Aller au contenu
A- A A+

Soratononina 2012 an-tsary


Tontosa soa aman-tsara ny fifaninanana soratononina nokarakarain'ny fikambanana KOLO, ny asabotsy 9 jiona teo tao amin'ny INALCO  (Institut National des langues et civilisations orientales) Paris.

Marobe ireo loka nozaraina  avy amin'ny "sponsors" ho an'ny mpifaninana ary dia nahazo avokoa ireo efatra nandray anjara tamin'ny nisoratra anarana ho an'ny Sokajy faharoa (vao mianatra ny teny malagasy), ary 28 no nozaraina ho an'ireo Sokajy voalohany, izay efa miteny malagasy.

Andiany fahafolo ny soratononina Tao Paris, fa ny taona fahafolo dia mbola amin'ny 2013. Mbola mikasa ny hanao hetsika manokana ny KOLO amin'ity taona 2012 ity, ho avy miandalana ny momba izany. 

Misy ny hetsika hafa mahakasika ny kolotsaina malagasy ao Paris. Manasa ny rehetra ny fikambanan'ny Havatsa-UPEM France sy ny FI.MPI.MA ,ny 22 jiona 2012 izao amin'ny 7 ora hariva, hanatrika ny fampisehoana " Ry tanindrazanay malala ô ! " atao ao amin'ny 17 rue de l'Avre Paris 15è : antsan-tononkalo sy seho an-kabary . 

 

 

 

Sokajy faharoa, ireo efatra nahazo ny loka :

1°- Ralaimanamisata Marie-Paule

 

 2°- Razafindrazaka Malala

3°- Rabezatovo Sandra

4°- Rabezatovo Chrystelle

 

Sokajy voalohany, ireo telo voalohany nahazo ny loka :

1°- Ratsimba Stéphanie 

 

2°- Harivelo Tiana

3°- Razafindrazaka Jenner

 

 

>>> Manasa anao hijery ny sary rehetra ETO

 



< Article précédent

Article suivant >

« Retour

blog comments powered by Disqus
Haut de la page