Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Malagasy
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: Zimbabweanina, mponina avy aiza hoe?  (Lu 476 fois)
Ombalahimandinika

Messages: 281


Zimbabweanina, mponina avy aiza hoe?
« le: 15-05-2003 à 19:41:00 »
Citer en réponseCitation

Volana mey toy izao no niantomboka ity fanitarantsaina momba ny tenintsika ity.Arahabaina izany ny oebimasitera, ho lava andro iainana, hifanatitra amin'izay tiany,ho ela velona mandrapahafaty e! Fa izao : isika be fanontaniana "kidaladala" eto no tena akademia mamaritra ny teny malagasy ampiasaina na ho ampiasaina atsy ho atsy!Ka sao dia tokony hifanaraka momba ny filazana ny mponina avy atsy na aroa? Notsorin'ny Ntaolo ny azy : "Ant+ilay toerana" no fitsipika (izay tsy maintsy manana ny mibolila hatranyà ny mahafitsiika azy). Maka saritany dia manontania tena, tandremo sao mipika!Raha ny hevitro, aleo tsorina: ny anaran'ny tany no anaran'ny mponina ary ezahina mba ny filaza azy any antoerana no ianarana fa tsy faly mangalatahaka ny frantsay fotsiny! Ohatra: Ny mponina ao Paragoay dia Paragoay, ny avy ao Roanda dia Roanda (fa tsy "Roandahy" akory na Roande!), ny avy ao Borondy, Borondy fa tsy Boronde, ary ny ao Zimbaboe, Zimbaboe fa tsy Zimbaboeanina na Zimbatsyfantatro! Aoka isika hitsinjo ny bitika ka hahay hanamora ny fisokafany @ ny eranizaotontoloizao.Hatreo indray, mirary soa!
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony