|
ombalahimandinika
Messages: 281
|
 |
Voadó
« le: 26-10-2003 à 19:33:00 » |
Citation |
Misy kilalao natombok'iXHY (Dadio Rasalama hatry ny elabe) taona maro lasa izay. Ny teny gasy hono teny fototry ny teny hafa marobe. Nahaliana maro tamintsika izy io. Satria ve mamelona ny ambompon'ny tsirairay amin'ny mahamalagasy azy? Tsy any ny adihevitra fa kilalaontsaina no andraisako azy ka tsy misy maharatsy azy, raha mety hanampy ny fitiavako ny teniko. Ity indray ary: Vaudou na Vôdoo, fivavahana afrikana niampita ny ranomasimbe Atilantíka. Toa voadona mafy tokoa ny mpisorona rehefa anaty tromba. Ka raha milatsaka ny "na" miafara ny teny amina faritra sasany eto Madagasikara, ny "vaudou" ary sao voado(na)? Kilalaontsaina fotsiny ho'aho an!!
|