Rechercher
Site
PublicitéTalen'ny sekoly fanabeazana fototra ao Ambohidravaka, Raharimbolasoa Marielle Hanitra, ao anatin'ny distrikan'Ambohidratrimo, no nisy nanafika tany an-toerana, ny zoma antoandro teo. Teny an-dalana hody any aminy izy no tratr'izany loza izany, ka sady naratra mafy no tsy mahatsiaro tena amin'izao fotoana izao. Rakotry ny dian'antsy ny vatany, indrindra fa ny lohany. « Teo amin'ny lohany no tena betsaka dian'antsy, ary nisy lasa lalina nahakasika ny ati-dohany mihitsy, nahatratra folo santimetra...