Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Poeme - poezia
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: Poeme  (Lu 765 fois)
riri

Messages: 1


Poeme
« le: 14-08-2003 à 21:54:00 »
Citer en réponseCitation

Noheveriny ho sangy ilay fatran'ity aiko
ka navelany hidaraboka..
ka tsy haiko
'zay hiafarany,toa lasan-davitra any an-koatra
tsy afa-manoatra.
Ny hovitrovitry ny saiko
ny hirifirin'ito foko
mitoloko..
sa ho lazaiko hoe laingako ihany 'zany?
...dia ahoana 'ty nofoko
toa valaka sy reraka..trotrak'ireo toloko
te hitomany..singy menatra
fa mba hoe mahery ihany.

Toa tsy haiko hampanginina
toa tsy mety ho fintinina
anaty teny hoe "hafoy"..'rony hira sy tantara,
nefa izay aloha no zava-misy
ka ny "indrisy" 'lay mpandratra
no mandrotika miadana
ity aiko..sy mamizana 'ty saiko..

Noheveriko ho taratr'hofihinina
ilay tsikiny omaly...kanjo..
zavona nindaosin'andro..
tsy hitampody na oviana
nampangina ilay masoandro
fa nolefonin'olon-tiana...

asa loatra fa nahoana?
iry volana nantsoina ..tsy miteny f'efa moana
efa manomboka ho lany
ka ho maizin-danitr'eto
ity fo mangahiahy
toa very ,fo ,fanahy.
sa hitady taratr'hafa..?
aoka aloha ...
avelao aho hisaona!.
Signaler au modérateur   Journalisée
lalasoa
Messages: 281


RE: Poeme
« Réponse #1 le: 15-08-2003 à 12:14:00 »
Citer en réponseCitation

j'adore ton poême; il reflète à peu près ce que j'endure en ce moment. tu sais quoi, j'ai revu celui que j'aime hier, au tout début il était du plus charmant puis après il s'est montré froid et distant. son sourir s'est transformé en un mur de glace qui ne laissait issu à aucun sentiment.
enfin, je l'aime et je continuerai de l'aimer et je sais que c'est aussi ce que tu ressens.
allez bye.
Signaler au modérateur   Journalisée
??????
Messages: 281


Re: Poeme
« Réponse #1 le: 16-08-2003 à 21:44:00 »
Citer en réponseCitation



Gaga anao aho ry tsipolitra mora miantsampy

Manara-bahiny niserana

Mpandalo niseran’ilàlana ve

Dia amikirana hatrany antsikinany

Ny saha naniriana ve hono no tola

Sa tia vao ka tia andrakandrana

Ka te haniry eny antsahan’ny sasany?

Olon-tsy fantatra akory

Ka itadiavana aretin’andoha



Gaga anao aho ry vahy mananiky ny ala

Miantsampy amin-kazo tsy fantatra

Mamikitra sarotr’esorina

Tsy fantatrao akory ny haloaky ny ampitso

Na ho may ny hazo na hiongotra

Na hataon’ny tompony fanaka

Nefa ianao sahy mivolon-ko tompony



Gaga anao aho ry olon-tsy fantatra

Nahoana re no raiben’anatra

Kanefa tsy mahay mananatra ny tenany?

Diniho sy fantaro izay hohanina

Izay vao manao teli-moka

Mahavery fanahy mbola velona

Mahafohy ny saina mandinika

Raha tsy rony tsy ventiny akory

Ka “doria” no irediredena



Noheveriko ho vatolampy ampy handihizan’ny varatra

Kinanjo menak’omby nivaingana ihany

Ka vao notarafin’ny masoandro maraina

Dia nitsonika tsy nisy horaisina



Angamba izany no efa fanaony?



“Valala any an-danitra tsy asiana sira”

ary raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy”
Signaler au modérateur   Journalisée
ratsimbazafy
Messages: 281


RE: Poeme
« Réponse #1 le: 11-09-2003 à 19:01:00 »
Citer en réponseCitation

mahafinaritra be ilay tononkalo.Tsy aleo ve mba asiako mozika kelyevalio re azafady indrindra
Signaler au modérateur   Journalisée
Itsimanavaka
Messages: 281


RE: Poeme
« Réponse #1 le: 06-10-2003 à 16:01:00 »
Citer en réponseCitation

avo ilay aingapanahinao ento avo ny tonokalo malagasy fa rehareha ianao.
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony