Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Malagasy
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: Fihavanana  (Lu 390 fois)
Nine

Messages: 281


Fihavanana
« le: 13-03-2003 à 13:47:00 »
Citer en réponseCitation

Fihavanana tompoko dia teny gasy mazava tokoa : "havana" araka ny eritreritrao, ka raha avadikao teny frantsay dia na handeha miaraka ny lohanao aza, tsy hahita valiny ianao. Ny tenintsika tsy avy amin'ny frantsay daholo akory fa tena fitenenana mahaleo tena, sady azo lazaina koa misy fihaviany hafa ny malagasy fa tsy frantsay mihitsy raha tsy taty aoriana refa feno ny diksionera gasy. Manampy an'izay, tsy dia teny misy valeur loatra ho an'ny frantsay io teny io, ny gasy no tia fihavanana raha ny tokony ho izy, ka aza mamaky loha mitady ny tsy hita e !
Signaler au modérateur   Journalisée
Jean Marie Helpa R.
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 14-03-2003 à 22:27:00 »
Citer en réponseCitation

Miombon-kevitra aminao aho amin'ny hoe, manana ny maha izy azy ny teny Malagasy: Tsy miankina velively amin'ny teny frantsay. Manana ny maha izy azy koa ny Malagasy dia ny fankamamiana ny fihavanana izay ahitana ny fototeny hoe havana. Ny mitovitovy aminy fotsiny angamba ary tiako hotsindriana kely dia ity. Misy koa ny Eoropeana no miaina io fihavanana io na dia tsy fantany aza fa hoe fihavanana no iantsoana izany " toetra" na " kolon-tsaina" izany. Tsindriako amin'izany ny italiana izay miavaka amin'ny samy eoropeana. Aty an-toerana aho ary mahatsapa izany:
Signaler au modérateur   Journalisée
Kac
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 03-04-2003 à 14:15:00 »
Citer en réponseCitation

Inona moa ny tena olana amin'izay lafiny izay. Io izao dia noforonina avokoa ny rakibolana momban'ny "internet" izay tsy dia misy fandikana mazava koa amin'ny teny frantsay. Nihainana ny fihavanana anefa amin'izao fotoana izao dia mbola hain'ny tsirairay ve no dikan'io teny io. Izany hoa mihavery io teny io tompoko
Signaler au modérateur   Journalisée
tahiry
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 26-01-2006 à 11:21:00 »
Citer en réponseCitation

ny tena hevitry ny teny hoe fihavanana
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony