Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Derniers fils de discussion dans Malagasy
  Répondre  |  Envoyer ce fil  
Auteur Fil de discussion: telegasy  (Lu 914 fois)
telegasy

Messages: 2


telegasy
« le: 19-12-2005 à 04:51:00 »
Citer en réponseCitation

[version Malgache puis traduction Francaise plus bas]

Miarahaba tompoko,

Miala tsiny amin'ny tsipelina diso.

Mivoaka amin'izay izao ny TV Gasy amin'ny Internet.
Fotoana fanandramana izahay izao, ary mila anareo miteny
sy milaza ny tokony hanatsarana azy. Noho izany dia ilaina
ianareo mba andray anjara amin'ny fanandramana ataonay.
- Izy io dia atao tsy misy dokam-barotra
vazaha mitsy fa Gasy daholo.
- Ny fijerevana ilay TV, dia maimaipoana.
-Fandaharana sy vaovao an-tsary notsongaina tamin'ny
TV sasatsasaany any Dago no halahatray.
- Na aiza ianao na aiza raha mbola misy Internet
(mihaotran'ny 512K ny Internet-nao)
dia afaka mahita ny fandaharanay

Tsy mila vola izahay avy aminareo, fa misy zavatra
iray angatahanay aminareo: "Ampielezo ny fisian'ity TV Gasy
amin'ny Internet ity". Arakaraky ny habetsahan'ny olona mijery
ilay TV no havitanay manao fandaharana tsara. Raha tsy mahaliana
olona manko ity zavatra nataonay ity dia rariny raha adabokay.
Fa raha mahaliana olona kosa, dia hataonay izay mety
mba hanatsarana azy.
Ao amin'ny site http://www.telegasy.info no ahitana
ny zavatra tokony ho klikena mba hijerena ilay TV. Ohatra, azonareo
jerena ato (http://www.telegasy.info/sections/telegasy-radiogasy/installation-vlc)
ny fomba fi-installer-na ilay logiciel fijerevana TV @ Internet. Hitanareo
amin'io tondro io fa tsotra dia tsotra. Raha misy olana dia antsoy ny
mpiandraikitra amin'ny lafiny teknika, ao amin'ny 06 99 72 21 57 (na
+33 6 99 72 21 57 raha miantso avy ivelan'ny France). Misy koa ny Forum
ao amin'ilay site ao mba:
- hiresahatsika ny fandehan'ny raharaha any Dago any.
- hilazanareo ny olana momba ny fandraiasanareo ny fandaharanay

Vakio ihany ilay "Version Francaise" ambany io fa misy zavatra
tsy voalazako amin'ny teny Gasy.

Hajanony ny mandray anjara any amin'ireny site be dokam-barotra
ho an'ny vazaha ireny. Ny antsika karakaraina.

------------ Version francaise, courte, sans accents ------------------------

Bonjour,

Nous avons mis sur pied un TV Gasy sur Internet.
Elle difuse des clips, et des morceaux de journaux televises
de chaines emettant à Madagascar, avec un differe de quelques jours.
Peut-etre n'etes vous pas directment interesse, mais nous sommes
convaincu que certaines de vos connaissances pourraient etre comblees par
l'existence de notre TV. Vous pourriez faire leur bonheur, alors ne vous en
privez pas: transmettez ce message autour de vous.
La TV est sur http://www.telegasy.info. Plus il y aura de web-spectateurs,
plus nous seront motives a ameliorer nos emissions. Il n'est en effet pas la peine
de se casser les #%£$lles pour quelquechose qui n'interesse personne.
Nous sommes en phase de tests pour un ou deux mois, et c'est le bon moment
pour emettre des suggestions. Une fois la phase de test passee, nous figerons
les choses pendant un moment. Vous pouvez emettre des suggestion sur le forum
prevu a cet effet sur le site http://www.telegasy.info.
Signaler au modérateur   Journalisée
Madatsara
Messages: 281


Re:telegasy
« Réponse #1 le: 19-12-2005 à 12:02:00 »
Citer en réponseCitation

Miarahaba anareo

Arahabaina amin'izao dingana lehibe vitanareo izao.

Ny takelaka madatsara dia vonona ny hiara-hiasa aminareo raha misy azo hifanampiana.

Izahay rahateo dia miezaka manandratra ny maimai-poana na koa ny "open source, logiciel libre" rehetra.

NRABEHASY
Signaler au modérateur   Journalisée
H. ETHEVE
Messages: 281


RE: telegasy
« Réponse #1 le: 20-12-2005 à 23:40:00 »
Citer en réponseCitation

bonjour ,misaotra betsaka pour vos services.
Signaler au modérateur   Journalisée
Razafimandranto
Messages: 281


RE: telegasy
« Réponse #1 le: 21-12-2005 à 06:59:00 »
Citer en réponseCitation

Faly miarahaba anareo mpikarakara tompoko ny tenako.
Tena mahafinaritra ny zava-bitanareo ka dia mirary anareo izahay mba ho tonga amin'izay tsara indrindra ary mahavita izay kasaina hatao ny Tompo no hanampy anareo, dia mino sy manantena koa ny tenanay fa ny tsara sy izay mety handratana ny maha-Malagasy hatrany no hasehonareo fa tsy sanatria hatao fahazarana fotsiny sisa ny fahendren'ny Malagasy fa mbola hitohy ary hihatsara hatrany. Miandrandra izany ny tenako ka dia mino aho fa tsy ho ela dia hiverina izany, amin'izao fotoana izao raha jerena ankapobeny dia efa miha-voahitsakitsaka ilay Fahendrena, Fifampatokisana, Fifankatiavana, Fandeferana, Fifanampiana,SnS.
Izay moa no mba teniko ka raha tsy mety dia avereno amiko fa tsy misy tsiny tompoko.
Signaler au modérateur   Journalisée
andriandalaoarivony
Messages: 281


RE: telegasy
« Réponse #1 le: 27-12-2005 à 15:57:00 »
Citer en réponseCitation

miarahaba anareo mpikarakara,dia faly koa miarahaba ity tv gasy vaovao ity. Tsara be ny fikasana, mahereza sy mazotoa eo amin'ny ezaka,ao fa ampielezina araka izay tratra, hafa ny antsika e. Misaotra
Signaler au modérateur   Journalisée
rija
Messages: 281


RE: telegasy
« Réponse #1 le: 30-12-2005 à 10:46:00 »
Citer en réponseCitation

Sarotra aloha ilay procedure e. Tena marina e.
Signaler au modérateur   Journalisée
rabe harilala
Messages: 281


RE: telegasy
« Réponse #1 le: 11-01-2006 à 15:18:00 »
Citer en réponseCitation

faly miarahaba ekipan'ny tvgasy ,isaorana ianareo @fananganana ity tv ity,mahereza hatrany ny hanatsara ny antsika fa izahay manoana sy mankahery ianareo hatrany hatrany
Signaler au modérateur   Journalisée
rabe harilala
Messages: 281


RE: telegasy
« Réponse #1 le: 11-01-2006 à 15:19:00 »
Citer en réponseCitation

faly miarahaba ekipan'ny tvgasy ,isaorana ianareo @fananganana ity tv ity,mahereza hatrany ny hanatsara ny antsika fa izahay manoana sy mankahery ianareo hatrany hatrany
Signaler au modérateur   Journalisée
rabe
Messages: 281


RE: telegasy
« Réponse #1 le: 11-01-2006 à 15:19:00 »
Citer en réponseCitation

faly miarahaba ekipan'ny tvgasy ,isaorana ianareo @fananganana ity tv ity,mahereza hatrany ny hanatsara ny antsika fa izahay manoana sy mankahery ianareo hatrany hatrany
Signaler au modérateur   Journalisée
Rakotomandimby
Messages: 281


RE: telegasy
« Réponse #1 le: 16-01-2006 à 12:32:00 »
Citer en réponseCitation

Rija, "à coeur vaillant rien d'impossible" :-) hoy ny vazaha. Ilay paozin'ilay fanazavana no hitanao fa lava dia heverinao fa manahirana, fa refa dinihinao (raha manana finiavana handinika ianao), dia tsotra dia tsotra... Ny olona vendrana be @ resaka informatika dia niantso t@ telephone mitsy hoe tsara satria détaillé tsara ilay procédure. Mazava ho azy fa raha olona efa mahay informatika dia lecture inutile ilay izy dia manome impression hoe manahirana...
Signaler au modérateur   Journalisée
  Répondre  |  Envoyer ce fil  


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony