|
fijo
Messages: 281
|
 |
RE: Kolon-tsaina
« Réponse #1 le: 29-08-2003 à 00:20:00 » |
Citation
|
ho an'i mamy,
tsara dia tsara ilay te handika ny teny gasy,amin'ny tena izy,fa tsara kokoa ny mandinika ny dikanteny amin'ny teny gasy vao mitsara.Ohatra,ilay hoe" kapila mangirana"marina fa tsy ny CD rehetra no mangirana,ary ny dikan'ilay "C" dia compacte,saingy isika gasy rehefa mandika teny vahiny izay tsy ananatsika amin'ny teny gasy,dia manao dika ara-keviny.hoatra:solaitr be.satria taminizany fotoana izany,ny solaitra no nanoratana.koa dia nadika ho solaitra be ny tableau.Ny solaitra anefa mainty,ary ny tableau rehetra dia tsy mainty.Koa diso koa ve izany io dikan-teny io?Ny CD voalohany koa anie ka nangirana daholo e.Tamin'izany fotoana izany no nandikana ny heviny tamin'ny teny gasy,koa rehefa misy fivoaran'ny loko na ny toetran'ilay zavatra ve aty aoriana,dia tsy maintsy ovana koa ny dikan-teny nomena azy?Raha ato"para phrase" daholo ny teny tsy ananan tsika,dia ho very tsy hifankahita isika.Fa rehefa azon'ny rehetra fotsiny ny tiana ho lazaina amin'ilay dikan-teny dia izay no zava dehibe.
veloma e!
|