|
rija
Messages: 281
|
 |
"Ny soa fianatra"
« Réponse #1 le: 23-02-2006 à 07:49:00 » |
Citation
|
“Ny soa fianatra” hoy ny fitenin-drazantsika. Na dia sarotra aza ny miaiana ankehitriny dia mbola misy ny olona miavaka amin’ny rehetra: tia fihavanana, tia fandrosoana, mihantra ny hafa… Hita ao amin’izy ireo avokoa ny toetra mendrika ny maha Malagasy. Tsy hanao dokam-barotra ho azy ireo no anton’ity lahatsoratra ity fa kosa hamporisika ny hafa hanaraka ny dian’ireo efa nahavita. Ataoko kosa fa mendrika fiderana sy fankasitrahana ny zava-bitany. Tsy iza izany fa ireo olona toa an-dry tarika Njava,mpanankanto malaza avy any amin’ny
faritra atsimo atsinanan’ny Nosy iny, sy Ingahy D’Gary, mpitendry gitara malaza eran-tany avy any atsimo any ihany koa.
Finiavan’izy ireo manokana no nahavitany ezaka goavana toy izao, izay ataoko fa mila toe-tsaina manokana sy fitiavan-tanindrazana ny fanatanterahana izany.
Ry Njava maro mianadahy dia nahavita nanorina irony fikambanana tsy miankina ara-panjakana irony na koa O.N.G hanampiany ireo mponina ao aminy, nahavita koa izy ireo nanao fampisehoana hanangonam-bola, izany rehetra izany dia entina mampandroso ny faritra niavian’izy ireo ary koa hiadivany amin’ny fahantrana.
I D’Gary kosa, avy amin’ny heriny manokana fa tsy nila fanampiana avy tamin’ny Fanjakana, dia nahavita nitady fanampiana avy amin’ny namany manerana izao tontolo izao. Noho izany dia nahatsangana O.N.G koa izy. Ny ezaka ataon-dry zareo amin’izany dia mampianatra mamaky teny sy manoratra ireo mponina mipetraka any amin’ny faritra atsimo any, izay marihina fa tsy tongan’ny fiarakodia.
Tsy fitiavana hirehareha no nanaovan’izy ireo izao ezaka goavana izao fa kosa entina mampandroso ny faritra niaviana tsirairay avy. Koa raha vitan’ny hafa ve tsy ho vitan’ny tena e? Samy Malagasy izao ihany! Mendrika ireo mpanankanto ireo mihitsy ny anarany hoe “Mpanankanto” satria zava-kanto sy soa no nataony ho an’ny tanindrazany.
Ataoko fa tena hampiova sy hampandroso ity Iarivo mamintsika ity koa raha mba miara misalahy ireo mpanankanto malaza eto an-drenivohitra ireo. Tsy ny enti-manana kosa angamba no tsy misy e! Raha mba ny finiavan’izy ireo manokana mantsy no entiny manatanteraka irony hetsika tian’ny tanora ankehitriny irony, “Tanà in love”, ka ny vola azony amin’izany no entin’izy ireo mikarakara “vary mitsangana” ho an’ny tsy manana dia efa zava-dehibe ho an’Antananarivo izany.
Efa nisy ihany ny hetsika fanampiana sekoly iray etsy Ankorondrano fa tsy avy tamin’ny mpanakanto no niavian’ny hevitra fa kosa avy tamin’ny mpandraraha iray misahana ny fifandraisana amin’ny finday.
Koa raha vitan’ny hafa ary ny mampandroso ny faritra misy azy, maninona ny an’ny tena raha mba atosika koa e? Raha mahasoa ny tena mety hahasoa ny hafa. Ataoko fa tsy vola hoy aho no olana fa ny finiavana no hahavitana zavatra. Ka atsipy ihany ny teny ho an’ny manam-panahy fa asakasak’izay hanao valalan’amboa ka ny tompony aza tsy tia e!
|