|
Auteur |
Fil de discussion: Fanavakavaham-bolonkoditra aty Frantsa (Lu 546 fois)
|
|
RAM
Messages: 6
|
 |
Fanavakavaham-bolonkoditra aty Frantsa
« le: 26-11-2005 à 22:11:00 » |
Citation |
Miarahaba anareo ny tenako. Gasy vao tonga aty France aho, ary mba gaga ihany @ fihevitry ry zareo frantsay momba antsika malagasy sy ny vahiny hafa. Tsy diso angamba aho raha milaza fa misy izany fanavakavahana izany eto Frantsa. Izany moa dia tsapako @ fikambanana izay idirako sy misy aho. Tsy dia talanjona ihany nefa aho satria tsy mitovy fisainana amintsika malagasy tokoa ny foto-pisainandry zareo: indrindra fa eo amin'ny finoana, ny fomba fijery izany fiaraha-monina izany. Ka ny anontaniako anareo malagasy efa teto ela dia ny hoe: ahoana 'kay ny fomba fiatrehana izany fanavakavahana izany ry zareo. Iaraha-manaiky fa tsy vahaolana loatra ny fifamaliana, na ny fiadiana. Ny tsy firaharahiana azy ireo no vahaolana tenenin'ny maro, nefa hitako ho tsy mampivoatra ilay fikambananay izany Ilaina mantsy ny "fifanakaikezam-po"n'ny tsirairay mba hampandrosoana ny fikambanana. Koa raha efa tojo na misedra ny zavatra toy izao ianao dia mba teneno ahy hoe ny fihetsikao ? Misaotra mialoha.
Haja.
|
|
|
|
|
|
Madatsara
Messages: 281
|
 |
Re:Fanavakavaham-bolonkoditra aty Frantsa
« Réponse #1 le: 26-11-2005 à 23:09:00 » |
Citation
|
Miarahaba anao RAJAONARISON Andrianandrianina Miarihaja,
Misedra izany toe-javatra izany tokoa ny vahiny rehefa tojo amin'ny toerana iray. Izany zavatra zany dia tsy amintsika olombelona irery ihany fa na biby koa aza dia misedra fanakavahana.
Marina koa fa eto Frantsa no hita hoe tsy miafina loatra izany, azo porofoina amin'ny ohatra maro be ny anton'izany.
Ny azoko ambara na toro-hevitra omena anao dia tsotra: rehefa hainao ny miditra ao anatin'ny tontolony dia izay no vahaolana aingana indrindra.
|
|
|
|
|
|
Oscar
Messages: 281
|
 |
RE: Fanavakavaham-bolonkoditra aty Frantsa
« Réponse #1 le: 27-11-2005 à 19:59:00 » |
Citation
|
Miarahaba!
Efa 25 taona aho izao no teto frantsa.Ny vahaolana dia tsotra ihany.Rehefa tsy ilaina ny hidirana àfaritra iray dia aza mba hidirana.Misy toerana maro azo hitsofohana,tsy mpanavaka ary avokoa ny frantsay.Vitsy ny tena tsy manana io fisainana io,be dia be kosa no mody mandray nefa rehefa hidiranana lalina dia lozitra.Izany rehetra izany anefa hiaraha-mahalala fa hitondra andry zareo ank'ady satria modiany tsy fantatra fa ny toe-karenan'ity frantsa ity dia miankina àvahiny nalainy eran'ny vaza-motitra.
|
|
|
|
|
|
Oscar
Messages: 281
|
 |
RE: Fanavakavaham-bolonkoditra aty Frantsa
« Réponse #1 le: 27-11-2005 à 20:00:00 » |
Citation
|
Miarahaba!
Efa 25 taona aho izao no teto frantsa.Ny vahaolana dia tsotra ihany.Rehefa tsy ilaina ny hidirana àfaritra iray dia aza mba hidirana.Misy toerana maro azo hitsofohana,tsy mpanavaka ary avokoa ny frantsay.Vitsy ny tena tsy manana io fisainana io,be dia be kosa no mody mandray nefa rehefa hidiranana lalina dia lozitra.Izany rehetra izany anefa hiaraha-mahalala fa hitondra andry zareo ank'ady satria modiany tsy fantatra fa ny toe-karenan'ity frantsa ity dia miankina àvahiny nalainy eran'ny vaza-motitra.
|
|
|
|
|
|
RAM
Messages: 281
|
 |
RE: Fanavakavaham-bolonkoditra aty Frantsa
« Réponse #1 le: 28-11-2005 à 01:23:00 » |
Citation
|
Misaotra an'i Oscar sy ny Madatsra aloha ny tenako. Marina tokoa ny teninareo, satria zava-misy iray toa tsy hiala amin'ny zanak'olombelona tokoa izany fanavakavaham-bolonkoditra izany; ka dia ny fahaizana mizatra izany tokoa sisa no vahaolana. Raha ny fijeriko azy anefa dia toa mora am-pitenenana ihany izany fa sarotra tanterahina. Ohatra fotsiny : nisy fikambanana iray nidirako satria hitako ho sehatra ahafahako mampivoatra ny talentako ilay izy. Ao amin'io fikambanana io anefa dia maro ny mpanavakavaka, ka iavonany aho, tsy mba afaka milaza hevitra mihitsy, ary tsy avelandry zareo hisongadina. Tamin'ny voalohany dia mba tsy iresahako koa izay tsy miresaka amiko. Rehefa nihafantatro daholo anefa ry zareo dia hitako ho maro ny mpanavakavaka. Ka dia naleoko nialàna ilay fikambanana mba tsy "hitokanako monina" ao anatin'io fikambanana io. Eto izany dia hitako ho "ilaiko" ihany ilay fikambanana nefa tsy tsara ny ijanonako ao. i Oscar anefa nilaza (ary iaraha-mahalala ) fa maro ry zareo no manavaka, izany hoe tahatahaka izany avokoa ny fikambanana rehetra, koa lasa ny eritreritro amin'ny hoe: dia tsy ho afa-mivoatra mihitsy izany isika eto amin'ity tanindry zareo ity?
|
|
|
|
|
|
Sariaka
Messages: 281
|
 |
Ny vaha-olana dia ao anatinao
« Réponse #1 le: 06-12-2005 à 11:15:00 » |
Citation
|
Miarahaba anareo rehetra izay mitafa eto amin'ity tranon-kala ifanakalozan-kevitra ity.
Mikasika ny loha-hevitra naroson'i atoa RAJAONARISON etsy ambony io, dia zava-misy tokoa izany eto Frantsa.
Ny vaha-olana naroson'i Madatsara dia anisan'ny mahomby tokoa.
Ny tiako hanampiana koa dia hoe: ny vaha-olana dia avy ao aminao Atoa Rajaonarison. Fantaro izay tanjona tianao tratrarina eo amin'ny fiainanao, indrindra fa ianao aty Frantsa izao, dia mifantoha amin'ny fanatanterahana izany tanjonao izany, fa aza reraka sy mandany ny herinao amin'ny adalan'ny olona etsy sy aroa.
Manana ny fahalemeny avokoa ny olona tsirairay avy, ka ny lafiny tsara no jereo amin'ny toetran'izy ireo.
Ankoatr'izany, isika Malagasy mpiray tanindrazana koa no mila mandinin-tena satria misy toetrantsika mahatafintohina eo amin'ny samy isika, ary manakana ny tena fandrosoan'ny firenena.
Koa dia mahereza daholo eo amin'ny atao sy kasaina.
|
|
|
|
|
|
|
|