Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Malagasy
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: Lova Tatsinanana  (Lu 622 fois)
Merinaforever

Messages: 3


Lova Tatsinanana
« le: 04-03-2004 à 10:01:00 »
Citer en réponseCitation

Raha ny Lojika fotsiny no itondrana azy dia mazava fa:1)Ny fototra ijoroan'ny voambolana tenintsika dia tatsinanana(voambolana nindramina tamin'ny vahiny avokoa ny ambiny noho izany azo soloina na ny vao haingana na ny efa ela indrindra aza)2)Ny Tenintsika dia avy amin'ny Teny Mahaniana,izay no akaiky azy indrindra.Kanefa vitsy sisa ny fifanandrifian'ny voambolana:araka izany ,moa ve ny mahaniana no nivoatra haingana ka andalampidifiana,sa isika no nihataka ?Araka ny fandinihako azy dia isika no nitazona ny fiteny iombonana tamin'dry zareo taloha.Noho izany ny fitenintsika no reférence fa tsy ny azy.Ohatra:Ny teny hoe "uran:rura,walu etc "dia tokony ho lazaina hoe avy amin'ny teny Merina hoe orana,rora,valo etc.3)Soa noho izany ny nahatazonana an'io fiteny Merina io satria raha nijanona tany Asia daholo isika dia efa tsy nisy intsony ny fitenintsika tahaka izay!Raha maherin'ny 600 ny fiteny ao amin'ny fianakavian'ny Nusantara dia iray fotsiny amin'ireo ny antsika.Ka raha lasa mivoana tsikelikely isika amin'ny findramana fiteny vahiny dia hiafara toy ny fiteny Mahaniana koa ny fiteny Merina.Izany hoe tsy ho azo atao réference intsony any aoriana.Raha tsorina izany dia "dépositaire" n'ny fiteny(lova) nusantara iray isika ka manana andraikitra noho izany.
Signaler au modérateur   Journalisée
Besorongola
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 23-03-2004 à 13:31:00 »
Citer en réponseCitation

Raha azoko ny tianao ho lazaina dia isika sisa no nahatana ilay fiteny tany amboalohany ? Misy porofo mipetraka ve izanjy vokatry ny fikarohana ara-dalàna sy ny sisa ?Ary raha fantatrao fa olana izany na toe-javatra mitaky fandraisana andraikitra inona no soso-kevitra tianao haroso?
Signaler au modérateur   Journalisée
Merinaforever
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 24-03-2004 à 08:54:00 »
Citer en réponseCitation

Tsy siansa aho ary tsy nanao fikarohana manokana.Nisy ny efa nanao an'io fanamarihana io koa tamin'ny lahantsoratra novakiako.Noho izany antony izany indrindra no ilazako dieny amboalohany hoe "araka ny lojika".Ka raha misy valimpikarohana siantifika any aminao na any amin'ny olonkafa dia tsara loatra.Ny fahatsapako fa olana ny fanadinoana tsikelikely io fiteny io,na ny findramana voambolana hafa dia mitarika ahy hanisy hafatra toy itony aloha voalohany ary koa hihezaka ny handalina hatrany ho ahy manokana sy ho an'ny manodidina ahy.Ny olona manampahaizana manokana ny amin'izany dia maro nefa ataoko fa tsy manakana izany ny andraisan'ny tsirairay anjara.
Signaler au modérateur   Journalisée
Liva
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 28-09-2004 à 11:35:00 »
Citer en réponseCitation

Tsy ampy ny fivelaran'ny teny Malagasy eto @ ateri'eto koa miangavy ireo manampahaizana mba hampivela bebe kokoa ny tenin'drzantsika
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony