Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Actualités - Politique - Economie
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: trano gasy vita tsara TGV  (Lu 1026 fois)
Naina

Messages: 1


trano gasy vita tsara TGV
« le: 03-08-2006 à 13:44:22 »
Citer en réponseCitation

mba manao azafady! ho amin\\\'izay mahalala. mitaraina amiko ny anabaviko fa hoe victime de l\\\'escroquerie de haut niveau izy amin\\\'ny izany trano atao hoe TGV any madagascar izany. Vakio ity copie-ny email nalefany taty amiko ity dia mba homeo toro-hevitra azafady indrindra

Naina

>>>>>>>>>Nividy trano hoe TGV (Trano Gasy Vaovao) izay izahay tamin’ny Juin 2005, dia hoe 3 volana ny fahavitany dia clé en main, kanjo mandrakizao tsy vita akory ary henonay tamin’olona fa ilay zalahy president ny TGV, ny anarany hoe Michel Domenichini Ramiaramanana dia tena zalahy escroq sady filou. Nangataka remboursement izahay tamin’ny May 2006 fa nahatsiaro maty antoka (Avance Fmg 56,200,000 no efa nomenay tamin’ny Septembre 2005 tamin’ny vidin’ny trano Fmg 94,000,000) dia narirarirany teo foana izahay mandrak’androany fa anaovany fotoana dia apetrapetrany. kanefa izahay sahirana be fa tsy vita akory ny trano nefa izahay mbola mandoa hofatrano ihany, kanefa io vola io aza tany amin’ny banky no efa nalainay dia ny echeance ny banky izany etsy andaniny miala isambolana foana. Tena arirarirany ny volanay, dia mody fanina be izy, dia tena tsy mahafaly mihitsy ilay izy, Maty antoka mihitsy izahay. Eny akakin’Iavoloha eny ireo trano ireo no nataony, projet de 250 villas ilay izy fa avy eo dia nihena 150 raha ho vitany aza, fa nanakaiky loatra ny palais ilay sisiny avaratra andrefana ka tsy navelan’I Pdt Ravalomanana nanaovana trano hono fa zone rouge, dia ny anay aloha tsy eny amin’ny zone rouge fa na izany aza dia tsy vitany akory fa niakatra 1 metatra lay izy tamin’ny decembre 2005 dia nijanona nicoince teo mandrak’androany.
Ilay olona sasany nividy trano dia efa mimenomenona daholo, sady tsy mahalala fa mpisoloky ity olona sendra anay. Izy io dia mpanao ilay Foire international de l’habitat koa,roboka daholo ny olona fa tsy nahalala. Ary tafakatra 9,450 izao ny olona efa nanao adhesion, nefa ny adhesion nandoavana 10,000 Fmg, ary hevero fa olona 250 latsaka no efa voaringotra tamin’ilay contrat fanaovana trano, fa rehefa mandeha any amin’ny site, dia na ilay biriky auto-blocquant nifanarahana aza efa nivadika biriky tsy misy ciment fa ohatra ireny le brique tany any ambanivohitra ireny.......>>>>>


tena mila toro-hevitra azafady

naina




[biggrin]
Signaler au modérateur   Journalisée
Nanja
Messages: 281


-
« Réponse #1 le: 29-08-2006 à 15:51:40 »
Citer en réponseCitation

De mampalahelo tokoa izany, izahay koa aloha saika voa be fa mba nijanona teo @ ilay 10000 fmg ihany é! Ny mahagaga de nahoana no tsy mivoaka @ haino aman-jery hafa io zavatra io,na misy famotorana lalina (sa ny tenako no tsy naharaka). Raha io olona io tokoa dia nitety toerana maro t@ fanaovana dokam-barotra io TGV io,ary nampilahatra olona maro koa,saika nihotsaka mihitsy aza ny tohatra tao @ ilay tranobe izay efa antitrantitra ihany tao analakely,nohon'ny hamaroan'ny olona. Ary nareo ngah tsy nitory?!Mino aho fa hivoaka ihany ny marina,ary enga anie mba samy hahazo trano daholo zay mila!Mahereza!
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony
Feedback Form