Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Malagasy
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: Ambovombe Androy  (Lu 484 fois)
LAHIMORA

Messages: 281


Ambovombe Androy
« le: 13-07-2002 à 19:50:00 »
Citer en réponseCitation

"ANBOVOMBE ANDROY" dia tanana iray any antsimo ny Madagasikara ao anatin'ny faritany Toliara. Izy no renivohitry ny faritra Androy iray manotolo. Mizara ho commune 18 ny io faritra io ka ny eo atampotanana dia mizara faritra fito (cartier).Manantatara koa io toerana io, izay tatara nahatonga azy hatsoina hoe "Ambovombe"Ka izao no momba izany: "Aminy maha faritra Androy azy dia tany maina lava Ambovombe sady efa tsy misy reny rano koa, ka any Mandrare ny olona eo an-tanana no maka rano. Tamin'izany andro izany hono no nisian'ity vavy antitra iray ity izay antsoina hoe:"ANDIDO"; efa tsy afaka maka rano i Andido ka izay avy naka rano any lavitra any no andrasany mba hanome rano azy. Taty aoriana anefa leo azy ny olona ka tsy nanome rano azy intsony, tampakevitra amizay hono i Andido fa handeha koa haka rano fa efa tsy omen'olona; ka tamin'izany indrindra no nahitany lavaka kely misy vitsika izay mandomando. Nandroso nijery anio hono iAndido no nisy niteny hoe: "Aza mandeha lavitra any ianao maka rano fa eto ihany dia mahazo, ary aza tenenina amin'iza na amin'iza izao zavatra hitanao izao". Dia nanaika hono i Andido. Nefa taty aoriana gaga ny olona fa mahazo rano foana i Andido na dia tsy omena aza ary vetitvety de tonga, ka izay no nanarahan'olona azy ka hita ilay lavaka kely. Nitangorona ny olona nihady ilay lavaka ka lasa lehibe ilay lava. Ka izay no hahatonga ny anarana hoe "AMBOVOMBE", satria ny hoa "lavaka": dia vovona, ny "be":dia lehibe; dia lasa Ambovombe ilay vovona ngezabe.Ie zay ty taliliko tsy izaho ro mavade fa ty ondaty bey taloha
Signaler au modérateur   Journalisée
marovara
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 28-09-2002 à 16:41:00 »
Citer en réponseCitation

Manantona an'i Atoa Latimer Rangers amin'ity adiresy ity lot A 154 Faravohitra Ambony 101 Antananarivo na Tél (020) 22 358.21
Signaler au modérateur   Journalisée
FRANCK
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 29-09-2002 à 18:32:00 »
Citer en réponseCitation

HAINAO SOA LONAKE TY MITALILY TY HIRIK'AÑARA AMBOVOMBE TOY.I MAHAVELO, AMBONDRO, TSIHOMBE, ANTANIMORA HIRIKE AIA KOA ?
Signaler au modérateur   Journalisée
tovondahy paris
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 25-12-2002 à 16:58:00 »
Citer en réponseCitation

misaotse anareo koahe magnome fagnazavagne ty mikasike ty tane tika toy maro ty tsy mahafantatse ndrey tandroy io zay koahe ty ahy fa le veloma
Signaler au modérateur   Journalisée
Bitro_Mafana_Be__
Messages: 281


- no title -
« Réponse #1 le: 10-03-2003 à 22:12:00 »
Citer en réponseCitation

Mbalahazo.
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony