Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Malagasy
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: AHY NY TENIKO  (Lu 839 fois)
RAZAFINDRATSIMA Ndremahery

Messages: 1


AHY NY TENIKO
« le: 17-11-2003 à 12:03:00 »
Citer en réponseCitation

Fanomezana ho an'ny mpamaky an'i MADATSARA! TRATRY NY KRISMASY SY 2004 daholo.NANDREHITRA AHY NY TENIKOIlay fiteny no nandrehitra ny ao am-ponao nangatsiakaTeny angola izay ihany dia nahavaky ilay riaka,Dia ilay riakam-pahatsiarovanaNibosesika gorobakaNiboiboka tao am-po, nampitsiry ilay lemaka ...Nampidoroboka ilay mifemakaDia ilay tsiaro Ny "any ho any" Any izay 'lay tany mamy.Dia niboredika ianao nahatsiaroNifoha 'zay efa nifangaroNy fiteny, ny filazaFony ianao tanora, fony zazaHoy ianao mantsy :Teny tsara, manjamanjaMandrehitra ahy toy ny vanjaTeny mamy sady kanto Sady angola no milantoInjay ianao nahita azySatrinareo hivazivazyHanao fitenin'ny avy anyHiova jery sy volon-tanyManao varobarotra ... ankandasitra ...Karajia, sasanangy ... rediredy ... SesilanyDia noborahinao ilay fitenyTsy mba fampiasanao tetySaingy fitanisanao ombienyNampiadianao ilay firehakaNangolainao tsilemilemyNarindranao hahazo tehakaNovoizinao hiredaredaNajapijapinao hirefotraNy ao am-ponao hirehitra...Hoy ianao mantsy :Teny tsara, manjamanjaMandrehitra ahy toy ny vanjaTeny mamy, sady kanto Sady angola no milantoTeny manja, tsaratsaraVanja handrehitra izay tiana hambara !Tiako kanto, teny mamyMirantoranto volon-tany !Fa tenin-drazanao izany !Razafindratsima Ndremahery Sept 2003 NANDREHITRA AHY NY TENIKOIlay fiteny no nandrehitra ny ao am-ponao nangatsiakaTeny angola izay ihany dia nahavaky ilay riaka,Dia ilay riakam-pahatsiarovanaNibosesika gorobakaNiboiboka tao am-po, nampitsiry ilay lemaka ...Nampidoroboka ilay mifemakaDia ilay tsiaro Ny "any ho any" Any izay 'lay tany mamy.Dia niboredika ianao nahatsiaroNifoha 'zay efa nifangaroNy fiteny, ny filazaFony ianao tanora, fony zazaHoy ianao mantsy :Teny tsara, manjamanjaMandrehitra ahy toy ny vanjaTeny mamy sady kanto Sady angola no milantoInjay ianao nahita azySatrinareo hivazivazyHanao fitenin'ny avy anyHiova jery sy volon-tanyManao varobarotra ... ankandasitra ...Karajia, sasanangy ... rediredy ... SesilanyDia noborahinao ilay fitenyTsy mba fampiasanao tetySaingy fitanisanao ombienyNampiadianao ilay firehakaNangolainao tsilemilemyNarindranao hahazo tehakaNovoizinao hiredaredaNajapijapinao hirefotraNy ao am-ponao hirehitra...Hoy ianao mantsy :Teny tsara, manjamanjaMandrehitra ahy toy ny vanjaTeny mamy, sady kanto Sady angola no milantoTeny manja, tsaratsaraVanja handrehitra izay tiana hambara !Tiako kanto, teny mamyMirantoranto volon-tany !Fa tenin-drazanao izany !Razafindratsima Ndremahery Sept 2003
Signaler au modérateur   Journalisée
Madatsara
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 18-11-2003 à 14:23:00 »
Citer en réponseCitation

Tsara tena tsaraMisaotra be dia be
Signaler au modérateur   Journalisée
marolahy michael
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 17-06-2004 à 12:15:00 »
Citer en réponseCitation

manaona saika mba amgataka hira gasy amin'i adressy e-mail hoe azafady raha mety.
Signaler au modérateur   Journalisée
mihanta
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 10-08-2005 à 16:13:00 »
Citer en réponseCitation

tohizo fa tsara e!
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony