|
Nine
Messages: 281
|
 |
Fihavanana
« le: 13-03-2003 à 13:47:00 » |
Citation |
Fihavanana tompoko dia teny gasy mazava tokoa : "havana" araka ny eritreritrao, ka raha avadikao teny frantsay dia na handeha miaraka ny lohanao aza, tsy hahita valiny ianao. Ny tenintsika tsy avy amin'ny frantsay daholo akory fa tena fitenenana mahaleo tena, sady azo lazaina koa misy fihaviany hafa ny malagasy fa tsy frantsay mihitsy raha tsy taty aoriana refa feno ny diksionera gasy. Manampy an'izay, tsy dia teny misy valeur loatra ho an'ny frantsay io teny io, ny gasy no tia fihavanana raha ny tokony ho izy, ka aza mamaky loha mitady ny tsy hita e !
|