Tout Madagascar en un clic

Hosodoko amin'ny logiciel Paint

Andriamatoa Jean Emile R. dia mpanan-talenta amin'ny Hosodoko. Ny mampiavaka azy dia ny logiciel no asa-tanany fa tsy toy ny fanaon'ny mpanao hosodoko rehetra. Ny logiciel ampiasainy dia fantatry ny besinimaro mpampiasa ny oridinatera windows, dia ny paint izany. Sarotra ny migeja sy miasa amin'ity fitaovana iray ity. Izay indrindra no nahatonga an'i Jean Emile R. nanokana takelaka bilaogy hanangonana ny asa vitany sy ny babony. Toy izao ny resaka nifanaovanay taminy.

Aiza ho aiza ny sehatra misy anao eo amin'ny zava-kanto ?
J.E.R : Hosodoko (peinture) no ataoko. Noho izany eo amin'ny sehatry ny Beaux Arts no misy ahy.

Inona no atao hoe Beaux Arts ?
J.E.R : Ahitana ireo asa-tànana mifototra amin'ny sary: sary hosodoko (peinture), ny sary tsy voaloko (dessin) ary ny ny sary sikotra (sculpture).

Misy mampiavaka ny sary hosodoko malagasy ve  ?
J.E.R : Tsy misy fa sahala amin'ny sary hosodoko fahita amin'ny firenen-dehetra dia mampiseho sarin'olona na biby na paysage.

Inona no mampiavaka ny sary hosodoko ataonao ?
J.E.R : Ny mampiavaka ahy dia vita tanteraka amin'ny programme microsoft paint ny sary hosodoko ataoko. Kanefa koa mety tsy mampiavaka ahy satria efa mety ho betsaka ny mampiasa azy io ny mpanao sary any ho any.

Iza no mpanao sary hosodoko malagasy tianao indrindra ?
J.E.R : Ny an'i Henri RATOVO no mahafinaritra ahy indrindra ny asa vitany.

Inona no hafatra tianao hampitaina ?
J.E.R : Mampirisika ireo mpanao sary eran-tany mba hampiasa ny programme microsoft paint.

Raha hitsidika ny bilaogin'ny Jean Emile R. > http://decophilie.hautetfort.com/


par Madatsara
Culture, Accueil
LU 177 fois
Le lundi 1 février 2010

<- retour vers Articles

0

Poster un commentaire.

* Champs obligatoires




Image CAPTCHA pour prévenir l'utilisation abusive
Si vous ne pouvez lire toutes les lettres ou chiffres, cliquez ici.
*

Envoyer

Nous publions :

  • Vos articles : envoyez ici, ou par mail si votre article est déjà mis en forme et/ou avec des photos.
  • Vos photos par mail
  • Vos évènements par mail.

Widget Twitter

RT @thierry_ratsiz: @sameganegie est finaliste du concours Best of Blogs (Deutsch Welle) http://bit.ly/cR0iQm #Madagascar /via @MiraRama ...


@sameganegie est finaliste du concours Best of Blogs (Deutsch Welle) http://bit.ly/cR0iQm #Madagascar /via @MiraRama @lrakoto


Tratry ny Asaramanitra daholo ary e! #taombaovaomalagasy #newyear #madagascar


Unique!! Taste chocolate made in #Madagascar at #MAP #Paris http://bit.ly/cyXPWD


Unique!! Chocolate made in #Madagascar at #MAP #Paris http://bit.ly/cyXPWD


 
Madatsara - Tout Madagascar en un clic