|
Fanjaniaina Razafimbelo
Messages: 281
|
 |
- no title -
« Réponse #1 le: 19-10-2003 à 02:07:00 » |
Citation
|
Ny Fanahy no tena olombelona. Avy amin'ny Fanjakan'Andrimanitra izay nisy hatramin'ny mandrakizay ny Fanahy ary tonga amin'ny fisiana amin'ny fotoana hitorotoronona (conception), rehefa mifandray ny 'spermatozoide' sy ny 'ovule'. Toy ny vatantsika izay miforona ka miomana hivelona eto an-tany rehefa teraka, ny Fanahintsika koa dia miomana eto amin'ity tany ity amin'ny asa (soa, (fanompoana, fanatsarana ny fianakaviana, ny manodidina, izao tontolo izao...sns). Izany fiomanana izany dia amin'ny alalan'ny fampivelarana ny toetra ara-panahy eto an-tany (fitiavana, firaisan-kina, fitserana, fizarana izay hanana, fahadiovana, famelana, fahitsiana, fahamarinana...), mba hahafahany mivelatra rehefa teraka (amin'ny alalan'ny fahafatesana) amin'ny fiainana ao aorian'ity fiainana mety maty ity.
|