifandray amin'ny mahantra;kanefa ny mahantra voalohany hifanena amindra malagasy dia ny malagasy toa azy ihany, hany ka ato izay tsi hifandraisana amin'ny mpiray tanindrazana, ny mandositra aza atao;
tonga amin'izay angamba ny fotoana ahatsapan'ny gasy fa iray fiaviana isika ary ponina ohantrin'ny ponina rehetra, afaka mirehareha amin'ny maha malagasy antsika; izany fireharehana izany no tsy hananantsika, izany mahatongatsika tsy mivondrona, tsi mifanampy ohatrany amin'ny mponina hafa: Afrikana,Arabo,Sonoa, Karana.....!
tsy manome lesona akory ny tenako fa mba tafintohina amin'ny toetran-dramalagasy ka miezaka mamakafa ny mety ho antony mahatonga izany,
misaotra ny pandray an-jara ary amin'ny manaraka indray,
Andriatsiarafa
|
|
|
|
|
|
Andrianjaka Mamitiana Henri
Messages: 281
|
 |
RE: Malagasy miavona, 2ème partie
« Réponse #1 le: 18-01-2004 à 19:58:00 » |
Citation
|
Manahoana daholo eh!
Vao sambany nanokatra an'ity takelaka ity aho dia manoratra eh!Tsy dia fantatro loatra ny tena vontoatin'ny lohateny fa dia mba te handray anjara.Tiako ny mifanerasera sy mifanoratra @ teny malagasy tsisy fangarony na dia mipetraka sy monina aty an-tany lavitra aty aza ny tena.Misy ary betsaka tokoa eto an-dafy ny Gasy miavona izay tsy fantatra mazava ny antony fa dia mialaala "pas" ry zareo rehefa sendra mifanena ary tsy te hifampiresaka @tena.Asa re!!! Inona no antony.
|
|
|
|
|
|
nato
Messages: 281
|
 |
RE: Malagasy miavona, 2ème partie
« Réponse #1 le: 20-01-2004 à 22:04:00 » |
Citation
|
dia marina ireo voalaza ireo fa dia miheritrereta ianao ra malagasy fa taraiky eo tadidio fa atyan tanin olona isika fa raha tompony moa maninona.enyary aloha e....gasy
|
|
|
|
|
|
gasy aty NewYork
Messages: 281
|
 |
RE: Malagasy miavona, 2ème partie
« Réponse #1 le: 21-01-2004 à 20:12:00 » |
Citation
|
inona no mety antony?
matahotra ny hifanerasera satria sao dia misy mifosa rehefa any aorina ny fiainany, ny gasy manko be mihintsy ny be fialonana,sy hypocrite, mody hoe namana , nefa tena manatsatoka antsy ao ambadika.
ny gasy koa manana tendance sauvage raha vao misy olona fotsy eo, dia aleony mitsoka toa izay miresaka.
efa taona 2004 izao, ka ialao izany ry gasy malala fa mahamenatra sy mahakivy.Ny toe-tsaina mihitsy no tsy maintsy ovaina, dia androso ny gasy rehetra e!
|
|
|
|
|
|
chloe
Messages: 281
|
 |
RE: Malagasy miavona, 2ème partie
« Réponse #1 le: 21-01-2004 à 20:20:00 » |
Citation
|
marina io resaka nolazain'ilay gasy any NewYork io.mampalahelo fa tsy mety afaka izany toetra izany.
misy koa ny tsy manaiky gisitra hono,tsy manaiky ambany noho ny gasy hafa, ao koa ny mafimafy ady, tsy ampy ny vola miditra, ka tsy maharaka ny rendrarendra isan-karazany, ao ny tsy manana papier en regle dia aleony mitsoka .
Ary rehefa tonga any dago dia miseho ho favy daholo nefa tsy mankaiza mihitsy.
enfin, betsaka ny antony, tokony ho fantatrareo mamaky.Izay mahatsapa fa manao an'izany dia tokony andinika ny tenany tsirairay.
|
|
|
|
|
|
Madatsara
Messages: 281
|
 |
RE: Malagasy miavona, 2ème partie
« Réponse #1 le: 19-08-2004 à 01:32:00 » |
Citation
|
Mahaliana antsika eto @ madatsara mihitsy ny fifandraisana misy aty ivelany indrindra eo @ samy malagasy.
|
|
|
|
|
|
Andry
Messages: 281
|
 |
RE: Malagasy miavona, 2ème partie
« Réponse #1 le: 24-03-2004 à 14:18:00 » |
Citation
|
Tena marina izany fa mifampialona ny samy malagasy. Ny antony angamba dia tsy misy ny ohatra tsara na réference hoy ny vazaha ka tafita fantatr'olona, any andafy fa toa mipetraka ao antsainan'ny malagasy fa ny mpanao affaire sy ny ratsy fanahy mpanao tsolotra any Mcar no malaza kanefa ireo no tena malaza hoe gasy hono. Mahafantatra betsaka malagasy anefa aho fa tsy ratsy saina izany, na avy aiza ny niaviany aty Mcar ka mipetraka any France, nefa manana situation tsara fa tsy malaza. Raha tsy ny fanjakana na misy volonté politique mihitsy mi-favorisé ny image ny malagasy diaspora tafita fa tsy ireo mpanao affaire mpanao tsolotra ireo no ao antsaina, dia mbola mifampiahiahy ny samy malagasy Mba mijeré positif isika samy malagasy ka avelao ny fijaliana.
|
|
|
|
|
|
bodo
Messages: 281
|
 |
RE: Malagasy miavona, 2ème partie
« Réponse #1 le: 19-04-2004 à 22:23:00 » |
Citation
|
tena mahagaga tokoa , raha ianao no mandeha eny an dalana ka mifanena @ gasy ka miseho miarahaba dia tonga dia hoe Gasy Vao Tonga iny , miarahabahaba foana toy ny gasy vao tonga hono , io ohabolana malaza be aty
|
|
|
|
|
|
beby
Messages: 281
|
 |
RE: Malagasy miavona, 2ème partie
« Réponse #1 le: 21-12-2004 à 16:26:00 » |
Citation
|
Manao ahoana daholo izay mahatsiaro tena fa MALAGASY .
Ny havonavona, ny fialonana,sns.......toetran-draolombelona
fa adalan'izay mampihatra izany @ tenany . Indrindra isika aty tany lavitra aty . tadidio fa na inona ataonao dia misy valiny daholo.
|
|
|
|
|
|
|
|