Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Culture
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: Kolon-tsaina  (Lu 790 fois)
Madatsara

Messages: 36


Kolon-tsaina
« le: 11-08-2003 à 16:08:00 »
Citer en réponseCitation

Miarahaba antsika rehetra

Mitady ny fomba ahazoana mifandray (adiresy emailaka) an'ireo mpanankanto izahay eto amin'ny Madatsara.

Koa raha misy mahafantatra dia angatahina mba handefa azy @ adiresy webmaster@madatsara.com na eto amin'ny pejy fifandraisana.

Misaotra mialoha tompoko amin'ny fiaraha-miasa.

Madatsara.
Signaler au modérateur   Journalisée
Razanantsoa/Rakoto
Messages: 281


RE: Kolon-tsaina
« Réponse #1 le: 22-02-2004 à 00:31:00 »
Citer en réponseCitation

Salama ianareo-aby!

Efa tsy mahay minorita ny teny gasy satria tsy mipetraka am'inanareo izao. Taloha niassa t'aminy ny nosy mena lehibe niaraka t'aminy ny Corps de la Paix, fa izao mianatra teny franzai amin'ny Etats-Unis.
Signaler au modérateur   Journalisée
Mamy
Messages: 281


RE: Kolon-tsaina
« Réponse #1 le: 27-08-2003 à 06:19:00 »
Citer en réponseCitation

Miarahaba anareo ao @ Madatsara. Ny adresse e-mail an'ny mpanan-kanto aloha dia tsy mahafantatra aho, fa ny tiako ho lazaina dia izao: izaho dia mankasitraka tanteraka ny fanagasiana nefa aoka mba tena ny dikany na ny tena hevitr'ilay teny nogasiana no hatao. Ohatra ilay emailaka lazainareo dia tsy mety mihitsy satria fantatra tsara ilay 'e' dia midika hoe 'electronique' ary ilay 'mail' dia 'poste'. Ka ireo ve no dikan'ilay hoe emailaka lazainareo?
Toraka izany koa ilay fandikana ny 'CD' izay atao hoe 'kapila mangirana'. Moa ve tena io no dikan'ny CD? fa raha ny fahalalako azy dia hoe 'Compact Disk' no dikany. Ilay Kapila = Disk aloha dia ekena, fa ilay Compact= Mangirana ve dia azo ekena? Marihiko koa anefa fa misy @ ireny CD ireny no mainty be fa tsy mangirana.
Ny tiako hambara izany dia ataovy @ tena dikany ny teny nogasiana na dia lavabe aza ny teny mahalaza ny heviny.
Signaler au modérateur   Journalisée
fijo
Messages: 281


RE: Kolon-tsaina
« Réponse #1 le: 29-08-2003 à 00:20:00 »
Citer en réponseCitation

ho an'i mamy,
tsara dia tsara ilay te handika ny teny gasy,amin'ny tena izy,fa tsara kokoa ny mandinika ny dikanteny amin'ny teny gasy vao mitsara.Ohatra,ilay hoe" kapila mangirana"marina fa tsy ny CD rehetra no mangirana,ary ny dikan'ilay "C" dia compacte,saingy isika gasy rehefa mandika teny vahiny izay tsy ananatsika amin'ny teny gasy,dia manao dika ara-keviny.hoatra:solaitr be.satria taminizany fotoana izany,ny solaitra no nanoratana.koa dia nadika ho solaitra be ny tableau.Ny solaitra anefa mainty,ary ny tableau rehetra dia tsy mainty.Koa diso koa ve izany io dikan-teny io?Ny CD voalohany koa anie ka nangirana daholo e.Tamin'izany fotoana izany no nandikana ny heviny tamin'ny teny gasy,koa rehefa misy fivoaran'ny loko na ny toetran'ilay zavatra ve aty aoriana,dia tsy maintsy ovana koa ny dikan-teny nomena azy?Raha ato"para phrase" daholo ny teny tsy ananan tsika,dia ho very tsy hifankahita isika.Fa rehefa azon'ny rehetra fotsiny ny tiana ho lazaina amin'ilay dikan-teny dia izay no zava dehibe.
veloma e!
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony
Feedback Form