Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Malagasy
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: Ny Tena FITIAVANA  (Lu 1018 fois)
Zorro

Messages: 2


Ny Tena FITIAVANA
« le: 16-04-2005 à 16:56:00 »
Citer en réponseCitation

Na tia tena aza ny olona dia mandainga izay milaza fa tsy manam-pitiavana ny hafa: "io fitiavana io no faribolana iray mampisaraka ny olombelona amin'ny natiora" Raha io fitiavana io no voakitikitika dia mety ahafoizan'ny sasany ny ainy mihintsy, ary raha ohatra aza voasakana na voasara-toerana dia vita ny mampitombina ny hoe "afo lavitra azo amindroana" TANTARANA MPIFANKATIA (Nifakatia tokoa izy ireo saingy noho ny zava-misy dia voatery nisara-toerana, ary taty aoriana dia somary nisy rahoraho kely na aloka sendra nandalo: tsy maintsy porofoin'ny mpifankatia fa tsy maharava ny fitiavany ny elanelan-tany) TOKY HO ANAO Mitakosin-drahomaintyn izato lanitra eny ambony Niha nanonjanonja fatratra Ny ranomasina izay tony Fa ny fitiavako anao safononoka hatrany Na dia tsy tsinjoko endrika any an-tany lavitra any Niha nalazo vety vety iretsy vony an-jaridaina Toa nanjary haizaim-pito misandratr'andro vao maraina Ny foko anefa sahy mivoady ary tsy miambakavaka Fa ny fitia izay nodradrainy dia ianao no tompon-daka Niha iva feo miandalana ny vazom-borona eny an'ala Ny danikandro mahamay nosoparan'ny fanala Fa ny fitiavako anao dia ny ho mandra-maty Ka soraty ho tadidy sy ho latsa-paka anaty Ny setrasetranao ry tany tsy hamoizako ny TIAKO Na ny ngidy na tomany hiaretako hiafiako Izahay voasara-toerana tsy maninona fa tantiko Fa ... raha sambatra izy any, dia mba faly ny ato anatiko Ndimbilaza!
Signaler au modérateur   Journalisée
James007
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 26-11-2005 à 15:38:00 »
Citer en réponseCitation

Lava loatra ilay définis° ka tsy tiako ny mamaly azy
Signaler au modérateur   Journalisée
Latianah
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 09-03-2006 à 08:11:00 »
Citer en réponseCitation

Tena tsara ilay fomba nilazany ny tena fitiavana. Fa ny fomba nampidirana ilay teny no somary tsy mifanaraka loatra ilay zavatra holazainy manaraka. Ohatra: Ny fitiavana dia toy ny aina ka tsy mifidy fiahaviana na saranga. Iza ny olona tsy marary raha toa voasotasota na voaratra ny ainy? Dia toy izany koa ny Fitiavana. Sady nofo aman-dra, ka sady faly no sahirana raha tojo ilay nirina izay toa mamilafila nefa mamy toa sarotra tsakoina. Toa ilay rozy manitra mamerovero sy bikana nefa manindrona, mandatsa-dra.
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony