Madatsara : Tout Madagascar en un clic

Répondre
Pseudonyme:
Email:
Titre:
Code de sécurité :
Icône du message:
Citer ce message
Smiley Wink Cheesy Grin Angry Sad Shocked Cool Huh? Roll Eyes Tongue Embarrassed Lips Sealed Undecided Kiss Cry
Options supplémentaires…

 

Résumé de la discussion
Posté le: 12-12-2007 à 20:27:23
Posté par: malagasy
Mahavariana tokoa ity resaka ity! Mahatsikaritra tokoa ny tenako fa betsaka ny malagasy miteny vary amin'anana. Misy amin'izy ireo no mipetraka lavitry ny tanindrazana, misy koa anefa no any an-tanindrazany. Ho an'ireo any lavitra moa dia voatery mianatra ny fiteny vahiny amin'ny fiainana andavan'andro, ka rehefa tena ela nipetrahana tany ve dia manadino ny "teny" na hoe "mots" sasany? Sarotra tokoa ange ny miteny gasy rano iray, fa dia ny miezaka manatanteraka an'izany no tanjona!
Iza aminareo ireo no mbola tsy nampiasa teny vary amin'anana na in-dray mandeha monja aza?
Ny mampalahelo nefa dia ireo gasy mihevitra fa mahamenatra ny teniny, ary mbola mihevitra fa ny an'ny vahiny no manan-kasina. Ireo ankizy beazina amin'izany no tena mampalahelo satria tsy mahay ny tenin-drazany akory! Ireo mipetraka ao Frantsa moa no tena betsaka manana izany fisainana izany, fa ireo any Belgique fotsiny ohatra dia latsain'ny mpampianatra ireto zaza gasy tsy miteny gasy! Ireto frantsay aza moa mba te hiteny anglisy mafy ka ny teniny aza ataony vary amin'anana...
Ho an'ireo metisy izay nampianarin'ny ray sy reniny teny gasy dia faly avokoa ny ankabeazany rehefa lehibe ka mahatsapa izany harenany izany. Ny tsy mahay miteny moa dia mitsaotsaoka ny malagasy rehefa mifanena.
Inona no mety ho tohiny?
Posté le: 07-12-2007 à 22:20:23
Posté par: Rajoro
Mampandinika tokoa ity resaka ity. Ny hevitro ny ahy dia hoe ny rafi-pisainana ao amin'ny olona mihitsy no voadona vokatry ny zava-misy. Hoy isika hoe matetika dia ireo tsy mahafehy ny an'ny tena no sady tsy mahafehy ihany koa ny an'ny hafa no mahatonga ity trangan-javatra ity.
Raha jerena tokoa manko ny zavamisy dia tsy mbola mahazo laka eo amin'ny fiainana andavanandro ny teny malagasy satria mahantra angamba ny firenen-tsika, mahantra olona hanome lanja an'io tenin-drazana io, mahantra fikarohana afaka mampifandray ny hasin'ny teny malagasy sy ny fampandrosoana firenena, mahantra ihany koa mazava ho azy raha oharina amin'i Etazonia sy Frantsa.
Karazana trangan'aretina ara-kolon-tsaina mifandray amin'ny zava-misy angamba ity, ka noho izany amiko dia tsy ny fitsikerana an-dranona sy ranona no vahaolana fa ny fiaikena aloha hoe misy ity olana ity. Efa natao ny hoe teny diso tsy mba kabary fa toa tsy dia misy vokany akory. noho izany ny fijerena ifotony ny olana angamba no fanafody.
Posté le: 28-12-2004 à 23:32:00
Posté par: ranaivo
Mme Tiana

Tu ne mérites même pas qu'on t'appelle "Tiana", et je dirais même plus tu t'es trompé de forum car une personne qui n'a pas d'identité comme toi (ni française ni magache) ne devrait même pas juger ses proches.

Je suis sure que tu n'était même pas dans une école française à madagascar vue tes fautes d'orthographes donc arrêeeeeeeeeeeeeeeete stp!!
Tu ennerves les braves gens.

Ne t'étonnes pas si tes enfants se comportereont comme ces minables de "tavaratra " qui ne trouvent pas leurs identités.


Madatsara 2008 - Actualités Madagascar
Agencement et Intéractivité par Miss. Andy Andrianarivony