Tout Madagascar en un clic

FIRENENA TOA INONA ?

firenena-toa-inona_200

Sarotra amin?ny olon-tsotra ny hino fa tena misy fitiavana ny  Tanindrazana tokoa amin?ny fitondran-tena sy fihetsiky ny manam-pahefana samihafa hatramin? izao. Ny manam-pahefana izany tsy midika hoe ny mpitondra fanjakana irery. Ny mpanohitra ny fanjakana nanendry tena hitondra ankehitriny dia manam-pahefana koa fa ny karazany sy ny fetrany no tsy mitovy. Ny andiany politika samihafa mbola mihainohaino amin?izao fotoana dia manana ary hita taratra fa mampiasa ny fahefany koa any ambadika any. Ny firenena vahiny sy fikambanana iraisam-pirenena samihafa mifandray amintsika dia manam-pahefana koa ary hiaraha mahalala ny herin?izany fahefana izany eo amin?ny firenena toa an?i Madagasikara izay, hatramin?izao, mbola miankin-doha be amin?ny vola tsy an?ny tena akory mba ampihodinana ny raharaham-panjakana. Marefo tanteraka, mba tsy ilazàna hoe resabe, ilay hoe fiandrianam-pirenena raha ny ara- toekarena sy vola no resahina.

Samihafa ny fahefana any am-pelatanan?ireo andian-kery politika ireo fa zavatra roa no itoviany. Volaohany, mbola voafetra eo amin?ny fanakanana fotsiny ireo hery ireo. Faharoa, tsy mahavita mampifanantona ny hevitra mba hiteraka fananganana marim-pototra ireo hery ireo hatramin?izao.  Ny fahefan?ny hery politika mitondra ny fanjakana ankehitriny dia voefatra satria ny ranomasina tokoa no valamparihiny : tsy misy manaiky ny itenenany amin?ny anaran?i Madagasikara ny fandaminana iraisam-pirenena.   Ny fahefan?ny hery politika manohitra indray dia voafetra satria ny fotokevitry ny firenena vahiny sy fikambanana iraisam-pirenena izay tsy mankato ny fitondrana misy izao no tena andry iankianany, na dia eo aza ny mpomba azy  ato anatiny. Ny hery politika hafa izao dia mbola mijery fanorona, mibitsika paipaika, no sady mitily ny laka ho azy ihany koa. Ireo firenena vahiny sy fikambanana samihafa koa voafetra ny fahefany, ary ekeny izany, satria tsy izy no handehana hanapaka izay ho avin?ny fitondrana an?i Madagasikara. Voafetra ny fahefany, saingy izao : anatin?izay fahefana voafetra izay ny fanalahidy ara-bola izay ilaina na dia ampihodinana ny fitondrana eto amintsika fotsiny aza. Loza anie izany e ! Kanefa dia izay no marina ary tsy tokony afenina ny olona. Raha tsy azo izany fanalahidy izany dia mikoroso fahana eo izay fanjakana mijoro eo, na iza na iza maimay hitondra eo. Ny raharaham-pirenena tsy tranom-pody ka ho vitan?ny vava.

Tsy ekena tokoa ny fitsabatabahan?ny firenen-kefa, na iza na iza, amin?ny raharahan-tokantranon?ny malagasy. Tsy maintsy avahana kosa anefa ny tena raharahan-tokantrano sy ny teny ierana nifanarahana tamin?ny firenena sy fikambanana iraisam-pirenena samihafa izay tsy maintsy hajaina. Na mahamenatra aza ny fiankinan-doha dia izay aloha no mbola famaharan?ny aim-pirenena sy ny andavan?andron?ny sarababem-bahoaka ankehitriny. Ny fiverenan?ny fifandraisan?i Madagasikara amin?ny mpiray antoka ara-tekinika sy ara-bola izany no azo heverina ho laharam-pahamehana izao. Izay fifandeferana sy teny ierana matotra ahatongavana amin?izany no tokony jerena aloha, raha tia Tanindrazana sy mitsimbina ny mponina tokoa. Avy eo dia ho hita eo hoe iza no hery politika manana paika mazava mba ampihenana miandalana ny fiankinan-dohan?i Madagasikara be loatra amin?ny any ivelany, ka ampitombo ny fiandrianany ara- toekarena sy vola, tsy ampifilafilan?ny olona antsika lava izao. Izany dia midika hoe vitan?io hery politika, tsy mbola fantatra hatreto io ny mampifoha, manome toky, mandrindra sy mampivelatra ny angovom-pamoronana sy fihariana navela handamoka hatrizay tao anivon?ny hery velona malagasy manerana ny Nosy. Raharaha be izany ary mitaky fanavaozana kolontsaina. Ny lehibe indrindra amin?ireo votanisa ireo dia ny famerenana ilay fifampatokisana satria efa tena maimbo rezatra sy nanehitra tamin?ny kabary tsara lahatra sy ny ronono an-tavy ny olona, efa vizana sy antitra am-pitsanganana tamin?ny fifamitahan?izy samy izy ny antsoina hoe mpanao politika malagasy ka toa izay ahazoana avarapatana hatrany sisa no, sanatria, mody laroina fotokevitra. Rehefa tsy maintsy handroso amin?ny fifandeferana ihany ianareo, aza ampitondraina ny mafy ela loatra eo am-piandrasana ny fikenokenonareo re ny  olona, azafady e. Ary aza adino fa ny olona no manana ny fahefana ara-tantara hanendry sy hanasina izay hitondra indray avy eo. Ataovy ny teny ierana, farito ny manda hiarovana azy amin?ny totakely politika tranainy sy vaovao. Samy manana ny fahefana hanakanan-javatra ianareo kanefa: misy fetrany izany ary mety hifototra aminareo. Tadiavo azafady ny lalana ahazoanareo manangana. Tsy maintsy mifandefitra, mifampatoky ary mifameno, izay vao mahafaritra velaran?elanelam-panahy azo hanorenana fahefana manangan-javatra. Firenena toa inona no ho voantsangan?olom-pirenena ? na samy mpitondra na mpitondra sy entina, na samy entina ? tsy mifampatoky ?

© - Tsilavina Ralaindimby.


par Tsilavina Ralaindimby
Malagasy
LU 673 fois
Le lundi 11 mai 2009

<- retour vers Articles

BLOQUIN le 15-05-09 00:00 a ecrit :

ny ilaina dia izay manana hevitra, asa vita sady iarahana ny tombotsoan rehetra, no maharitra no tsy ialay hevitra hoe làlana ve azo ohanina nefa ianao matihanina momba io lalana ioihany .

mianatra le 15-05-09 00:00 a ecrit :

Fifandeferana, fampatokisana sy fifamenoana ve tsy miaraka amin'ny hoe tombotsoan'ny rehetra ihany e? Sa tsy izay ilay lalana voalazan'ny mpanoratra? Ka na manana hevitra aza ny tsirairay, rehefa samy hijanona amin'ny heviny tsy misy fihainoana sy marimaritra iraisana, inona ny tombotsoa hipoitra eo fa dia izao sahotaka lava tsy misy farany izao ihany. Ny olana ange dia milaza ho mahay noho ny sasany foana ny mpanao politika e, kanefa dia hita ny vokany fa ny mponina ihany no mizaka ny mafy.Ary tsy maintsy hisy foana ny mpameno paosy sy ny tia tena, mitombo an'isa.
Very tokoa ve ny "valeurs" antsika malagasy fahiny momba ny fitiavan-tanindrazana sy ny fihavanana, ka lasa anjakàn'ny vola sy ny fitiavan-tena toy ny any an-tany capitaliste mandroso? Madagasikara anefa tsy manana ara-bola, ny capitalisme no manjàka , "cherchez l'erreur"...

zafimandimbymarie le 21-05-09 00:00 a ecrit :

Mba antsy aho raha mba misy soson-kevitra ilaina momba io Fifidianana io aho dia ny any ambanivohitra no mahavantan'ahy,mba efa manana trai-kefa @ Famoriam-bahoaka @ amina Fifidianana ny tenako.Mivavaka Mafy aho mba hahay hifandefitra ny olona ho fidina,rehefa Lany iray,ary ma ho zaraina isam-prin-tany ny Toerana ary mba tsy ho tian-tena ,aoka mba tsy ny nataony teo aloha no arahina fa ! tena porofoy @ i VAHOAKA fa tsy nety ny nataony teo aloha 'zay ny ahy no mba hanaovako antso avo @ 'zay ho mpitondra ho lany eo,ny vahoaka Malagasy dia tena Mino Anandriamanitra ary tena mivavaka, ka aoka re! aza fitahina ny vahoaka fa mampalahelo.

iarilivarasamimanana le 03-07-09 00:00 a ecrit :

Mazava tsara ilay hafatra ary hisaorana anao Andriamatoa Tsilavina RALAINDIMBY. Tsara angamba ny hametrahana fanontaniana ho an' ireo goaika antitra tamin'ny raharaha politika rehetra tsy misy hanavahana hoe efa ho dimapolo taona izao i Madagasikara no nahaleho-tena inona no zava mitranga? aiza ho aiza isika izao? mandroso ve sa mihemotra? manao ahoana ny fiainan'ny vahoaka? mba mahavelon-tena ve ny firenena? sa dia tsy maintsy mihantehitra ny firenena any ivelany ihany? Raha ny zava misy aloha ary tsy azo ho lavina dia mikoroso fahina ny fiainan'ny vahoaka, ireo antsoina hoe classe moyen taloha lasa 4'mi ireo 4 mi dia tsy hay lazaina intsony fa sanatriavin'ny ny vava ny alika taloha nihinambary fa ireo olna ireo kosa ankehitriny tsy fantatra intsony hoe inona no hoaniny, toa voa maika mikoroso fahana ny fiainan'ny Malagasy ka moa ve mbola mety ny hiverenan'izy ireo eo amin'ny fitondrana? Tsy aleo ve mba mitady olona vaovao manana ny fari-pahaizana sy fahendrena ary fitiavantanidrazana no mba ho tadiavina fa ireo izay teo aloha, dia tsy azo hitokisana intsony. Nandritra ny dimapolo taona ireo tsy hita izay vitany koa inona indray no hovitany eo intsony, aleo ireo mba hisotro café amin'izay fa ampy izay fijaliana nahazo izay, ny olona any ivelany efa handeha ho any amin'ny planete Mars, ny Volana moa efa vitany kilalao, fa ny antsika toa voa maika mihemotra sanatriavina ny olona tamin'ny préhistorique mbola mihaina tsara lavitra noho ny Malagasy amin'izao fotoana izao. K'aleho ary mba ho olom-baovao no hitondra ary hamboarina ny lalana rehetra mba tsy hifangaro ireo fahefana telo, ka tsy ho olona iray ihany, toy ny hatramin'izay no hitantana ireo, tokony hisy ihany koa aza fahefana fahefatra izay afaka hitsara ireo mpitondra eo amin'ny fitondrana raha toa ka mivaona amin'ny zavatra tokony hataony izy ireo. Ireo olona afaka mitsara ireo dia tokony hisy mpitsara nahavita fianarana sy olon-tsotra izay voafidim-bahoaka ka tsy misy hifandraisany amin'ny olona izay mitondra, satria ny vahoaka no tompon'ny teny farany. Izay mitondra dia mpanofa fotsiny ihany fa rehefa ilain'ny tompony ny fahefana dia miverina amin'ny izany. Izay no zavatra tadiavintsika ilay antsoina hoe DEMOKRASIA. Koa dia samia miheritreritra tsara ary isaika Malagasy.

Poster un commentaire.

* Champs obligatoires




Image CAPTCHA pour prévenir l'utilisation abusive
Si vous ne pouvez lire toutes les lettres ou chiffres, cliquez ici.
*

Envoyer

Nous publions :

  • Vos articles : envoyez ici, ou par mail si votre article est déjà mis en forme et/ou avec des photos.
  • Vos photos par mail
  • Vos évènements par mail.

Widget Twitter

 
Madatsara - Tout Madagascar en un clic