|
ombalahimandinika
Messages: 281
|
 |
Taolagnaro
« le: 26-05-2002 à 16:39:00 » |
Citation |
Misy toerana hono nahitana taolana marobe, asa taolan'ny tompotany ve sa ireo vazaha nanafika, fa dia nivangongo tamina toerana iray ka nahatonga ny fitenenana hoe: "taolana aro" izay nanjary "Taolañaro".Nony nanapakevitra ireo frantsay fa hanorimponenana tao dia nomeny ny anarana hoe Fort Dauphin ny toerana noriny voadidina manda "Fort" ka ho fanajana ilay ho mpanjakany "Louis faha16" izay mbola Dauphin, izany hoe ilay hisolotoerana. Nogasiana ho Faradofay izy io talohan'ny namerenana ny anarana gasy hoe Taolañaro.
|